Hong Kong, Shina: Fifanarahana Fahazoan-dalana Ny Vahiny Hitondra Fiara Miteraka Tahotra sy Hatezerana

Niakatrakatra ny fifanenjanana teo amin'i Hong Kong sy i Shina tanibe tao anatin'ny volana vitsivitsy izay. Raha maharomotra ny  gidragidra madinika, tahaka ny rombo tanaty fiaran-dalamby, dia niteraka sahotaka sy fahatezerana teo amin'ny mponin'i Hong Kong ny nanasoniavan'ny fitondrana ao Hong Kong sy ny fitondrana ao Guangdong tsy nisy fakana ny hevitry ny olona ny fampidirana ny fahafaha-mamily fiara miampita sisintany. Ny sasany amin'ny mpiserasera aza moa dia mampitaha ny toe-javamisy any Hong Kong amin'izay mitranga any Tibet sy Xinjiang, izay miitatra mankamin'ny fisintahana sy ny famoretana ny adim-poko.

Ny sary etsy ambany, izay efa nifampizarana mihoatra ny in-130 tao amin'ny Facebook dia famoronana indray ny sary nalaina tany Tibet faramparany teo. Ny teny filamatra teo amin'ny fiaran'ny miaramila tamin'ny voalohany dia mivaky manao hoe “Fianakaviana iray ny Shinoa Han sy ny Tibetana” (漢藏一家親. Niparitaka fatratra tamin'ny alalan'ny bolongana bitika hanesoana ny politikan'ny fitondrana foibe any Tibet io ilazana fa ny “fianakaviana” dia nakamban'ny herin'ny tafika. Ny kinovan'ny sary hifandraika amin'i Hong Kong dia novokarin'ilay ekipa mpamahana bolongana mpanambatambatra malaza, Kay Lam & Fokguy. Ny ambadiky ny sary dia ny fari-pivarotana betsaka olona indrindra ao Hong Kong, antsoina hoe Causeway Bay ary ny teny filamatra eo amin'ny fiaran'ny tafika dia niova hoe “Fianakaviana iray i Shina sy i Hong Kong” (中港一家親).

Manambara [zh] ny filazalazana momba ny sary fa:

2015 年 SOGO 門口.自駕遊 X 中港一家親幻想圖(來自 2012 年駐西藏的解放軍車)

Nopihana teo anoloan'ny SOGO tamin'ny 2015. Sary novisavisaina momba ny ‘zaha mitondra fiaran'ny tena miampita sisintany’ sy ‘Lasa fianakaviana iray i Shina sy i Hong Kong’.

Ny sary dia fanesoana ny  “fahafahan'ny olo-tsotra vahiny [shinoa] manamory ny fiarany”, izay mamela ny fiaran'olotsotra avy any amin'ny Shina Tanibe hiditra any na dia tsy manana fahazoan-dalana hitondra fiara ao aza. Nandefa [zh] lahatsoratra tao amin'ny inmediahk ny mpisera, Bay area, manazava ny tokotaniben'ity tranga ity:

近日驚見到沒有港人看的左報新聞,原來林瑞麟及鄭汝樺已在毫無諮詢的情況下私自與大陸簽訂了「私家車自由行」的條款,未來三月內地私家車就可直入市區,橫衝直撞每個角落,意象可怖。我們可以預視到,深圳廣州現時的交通文化,將會嚴重衝擊全港的交通系統:我們香港第一個小悅悅亦將會很快誕生。

Taitra tamin'ny filazana navoakan'ny gazety mpomba an'i Beijing vao haingana ny mponin'i Hong Kong tamin'ny filazana fa nanasonia fifanarahana niaraka tamin'ny governemantan'ny Tanibe momba ny “fahafahan'ny olo-tsotra vahiny [shinoa] manamory ny fiarany” [any an-toerana] i Stephen Lam [Sekretera voalohan'ny fitondrana ao Hong Kong] sy i Eva Cheng [Lehiben'ny Biraon'ny Fitaterana sy ny Fampiantranoana]. Ao anatin'ny telo volana dia afa-mitondra fiara azy manokana eto amin'ny tanàna ny Shinoan'ny Tanibe, mahita ny lalana rehetra amin'ny fandehanana mafy. Mampihoron-koditra ny mandray izay an-tsaina. Azonay atao ny maminany fa handravarava ny rafi-pifamoivoizantsika ny kolontsaim-pitondrana  fiara avy any Shenzhen sy Guangzhou: Hita vetivety avy eo ny Xiao Yue Yue [zazavavy kely maty voadona sy voahitsaky ny fiara nandositra tao Guangzhou].

