Brezila: Rafitra Famonjàna Tsy Lavorary Any Amerika Latina

Mamintina ireo tranga niseho tsy ela mikasika ny rafitra fitanana am-ponja ay Amerika Latina ny The Latin Americanist: firehetana izay namono an-jatony tao amin'ny fonjan'i Honduras, korontana tao amin'ny fonjan'i Mexico ary fandosiran'ireo mpiara-mifonja tao Perú. Ireny tranga ireny dia mety hahatonga ny firenena hafa hamerina handinika indray ny rafitra fitnana am-ponja any aminy, saingy moa ve io hivadika ho fanavaozana araka ny tokony ho izy, sa sanatria ho zava-doza tahaka izay nisy?

Ao anaty lahatsorany ny Chronicle of a Tragedy Foretold dia nampiditra ity sombin-dahatsary manaraka ity avy aminà fanadihadiana ny olana any anatin'ny rafitra famonjàn'i Brezila, ahitàna fafanizinana. Amin'ny teny Portioge ny lahatsary ary miaraka amin'ny fanazavana amin'ny teny Anglisy.

Under the Brazilian Sun dia fanadihadiana notarihana sy novokarin'i Adele Reeves sy Leandro Vilaca. Izy io dia milaza ny tantaran'ny rafitra famonjàna amin'ny lafiny rehetra araka izay tratra, fanontaniana ireo efa nandalo tany am-ponja fahiny sy ireo mbola mifonja amin'izao fotoana, ny fianakavian-dry zareo, ny mpiambina, ny manampahefan'ny polisy, ny lehiben'ny fonja, ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny hafa koa. Avy amin'ny famariparitan'ny fanadihadian-dry zareo :

Ity lahatsary ity dia tsy hoe fotsiny zavatra tsy tokony hodinganina noho ny fanehoany amin'ny fomba tsy mitanila sy mivatravatra ny rafitry ny fonja eto Brezila, fa koa satria izy ity dia fandalinana lalina ny antony sy ny fomba mahatonga izany hitranga, miaraka amin'ny fijerena izay azo atao mba hanovàna ireny fepetra ireny amin'ny hoavy.

Azo jerena ao amin'ny YouTube ilay lahatsary fanadihadiana, ity manaraka ity ny ampahany voalohany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.