Tonizia: Taona Iray Taorian'ny Revolisiona, Mbola Mitohy Ny Teritery Atao Amin'ny Fahalalahana Maneho Hevitra

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisiona Tonizia 2011.

Taona iray taorian’ny nanonganana ilay filoha teo aloha, mbola tandindonin-doza hatrany ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety ao Tonizia. Tamin’ity herinandro ity, ny tale, ny tonian’ny famoahana ary mpanao gazety iray tao amin’ilay gazety Toniziana “Attounisia” no samy nosamborina noho ny namoahany sary nahabe resaka mikasika toniziana iray mpilalao baolina kitra ao amin’ny Real Madrid, Sami Kedira sy ilay lasibika Lena Gercke miboridana.

The cover reads: "Tunisian soccer player Sami Kedira's photos shock Spain.

Eo amin’ny fonony: Ireo sarin’i Sami Kedira, toniziana mpilalao baolina kitra, nahatohina an’i Espana.

Ireo fisamborana tao amin’ny fanoratan’ny Attounisia, izay ny famoahany anaty aterineto no isan’ireo tranonkala be mpitsidika indrindra ao Tonizia, dia tsy nahafaly ny rehetra. Raha toa ny sasany nankasitraka an’izany, satria ny lalàna momba ny media dia mitaky “fanajàna ny fahamaotinana”, dia marobe kosa ireo toniziana mpiondana aterineto no niditra tamin’ny kaontin-dry zareo mba hanakiana azy ireny, manampy eny ihany ny hadrohadro.

Ao amin’ny Twitter, Sami Nafsi dia manoratra hoe [ar]:

هل ستأذن النيابة بإيقاف المسؤولين فى مونوبري ?? ‎#WTF‏ ‎#Attounissia‏ ‎http://pic.twitter.com/V2xqEKOl
@SamiNafsi: Ny mpampanoa lalàna ve hampisambotra ny mpitantana ny Monoprix (vondrom-tranombarotra lehibe)? #WTF #Attounissia http://pic.twitter.com/V2xqEK01

Monoprix dia mivarotra silipo sy akanjo maivana, ary ireo dokambarotra avy aminy dia ahitàna sarin’ireo lasibika mitafy azy ireny.

Lingerie catalogue of Monoprix

Katalaogin’ny akanjo maivana ao amin’ny Monoprix

Ilay bilaogera Toniziana Le Trocadero [fr] dia tsy nahavita ny tsy hanesoeso mikasika ireo fisamborana tao amin’ny Attounisia. Ao anatin’ny lahatsorany farany, dia manome soso-kevitra ny mpampanoa lalàna izy mba hanenjika koa Musée National du Bardo :

on y trouve des statues nues de femmes et d’hommes dans des positions plus que suspectes. Est-ce que tu l’accepterais pour ta sœur ?

Misy sarivongam-behivavy sy lehilahy miboridana aminà bika somary mahavaka ny saina ihany ao. Ekenao va re izany noho ny amin’ity anabavinao e ?

Lahatsoratra iray izay efa nifampizaràna in-3.000 tao amin’ny Facebook ary in-23 tao amin’ny Twitter.

Slim Ayed, teratany toniziana iray mpanao gazety, dia nampakatra ity lahatsary ity ho ao amin’ny YouTube :

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=08wUZUNpP5s#!

Ilay lahatsary, amin’ny teny Arabo, dia manolotra hevitra ny amin’ny hitafatafana amin’ireo toniziana mpanao gazety izay manome ny hevitr’izy ireo momba ny fisamborana ireo lehilahy mpanao gazetin’ny Attounisia. Miara-miaky ny rehetra fa tsy an-drariny ny fiampangana ary ny biraon’ny fampanoavana ao Tonizia dia tokony hieritreritra zavatra hafa matotra kokoa toy ny raharahanà kolikoly tsy mbola voavaha sy ny fahafatesan’ireo maritiora nandritra ny fitroarana tamin’ny Janoary 2011.

Teo anelanelan’izany, ny tonian’ny fanoratana sy ilay mpanao gazetin’ny Attounisia dia same efa navotsotra avokoa tamin’ny fiandohan’ny herinandro, raha toa kosa mbola voahidy any ilay tale. Ny 18 Febroary, ny gazetiny dia namoaka fanambarana fa hoe nanomboka niditra aminà fitokonana tsy hihinan-kanina izy mba hanoherana ny fihazonana azy.

Sami Kedira, kosa, dia nanao fanambarana imasom-bahoaka tao anatin’ilay gazety mpiseho isan’andro amin’ny teny Alemana Die Welt:

Ich respektiere die verschiedenen Religionen, die es gibt, und auch den Glauben, den die Menschen haben. Aber ich kann nicht verstehen, dass sich Menschen nicht frei äußern dürfen. Das ist traurig”

Hajaiko ireo karazana finoana rehetra misy, ary koa izay faharesen-dahatry ny olona. Saingy tsy mety takatro kosa ny tsy fahafahan’ny olona hanana zo haneho hevitra an-kalalahana. Mampalahelo.

Tsy ny talen’ny Attounisia irery ihany no olon’ny asa fanaovana gazety any Tonizia miatrika fitsarana. Nabil Karoui, ilay tomponandraikitry ny Nessma TV, ihany koa dia miatrika fitsarana noho ny resaka fanitratsirana fivavahana, taorian’ny nandefasany ilay sarimiaina Persépolis, vokatra niarahana frantsay sy iraniana. Na iry voalohany na ity farany dia samy mety ho voaheloka telo ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina avokoa, noho ny fitsipika mifehy ny asa fanaovana gazety efa nilaozan’ny toetrandro nijanona tsy niova hatrany amin’ny taona 1980.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisiona Tonizia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.