Nandika ny resadresaka sasantsasany nataon'ny mpisera Facebook ny rakibolan'ny fanaovam-politika tsy mihaja Hong Kong Kantoney:

Chan: Mbola tsy ampy ny rafitra fitsidihana tsirairay fa hampiana fahafaha-mitondra fiara manokana [raha hizaha tany]… Aza manadala ahy! tsy manaraka ny lalam-pifamoivoizana ny mpamilin'ny tanibe. Tsy nahasahy niampita arabe aho fony tany amin'ny Tanibe. Ny fahaizany mitondra fiara sy ny tsy fahazarana amin'ny lalan'i Hong Kong, manahy mafy aho fa hitombo isa ny lozam-pifamoivoizana.

Cest la Vie: Ny fahabetsahan'ny mponina, ny fampiasana ny lalana, fitobiam-piara, fomba fitondra fiara, olana ara-tontolo iainana, olana fampiharana ny lalàna, olana fahasahiam-piainana…Maro loatra ny olana. Nahoana no mbola ampiana fahafaha-mitondra fiara raha hizaha tany? Adala?

Tokony hiaro izay sisa tavela amin'ny fahafahan'i Hong Kong ny rehetra. Handratra tsy manantsiny maro ny fanamoriana ankavia sy ny fanamoriana ankavanana [mifampiharoharo]. Ankoatra izany, hampangovitra ny olona ny fahasahisahiam-poana ananan'ny mpamilin'ny Shinoan'ny Tanibe. Mila manakana izany ny mponin'i Hong Kong. Ny fitandroana ny ain'ny rehetra no vaindohan-draharaha. Azafady tompoko!

Ankoatra ny filaminana [aro-lozan'ny fifamoivoizana], ny fahalotoan'ny rivotra sy ny fitohanana, dia nahatezitra ny olona ihany koa ny fifanarahana ambany latabatra momba ny politikan'ny fiampitana sisintany. Araka ny asongadin'ny vondrona mpandala ny rariny ara-piaraha-monina sy ny demokrasia Ligin'ny Lalàn'ny Tany azy :

中港跨境政策一直是本地政治團體和社會運動鞭長莫及的「黑洞」,整套操作完全排斥市民﹝其實是兩地人民﹞,甚至是立法會的參與。由議題設定、研究、制訂政策,市民全不知情,無從過問,每次都是見到曾蔭權或唐英年或林瑞麟與國內官員排排企簽約,市民才透過愈來愈麻木的主流記者得悉,「阿爺又俾著數啦/中央又挺港啦」。

Tahaka ny “lavaka mainty” ny politikan'ny fiampitana sisintany ka tsy manana anjara fitenenana amin'izany ny antoko politika eto an-toerana sy ny fiarahamonim-pirenena. Manaisotra ny vahoaka rehetra ny fifampiraharahana na ny avy any amin'ny Tanibe izany na ny avy eto Hong Kong. Na dia ny Vaomiera mpanao lalàna aza dia tsy afaka miditra anaty adihevitra akory. Tsy misy fomba hahafantarana ny fandaharam-potoanan'izy ireo sy ny fomba fiheverany. Rehefa miteny fotsiny ny gazety fa nanasonia fifanarahana tamin'ny solontenam-panjakana avy any amin'ny Tanibe i Donald Tsang sy i Stephen Lam, vao mahafantatra isika hoe “nanome tombontsoa ho antsika indray i dadabe [izany hoe ny fitondram-panjakana foibe] .

我們每次都是看人家在簽我們的條約,我們從來沒有一次屬於香港人的、可以引以自豪的「簽約儀式」。香港這個不斷「被簽約」的命運共同體要自主,第一步是要離開、違背、拒絕、撕毀綑綁着我們的條約、協議和遊戲規則…

Nanao ireny sonia rehetra ireny ho antsika ry zareo, saingy tsy tompon'ireny fifanarahana ireny ny mponin'i Hong Kong. Tsy misy zavatra hampirehareha ao. Mila mahaleo tena amin'ireny “fifanarahana tsy mifandanja” rehetra ireny i Hong Kong, ny dingana voalohany dia ny mandeha any an-kafa, mitsipaka sy mandrava ireny fifanarahana, lalao politika sy fifampiraharahana rehetra mamandrika antsika ho tafalatsaka anaty fifandraisana tsy mifandanja ireny…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.