- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara : Fientanan'olon-tsotra Ho Fampahafantarana Mikasika ny Rivodoza Giovanna

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vaovao Mafana, Voina

Nifanome tanana ny bilaogera Malagasy ka namorona sehatra iray hanarahamaso sy handrakofana ny fizotry ny rivodoza Giovanna  [1] izay niditra ny faritra Atsinanan'i Madagasikara tamin'ny 11 ora alina, ora ao an-toerana. Raha manam-baovao ianareo azo zaraina, azonareo atao ny manao izany amin'ny fandefasana SMS any amin'ny laharana  0326705819, na mail amin'ny cyclonegiovanna@gmail.com, na mameno  ity formulaire ity [2] ao amin'ny vohikala, na mamoaka izany amin'ny twitter ka ampiasàna ny tenifototra  #giovanna.