Nifanome tanana ny bilaogera Malagasy ka namorona sehatra iray hanarahamaso sy handrakofana ny fizotry ny rivodoza Giovanna izay niditra ny faritra Atsinanan'i Madagasikara tamin'ny 11 ora alina, ora ao an-toerana. Raha manam-baovao ianareo azo zaraina, azonareo atao ny manao izany amin'ny fandefasana SMS any amin'ny laharana 0326705819, na mail amin'ny cyclonegiovanna@gmail.com, na mameno ity formulaire ity ao amin'ny vohikala, na mamoaka izany amin'ny twitter ka ampiasàna ny tenifototra #giovanna.