18 Febroary 2012

Tantara tamin'ny 18 Febroary 2012

Maraoka: Mpianatra Nogadraina Fa Nanevateva Ny Mpanjaka Tao Anatina Lahatsary

Tamin'ny Alatsinainy 13 Febroary teo, niampanga ilay mpianatra, Abdelsamad Haydour 24 taona higadra 3 taona an-tranomaizina sy handoa lamandy 1200 dolara amerikana ny fitsarana ao an-tanànan'i Maraoka ao Taza noho ny fitsikerana nataony tamin'ny mpanjakan'i Maraoka tamina lahatsary navoakany tao amin'ny YouTube. Araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny sampam-pahalalam-baovaon'ny fanjakana, voampanga ho “nanosihosy ny hasin'ny firenena” i Haydour. Araka...

Arabia Saodita: Mitsingilahila Ny Ampitson'i Hamza Kashgari, Mpanao Gazety

Nahatonga tsela-baratra tao amin'ny media sosialy i Hamza Kashgari, Saodiana iray mpanao gazety, rehefa nitoraka bitsika mikasika resaka noforonin'ny saina niarahana tamin'ilay Mpaminanilahy Mohammed ny tenany., izay nitarika ny fitsoahany ny firenena noho ny fandrahonana ho faty. Ankehitriny, miady hevitra ny amin'izay hahazo an'i Kashgari ireo mpampiasa ny media sosialy satria dia haverina an-tanindrazana avy any Malezia ny tenany.

Singapore: Miresaka Momba Ny Tantaranà Fijangajangana Ataon'ny Mpanao Politika amim-behivavy Ivelan'ny Fanambadiana Ny Vahoaka

  18 Febroary 2012

Misy mpanao politika avy ao amin'ny mpanohitra iray niala tamin'ny toerana maha-mpikambana azy ao amin'ny Komity Mpanatanteraky ny antokony manoloana ireo tsaho amina resaka fiarahana amim-behivavy ivelan'ny fanambadiana. Niresaka mikasika izany raharaha izany ireo mpampiasa aterineto anatinà tambajotra sosialy maro ary maro no naneho ny tsy fahatakarany mikasika ny fomba nitondran'ny Antoko Mpanohitra izany raharaha izany