Maoritania: Manomboka Ny Diaben'ny Fanantenana Farany

Nanomboka ny dia an-tongotra 470 km ny mpikatroka Maoritaniana, niainga avy any an-tanànan'i Nouadhibou ho any an-drenivohitra Nouakchott, hitondra fitakiana ara-toekarena sy ara-politika maromaro amin'ny manampahefana. Antsoina hoe Diaben'ny Fanantenana Farany ary kendrena avy amin'izany ny ijerena ny fanirian'ny Maoritaniana sy ny isian'ny fanavaozana ara-drafitra.

Manoratra momba ny diabe ny mpamahana bolongana Ahmed Jedou ka milaza fa [Ar] maro ny mpikatroka, ary anatin'izany ny bilaogera, sendikalista, mpampianatra ary ireo voaroaka tamin'ny asany mandray anjara ao anatiny. Antenaina, araka ny nosoratany, fa higadona any Nouakchott amin'ny tapaky ny volana marsa, raha tsy mialoha izany, ny Diabe.

Ao anatin'ny fitakian'ny mpanao diabe ny :

ضمان الحد الأدنى لحرية التعبير السلمي للناشطين بالمدينة.
2- فتح حوار مباشر و جاد مع السلطات العليا للبلد لوضع حد نهائي لمعاناة مواطني أحياء الترحيل( الجديدة و أحزمة البؤس) بحيث يضمن تسوية موضوعية للسكن و التموين تليق بالمدينة كعاصمة اقتصادية و قطب للتنمية.
3- نطالب بتسهيل دمج المهنيين الشباب في القطاعات ذات الصلة، انطلاقا من التزايد الطردي للمواقع الشاغرة في الإدارات و المؤسسات الجهوية و المركزية العمومية منذ عدة سنين في مختلف هذه القطاعات مثل: قطاعات الصيد و المعادن و المتواجدة بالعشرات، و الناتجة عن تقاعد الموظفين و انتشار العقدويين و الطابور الثالث داخل هذه المؤسسات، رغم رفع السن القانونية اللازمة لولوج الوظيفة العمومية إلي 40 سنة و تواجد الطاقات الشبابية المؤهلة لذلك.
4- نطالب بإعلان الحكومة عن زيادة معتبرة في الأجور في القطاعين العام والخاص لتخفيف وطأة الغلاء المعيشي للطبقة النشطة

Mpikatroka eo am-panombohan'ny diabe mahatratra 470km . Saripika: Ahmed Jedou

1. Fiantohana kely indrindra ny fahafaha-miteny am-pilaminana ho an'ny mpikatroka ao an-tanàna
2. Hiresaka matotra sy mivantana amin'ny manampahefana ambony hampitsahatra ny fampijaliana ny olona eny amin'ny tanàna manodidina izay lazain'ny fitondrana fa hafindra amin'ny toerana tsaratsara kokoa. Ny dinika dia tokony ho tonga any amin'ny fametrahana trano misy ny kojakoja ilaina sy mendrika ny tanàna natao ho renivohitra ara-toekarena sy fitaratry ny fampandrosoana.
3. Mitaky ny fampidirana miasa ireo zatovo efa voaofana amin'ny sehatra nanomanana azy mba hanentsina ny toerana banga mihamaro eny amin'ny sehatra isan-karazany any, toy ny fanjonoana, ny fitrandrahana, noho ny fahamaroan'ny mpiasa handeha hisotro ronono
4. Mangataka ny hampakarana ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy tsy miankina hanamaivanana ny vesatry ny fandaniam-bolan'ny mpiasa

Ao anatin'ny fitakiana hafa indray ny fanadiovana ny arabe izay feno fako sy ny fanomezana tany ho an'ny tanora tsy an'asa manana diplaoma oniversite mba ahafahan'izy ireny manomboka ny fandraharahany manokana.

Tahaka ireo namany any amin'ny tontolo arabo dia efa ho herintaona izao no nitoloman'ny mpikatroka Maoritaniana ny isian'ny fanavaozana ara-toekarena sy ara-politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.