Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

Navoaka tao amin'ny Atlatszo.hu ny ampahany amin'ity lahatsoratra ity.

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Nitsinkafona manodidina ireo vohitra manakaiky azy ny rano sy fotaka mahafaty, nitarika fahafatesan'olona folo sy faharatranà mponina maro izay tsy nampahafantarina momba ny loza mahazo izay manakaiky ny rano miandrona.

Ireo mponina any n-tananan''i Devecser, 150 kmeo ho eo, andrefan'i Budapest renivohitra, niharan'ny tondra-dranom-potaka mahafaty avy amina indostria mpamokatra 'alumine' dia miezaka mamonjy ny fananany avy amin'ny fotaka. Sary an'i Y ATTILA "BOGART" P., copyright © Demotix (6/10/10).

Hatramin'ny nampiatoana ny famokarana aluminium, ny sasany amin'ireo fitahirizana ny sisan'ireo fotaka avy amin'ny  famokarana aluminium any Hongria – sahala amin'ireo niteraka ny loza tamin'ny Oktobra 2010 – no efa nampiasaina na mbola ampiasaina mba hamoriana ireo karazana fitaovana mampidi-doza hafa. Nesorina ho tsy miankina amin'ny fanjakana ireo indostria Hongorà mpamokatra aluminium taorian'ny 1990, tamin'ny vidiny mirary. Ho takalon'izay, tsy maintsy nampihena ireo fahasimban'ny tontolo iainana teo aloha ireo mpividy.

Iray amin'ireo indostria ireo – any Almásfüzitő, vohitra manamorona ny Renirano Danube any Avaratra Andrefan'i Hongria – dia efa ela no nampiato ny famokarana aluminium. Ireo fitehirizana ny sisam-potaka kosa anefa, dia nampiasaina tany amin'ireo akora simika mamoa-doza novokarina any an-kafa any.

Araka ny antotan-taratasy iray navoakan'ny Atlatszo.hu [.pdf, hu], misy mpikambana iray ao fitantanana ny Tatai Környezetvédelmi Zrt. (Tata Environmental Protection cPlc., fantatra ihany koa amin'ny hoe TKV Zrt.) nilaza ity 15 taona lasa izay, tanatinà famelabelarana teny amin'ny anjerimanontolo momba ny teknolojia nampiasaina amin'ny “fanamboarana” ny iray amin'ireo fitahirizana ny sisam-potaka any amin'ny toeram-pamokarana aluminium ao Hongria (any Almásfüzitő): “Manova loza mitatao iray amina iray hafa isika.”

Nanampy ny mpamelabelatra tamin'izany fotoana izany hoe : “Ny hany fomba tokana hamahàna ny olan”ity faritra ity dia ny famotsiana tanteraka ireo fotaka 11,000 taonina hila eto.”

Ilay antotan-taratasy, izay fitànana an-tsoratra ilay fmelabelarana, dia manamarina fa ao ambadiky ny fialàna bala amin'ny “fampihenana ireo fahasimbana,” lasa voakasik'ireo fako mampidi-doza sy ireo vy mavesatra mihitsy izay notahirizin'ireo orinasa voatokana aza ireo fitahirizana ireo. Tsy voavinany ny ho  vokatr'izany, fa mety ho goavana be ny vokatsoa azo avy taminy.

Olajos, Hongroa iray mpitoraka bilaogy, nanoratra tanatina lahatsoratra iray tamin'ny taona 2010 [hu] fa, araka ny fanadihadiana momba ny fako mampidi-doza, na tamin'ny 2000 aza dia namokatra 14.45 isan-jaton'ny  dioxine sy furan indostrialy ny famokarana aluminium:

[…] Inona ny atao hoe dioxine? Naheno izany ireo mpanaraka ny politika Okrainiana nandritra ireo taona vitsy lasa , hatramin'ny nahavoapoizina an'i [Victor Yushchenko, iray amin'ireo mpifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2004 ] tamin'ny dioxine tamin'izany fotoana izany.

