Singapore: Miresaka Momba Ny Tantaranà Fijangajangana Ataon'ny Mpanao Politika amim-behivavy Ivelan'ny Fanambadiana Ny Vahoaka

Namoaka  lahatsoratra iray ny Temasek Review Emeritus, iray amin'ireo vohikala momba ny sosialysy  politika any Singapore, milaza fa tafiditra anatina fiarahana ivelan'ny fanambadiana ilay mpikambana ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa (WP) sy mpikambana ao amin'ny Parlemantan'i Hougang SMC, Yaw Shin Leong:

Nahazo fampitandremana maro avy any amin'ireo mpanome vaovao azy azo itokisana ny TR Emeritus (TRE) fa misy mpikambana iray ao anatina antoko mpanohitra iray matanjaka voarohirohy anatina fiarahana ivelan'ny fanambadiana miaraka amina vehivavy ao anatin'io antoko io ihany.

Nitarika takoritsika maro sy resabe tsy misy porofo teo anivon'ireo Singaporeana ity lahatsoratra ity, na tany amin'ny media mahazatra izany na tany amin'ny media sosialy. Nanomboka nipoitra ihany koa ireo tatitra vaovao milaza ny fiarahany amim-behivavy hafa, manambara fa niaraka tamina vehivavy tao amin'ny fiangonany izy, sy Sinoa iray mpampianatra  izay nanampy azy handika ny kabariny.

Samy nisafidy ny hangiana na i Yaw na ny WP raha tokony hiatrika ireo tsaho, nefa ny 7 Febroary 2012 dia namoaka fanambarana tsy dia milaza zavatra firy fa hoe niala tamin'ny toerana maha-mpikambana azy ao amin'ny Komity Mpanatanteraka Foiben'ny antoko (CEC) i Yaw:

Te-hampahafantatra ny vahoaka ny Antokon'ny Mpiasa fa tamin'ny fihaonan'ny Filankevitra Mpanatanteraka  isam-bolana notanterahina ny Talata 7 Febroary 2012, dia neken'ny Filankevitra ny fialàn'i Yaw Shin Leong tao amin'ny fitarihana ny antoko. Hitsahatra tsy ho Mpitambolan'ny Antoko intsony manomboka ankehitrio i Yaw Shin Leong.

Sary iray navoakan'i Yaw ao amin'ny pejiny Facebook, ahitana azy miara-miasa amin'ireo mpiara-miasa aminy mandritra ny Taom-baovao Sinoa.

Na izany aza dia nampitony ny vahoaka ny antoko, indrindra fa ireo mponina ao  Hougang, fa hanohy hanompo ny firenena amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Parlemanta i Yaw.

Maro ireo Singaporeana no tsy faly amin'ny fomba nitondran'i Yaw sy ny Antokon'ny Mpiasa ity raharaha manontolo ity, mahatsapa izy ireo fa manambara ny tsy fahampian'ny fangaraharana sy tsy fahaiza-miara-miasa amin'ny media ny fahanginan'izy ireo.

Mahatsapa i Ng E-Jayavy ao amin'ny SGPolitics fa tokony handio tena i Yaw na mametra-pialàna tsy ho mpikambana ao amin'ny parlemanta :

Araka ny fizotran-javatra niseho tato ho ato, voatery aho hilaza fa ny toetra ara-piraisan'ara-nofon'Atoa Yaw dia afaka hiteraka fifandirana ara-tombontsoa na eo amin'ny sehatry ny antoko izany na eo amin'ny seha-pitantanana.

Raha izany no ataony, tokony hanadio tena Atoa Yaw momba ny hadalana ara-piraisana ara-nofony, sady hiaro ireo vehivavy voarohirohy amin'ny henatra sy ny fandrahonana hatreto, na tokony handray ny tenany ho tsy mendrika ny birao politika, sy hiala araka izany tsy ho MP ao Hougang intsony.

Misy ny sasany mino fa ny fanalana an'i Yaw ao amin'ny WP CEC dia fanekena an-kolaka ny maha-meloka azy :

@jannajauhar: “Sahala amin'ny sahirana mitazona ny hajany i Yaw Shin Loeng mpikambana ao amin'ny WP . #men

@sailesh88: “Ity Yaw Shin Leong macam James Bond ity. Ahitan-dresaka miaraka amim-behivavy isak'izay alehany”

Manambara i Alex Au avy ao amin'ny Yawning Bread fa taratry ny tsy fahampian'ny fisokafana asehon'ny Antokon'ny Hetsi-bahoaka PAP (izay matetika no itsikerana azy ireo) mitondra amin'izao fotoana izao, ny fahanginan'ny WP :

Raha manantena ny antoko fa hanao izany zava-nitranga izany ho toy ny tsy misy ireo mpifidy any Hougang mandritra ieo fifidianana solombavambahoaka manaraka — tsy hanadino izany izy ireo — maninona ny antoko no tsy mino fa mahatakatra izany ny Singaporeana ankehitriny? Maninona no tsy maneho ohatrana fahatsoram-po sy fisokafana ankehitriny?

Maninona ny Antokon'ny Mpiasa no manao ny saron-tavan'ny PAP (antoko mitondra ao Singapore amin'izao fotoana izao) izay maneho fanoherana hafahafa?

Na eo aza izany, Tan Kin Lian, izay nifaninana tamin'ny Fifidianana Filoham-pirenena 2011, dia nanohana an'i Yaw sy ny fitantanan'ny WP an'ity raharaha ity:

“Tsy maintsy manaja ny zo amin'ny maha-olom-pirenena isika, anatin'izany ny oloma famta-bahoaka sy manana ny teorany, mba hangina manoloana ireo raharaha manokana izay tsy misy fiantraikany eo amin'ny fanatanterahany ny andraikiny manoloana ny vahoaka.

Tsy ilaina ny mamboraka zavatra lavitra kokoa, satria ilaina ny miaro ny tsiambarantelon'ny fianakavian'Atoa Yaw.

Ireo mpifidy ao Hougang no hitsara an'Atoa Yaw mandritra ny fifidianana solombavambahoaka manaraka.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.