Iran: Voarahon'ny Mailaka “Ho Voasazy Ianao” Ireo Mpanao Gazety

Loharano azo antoka no nilaza tamin'ny Global Voices, anisan'izany ny mpanao gazety Iraniana iray, fa maro ireo Iraniana mafana fo sy mpanao gazety no nahazo mailaka milaza fa ho voasazy izy ireo araka ny lalàna  “FamaizanaIslamika” ao amin'ny Repoblika Islamika any Iran. Ny fotokevitr'ilay mailaka dia “fampitandremana” [hoshdar amin'ny teny Persiana] ary milaza io hafatra io fa manam-baovao sy antotan-taratasy izy ireo izay ahitàna lisitranà olona miasa fatratra ho an'ireo “tanjon'ireo any ivelany” sy manohana ny hetsika fanoherana ny fitondrana. Tsy fantatra ny mombamomba ilay nandefa ny mailaka.

A screenshot of the email's subject line and sender with the body blacked out

Sarin'ny votoatin'ilay mailaka sy nanaran'ny mpandefa nohamaintisina. Loharano: Global Voices

Milaza ilay mailaka amin'ny teny Persiana:

هشدار: بر اساس اطلاعات و اسناد بدست آمده، لیست برخی از ایمیل ها و اسامی مختلف فعال در راستای اهداف بیگانگان و حمایت از فتنه گران شناسایی گردیده که ایمیل شما نیز در لیست مدنظر وجود دارد.
لذا در صورت اصرار بر فعالیت غیر قانونی، برابر مواد 498، 499 و 510 قانون مجازات اسلامی، تحت پیگرد قرار خواهید گرفت.

Ao anatin'ny lisitra ny mailakao. Raha manohy ny hetsika tsy ara-dalana ataonao ianao, ho voasazy araka ireo andinin-dalàna 498, 499, 510 ao amin'ny Lalàna Fanasaziana Islamika.

Manondro ireo asa ratsy manoloana ny fiarovana ny firenena ireo andinin-dalàna ireo [fa].

Araka ny andinin-dalàna 498, na iza na iza mikarakara vondrona miaraka aminà olona mihoatra ny roa ka mikasa hanakotaba ny filaminan'ny firenena iray dia higadra an-tranomaaizina mandritra ny roa ka hatramin'ny folo taona. Milaza ny andinin-dalàna 499 fa na iza na iza mpikambana ao anatin'io vondrona io dia hiatrika fonja mandritra ny telo volana ka hatramin'ny dimy taona. Milaza ny andinin-dalàna 510 fa ny olona izay manafina mpitsikilo mikasa hamely ny firenena miaraka amin'ny fanampian'ny fahavalo, hotanana mandritra ny enim-bolana fa hatramin'ny telo taona an-tranomaizina.

Natao mba hiteraka tahotra izany mailaka izany, nefa tsy misy sonia. Nisy olona nandefàsana izany nanaporofo tamin'ny Global Voices fa nalefa avy amina kaonty Live.com iray tsy misy anarana izany (breaking_news@live.com), tolotra mailaka iray an'ny Microsoft.

Fantatr'ireo Iraniana ny tokony hiahiahiany amin'ny fanimbazimbàna ny tsiambarantelom-piainany ao amin'ny aterineto. Ny Septambra 2011, nitombo ny isàn'ireo ireo Iraniana mpitoraka bilaogy naneho ny ahiahiny taorian'ny fahafantaran'izy ireo fa mety ho boky nivelatra novakian'ny fanjakana Iraniana mba ahitana ireo mpanohitra azy ny kaaonty Gmail-n'izy ireo nandritra ny roa volana.

Tamin'ny 2011, nahazo hafatra fandrahonana ny olona izay nandefa SMS avy amin'ny finday ho an'ny tolotra Persiana ao amin'ny Radio Free Europe/Radio Liberty :

“Ry olom-pirenena, mifototra amin'ny filazana azonay dia nilefitra nanoloana ny herin'ny fampielezan-kevitry ny media mifandray amin'ireo hery avy any ivelany  mpanohitra ny fiarovana ianao.

“Raha mifandray amin'ny media mitoetra ivelan'ny firenena ianao, voampanga ho mandika ireo andinin-dalàna manaraka ireto ao amin'ny lalàna Islamika (…) ary hifandrirotra aminao amin'ny alàlan'ny lalàna izahay .”

Mailaka mandrahona ny androany, lahatsoratra SMS ny omaly. Nefa iray ihany ilay hafatra: Mamafy tahotra sy hioty fitsaharàn'ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.