Ny anarana fenon'ny dioxine dia Tetrachlorodibenzo-p-dioxine (TCDD). Tsy voajanahary io fangaro io fa vokatra azo avy amin'ny akora indostrialy vokarin'ny olombelona izany, mandrava ny rafitry ny fiarovana voajanahary ka mitarika homamiadana, ary mety hanimba ny ADN. Raha fintinina izany dia: poizina mamitaka izany ary tsy afaka tsoahana ao amin'ny vatana. Mandefa vokatra ahitàna dioxine eny amin'ny tontolo iainana ireo indostria. Any Hongria, nivoaka avy tao anatina fitahirizana fako any Garé ny dioxine, toerana izay lasa mari-pamantarana ny fahasimban'ny tontolo iainana ihany koa.

Tsy dia nisy niresaka firy ny momba ny furan, tsy malaza noho ilay nàmany ity fangaro iray ity, nefa mety voaloton'ity zavatra azo avy amina vokatra iray ity ihany koa ny tontolo iainana, izay azo avy amin'ny famokarana aluminium. […]

Tamin'ny faran'ny 2011, nanomboka fampielezan-kevitra iray tany Hongria ny Greenpeace mba hampifantoka ny saina amin'ireo fitahirizana any Almásfüzítő. I Pacsker ao amin'ny bilaogy Greenr [hu] dia nizara lahatsary  antsoina hoe “A Street of Cancer Patients in Almásfüzítő” an'ny Greenpeacei  ary nitsikera tanatin'izany [hu]:

Tsy maintsy raharaha goavana iray ho an'ny Foibem-pikarohana miara-miasa ho an'ny Siansa momba ny Tontolo Iainana ao amin'ny Anjerimanontolo ELTE  (CRCES) vao resahana anatinà lahatsarin'ny Greenpeace. Tahaka izany ny trangan'ny Almásfüzítő.

Judit Molnár [ilay vehivavy tanora miresaka ao amin'ilay lahatsary] dia 24 taona ary niatrika fandidiana néoplasie roa izy, manana hirifiry fetsifetsy 19 ny rahavaviny ao anatin'ny vatany.

Efa 1.5 metatra ny halalin'ny menaka mitsikafona eny amin'ny tany.

Tsy dia misy lanjany ny fotaka mena raha ampitahàna amin'ireo taharo hafa nararaka tao anatin'ilay fitahirizana.

Mena ny sôbakaka [noho ilay rano niparitaka avy tao amin'ilay fitahirizana].

Manary aminà faritra maro ilay fitahirizana. Nanaporofo tsara an'izany mihitsy ny rano [amin'i Danube manakaiky ilay fitahirizana]. Budapest manontolo no misotro io rano voapoizina sady mitereaka homamiadana io !

Ary, ho fanampin'izany, mbola mahavita miantso izany ho “compostage” fotsiny ihany ny Tata Environmental Protection (SIC!) cPlc. (Fanazavana avy amin'ny mpandika: compostage dia fanotrehana singa mineraly sy zavatra mety lo mba ho lasa zezika ). … O Letie, ahoana no ahafahanao manotrika fako tsy organika?!

Fandatsahana fakon'akora mampidi-doza anatina fitahirizana izay mitete tahaka ny spaonjy izany. Any Alemàna sy any Aostralia dia voaràra ny fanafangaroana  karazana fakon'akora mampidi-doza samy hafa sy mitahiry izany miaraka. [Mandritra izany] manao fanahy iniana mamorona barikanà vovoka amin'ny tontolo iainana isika…

Hatramin'ny famoahana ilay fandraisana an-tsoratra ny famelabelarana  tamin'ny 1996, niresaka tamin'ny atlatszo.hu ny TKV Zrt. mba hilaza – ankoatra ireo zavatra hafa – fa namboarina ireo antotan-taratasy voalaza etsy ambony ireo ary tsy dia mampidi-doza firy ny tontolo iainana ireo fitahirizana fotaka mena any Almásfüzitő. Na eo aza izany, misy fandinihana iray [hu, arahana famintinana amin'ny teny  Anglisy] navoakan'ny Ivotoerana ara-jeografikan'ny Akademia Hongroa Momba ny Siansa tamin'ny 2004 izay manohana ireo zavatra voalaza ao anatin'ilay antotan-taratasy navoakan'ny Atlatszo.hu.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.