Shily: Mizàra Ny Sarin'Ireo Hetsi-panoherana tany Aysén Ireo Mpampiasa Twitter

[Ny lahatsoratra tena izy dia navoaka voalohany tao amin'ny La Opiñón [es], gazetim-bahoaka ao anaty aterineton'ny tambajotra Mi Voz (My voice) network]

Nihanahazo hery ny hetsika sosialy iray izay mitaky hatsaràm-piainana bebe kokoa  sy fihenan'ny vidim-piainana any amin'ny Faritr'i Aysén any Patagonia Shiliana, araka ny voatatitr'i Elizabeth Rivera teo aloha to an'ny Global Voices .

Azon'ireo olom-pirenena any Aysén sary ary nampakarin-dry zareo tany amin'ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy ireo fifandonana miharo herisetra izay niseho nandritra ny maraim-ben'ny 22 Fabroary, ny fanakànana ny arabe teo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, ny famoretan'ny mpitandro filaminana sy ny hetsi-panoherana tsy misy fiafaràny.

Ny Twitter no sehatra izay mampiseho ny sary tena manohina avy amin'ireo hetsi-panoherana ireo, izay nanangoly ny faritra.

ny fakàna ny tetezan'ny Chacabuco, Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar):

Fifandonana teo amin'ny tetezan'ny Chacabuco any Aysén, 22 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)

"Fahatsiarovana ny alina iray feno herisetra tany Aysén." 22 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)

Sakan-dàlana amin'ny alina, Hetsi-panoherana ho an'i Aysén (@despiertaAYSEN):

FSakàn-dàlana amin'ny alina tany Puerto Aysén, ny maraim-ben'ny 22 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Movement for Aysén (@despiertaAYSEN)

Maneho ny heviny an-dalambe i Coyhaique, Kallfulikan (@Kallfulikan):

Sarin'ilay hetsi-panoherana tany Coyhaique, 22 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic @Kallfulikan

Arabe eo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, Patricio Segura (@patsegura):

Arabe eo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, 21 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic Patricio Segura (@patsegura)

Arabe voasakana, Alonso Nuñez (@alonso_nunez):

Arabe voasakana, 21 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Alonso Nuñez (@alonso_nunez)

Arabe mankany Coyhaique, Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar):

Arabe voasàkana eo anelanelan'i Aysén sy Coyhaique , Alahady 19 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.