29 Febroary 2012

Tantara tamin'ny 29 Febroary 2012

Meksika: Vondrona Mitady Olom-pirenena Tsy Miankina Hirotsaka Hofidiana Ao Amin'ny Kongresy

  29 Febroary 2012

Ankehitriny, ao Meksika, mila miditra amin'ny antoko politika ianao vao afaka mirotsaka hofidiana ao amin'ny Kongresy. Nentina nandresen-dahatra hatrany fa manome vahana ny kilasy politika mitady ny tombotsoan'ny antokony manokana amin'ny fanaovana ampihimamba ny fahefana izany rafitra izany. Volana vitsivitsy lasa izay, vondrona olom-pirenena no nanosika ny  fanovana  mafonja amin'ny demokrasia Meksikana,...

Afrika: Mifidiàna Izay Afrikana Mpisaintsaina Tena Henoin-teny Indrindra Mbola Miaina

Ny bilaogy "Africa is a Country" dia mangataka ireo mpamaky mba hifidy ny Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ao anaty lisitra ahitàna mpifaninana 12. Ilay lisitra dia ahitàna an-dry Chinua Achebe (Nizeria), Mahmood Mamdani (Oganda), Mamdouh Habashi, (Ejipta), Kwame Anthony Appiah (Ganà/Etazonia), J M Coetzee (Afrika Atsimo/Aostralia) ary Issa Shivji (Tanzania). Misokatra amin'ny 5 Martsa 2012 ny fifidianana.