Bolivia: Mitaky Fanatsarana Ny Fikarakarana Azy Ny Olona Manana Fahasembanana

Efa ho 100 andro izao, nanao diabe niainga avy teny amin'ny lemaka atsinanana hizotra ho any amin'ny Foiben'ny Governemanta, miorina 3600 metatra ambonin'ny ranomasina, ny vondron'olona manana fahasembanana hitaky fanampiana ara-bola 3000 Bolivianos (434 dolara amerikana eo ho eo) isan-taona farafahakeliny.

Namaly tamin'ny alalan'ny fanomezana fanampiana indray mandeha mitentina mitovy sanda amin'ny 145 dolara amerikana ny governemantan'i Evo Morales, izay nanankery andro iray mialoha ny hahatongavan'ny valalamanjohy tao La Paz. Nolavin'ny mpitarika ny ny hetsiky ny olona manana fahasembanana io tolotra io, raha niady hevitra ny amin'ny lalàna manome laharam-pahamehana kokoa ny fikarakarana ny olona manana fahasembanana ny Antenimiera Marofirenena (Parlemantan'i Bolivia).

Ny folakandron'ny Alakamisy 23 Febroary, higadona ny kianjan'i Murillo, foibe ara-politikan'ny firenena ahitana ny Lapan'ny Filoha sy ny Lapan'ny Parlemanta, ny mpanao diabe.

t

"Evo: Te-hiaina tsara izahay." Saripika Wayrachaki (CC BY-NC 2.0)

Ny mpisera Twitter @wayrachaki [es], miorina ao La Paz, dia nanaraka ny diabe ary nitatitra mivantana izany tamin'ny alalan'ny fampiasana ny fakantsarin'ny findainy. Namoaka andian-tsary ihany koa izy tao amin'ny Flickr.

Tsy navelan'ny police hiditra teo an-kianja ny mpanao diabe ka nifandona tamin'ny mpanao fihetsiketsehana, izay heverina ho nampiasa baomba sy vovoka mandatsa-dranomaso, mbamin'ny fitaovana mandefa aratra.

Karen Gil nanoratra tao amin'ny bilaoginy [es] mitantara akaiky ny zavamisy:

Cerca de las dos de la tarde de ayer, la marcha llegó a inmediaciones de la plaza Murillo con el objetivo de hacer una vigilia en el lugar y comenzar el diálogo con el Gobierno, sin embargo, a desde dos cuadras del lugar cercos policiales le impedía el paso.

Debido a ello, las personas con discapacidad decidieron romper el primer cerco policial, ubicado en la calle Ingavi esquina Jenaro Sanjinés.

Este hecho duró alrededor de una hora, tiempo en el que se evidenció un forcejeo entre la policía y los protestantes, quienes se defendían con sus muletas y sus sillas de ruedas.

Cuando los marchista comenzaron a ganar terreno, los policías les echaron gas pimienta y comenzaron a golpearlos con sus escudos, incluso, de acuerdo a los testimonios de los discapacitados, se les aplicó descargas eléctricas.

Omaly tokony ho tamin'ny roa folakandro tany ho any dia nahatratra ny arabe manodidina ny kianjan'i Murillo ny diabe mba hanangana toerana hanaovana fiaretantory sy hanombohana ny fifanarahana amin'ny fitondrana, saingy, sakana roa sosona no najoron'ny polisy tsy hahafahan-dry zareo miditra eo.

Vokatr'izany, nanapa-kevitra ny hamaky ny sakana voalohany mijoro eo amin'ny kiho mampitohy ny lalana Ingavi sy Jenaro Sanjinés ny olona sembana.

Naharitra iray ora eo ho eo izany rehetra izany, ary nandritra  izany fotoana izany no velona ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana, izay miaro ny tenany amin'ny fampiasana tehina sy kodiaran-tseza.

Raha vao nanomboka nahazo vahana ny mpanao diabe dia nandraraka vovoka mandatsa-dranomaso tany amin'izy ireo ny polisy ary nanomboka nively kibay, araka ny fijoroana vavolombelona ataon'ny sembana mpanao fihetsiketsehana dia nampiasa hatramin'ny fandefasana aratra aza ny polisy.

"Diaben'ny sembana" Saripika Wayrachaki (CC BY-NC 2.0)

Ny Bilaogera Dario Kenner, izay monina ao La Paz ihany koa, dia maneho hevitra ao amin'ny bilaoginy:

Yesterday afternoon the marchers tried to force their way into the main square in La Paz, location of the government palace. A government spokesperson condemned the violence and claimed there were groups present who provoked the clashes leaving 20 police injured. Bolivian media reports the police used tear gas and pepper spray. At least 10 people with disabilities were injured. The Ombudsman office said the marcher´s rights were abused and there was evidence they had been injured.

Omaly folakandro dia niezaka ny hanohy ny lalany ho eo amin'ny kianja lehiben'i La Paz ny mpanao diabe, eo amin'ny toerana ahitana ny lapan'ny governemanta. Mpitondra tenin'ny governemanta iray no niampanga ny herisetra ary nilaza fa misy andian'olona teo no niezaka nanao izay isian'ny fifandonana ka namparatra polisy 20. Ny gazety Boliviana nitatitra fa nampiasa baomba sy vovoka mandatsa-dranomaso ny polisy. 10 farafahakeliny tamin'ny sembana no naratra. Ny biraon'ny fanelanelanana nilaza fa voahitsakitsaka zon'ny mpanao diabe ary misy ny porofo fa naratra izy ireo

Hita any amin'ny sehatry ny tambajotra an-tserasera moa ny fizaran-kevitra taorian'ny gidragidra.

Etsy andaniny, maro ny hevitra ao amin'ny Twitter no manameloka ny fampiasan-kery ataon'ny polisy amin'ny fampiasana tenifototra #Discapacitados [es] (“Sembana”). Misy ihany koa ny vondrona Facebook [es] antsoina hoe Solidaridad con los discapacitados de Bolivia (“Fiaraha-mietana miaraka amin'ny sembana eto Bolivia”).

Etsy ankilany, misy ny mpisera Twitter tahaka an'i Juan Carlos Quiroga (@jcrquiroga) [es] izay mandresy lahatra fa mihantsy tafahoatra ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana ary manimba fananam-bahoaka aza. Ohatra, nisioka izy fa [es]:

Otro discapacitado rompió el parabrisas de una camioneta de la Policía, con piedras y causó otros daños

Sembana ara-batana iray hafa namaky ny fitaratra aloha amin'ny fiara antonontonon'ny polisy tamin'ny vato ary nanimba zavatra hafa ihany koa

Araka ny lazain'ny gazety ao Bolivia [es], rehefa vita ny gidragidra dia nanomboka nanao fiaretantory ny vondrona sembana ara-batana iray miisa 300, ny sasany tamin'izy ireo nanala akanjo sy mitanjaka tapany eny amin'ny arabe manakaiky ny kianja Murrillo ho mari-panoherana. Nandrahona ny hitokona tsy hihinan-kanina ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana.

Fanamarihan'ny mpandika ny lahatsoratra: Ireo olona tsy afa-mandeha fa voatery mandeha irony seza misy kodiarana irony no tena tondroin'ny antsoina hoe sembana eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.