Maldives: Voamariky ny Herisetra

Nandray kihon-dalana mahatsiravina ny olana politika ao Maldives tamin'ny Alarobia teo rehefa nodarohan'ny polisy an-kerisetra sy noratrainy ireo mpanohana ny filoha teo aloha, Mohamed Nasheed, teo ampanaovana hetsi-panoherana manohitra ny lazain-dry zareo ho fanonganam-panjakana nahatonga ny fanesorana teo amin'ny fitondrana ny filoha voalohan'ity nosy ity voafidy tamin'ny fomba demaokratika. Tanatin'ireo korontana taorian'io, ireo mpanohana an'i Nasheed dia nandoro sy namotika tobin'ny polisy vitsivitsy, fitsaràna, biraon'ny filankevitry ny tanàna sy tranobem-panjakana hafa. Polisy am-polony maro ihany koa no naratra tamin'ireo herisetra.

Vao maraina be tamin'io andro io, tao anaty famoriam-bahoaka nataon'ny antoko Maldivian Democratic Party (MDP), antoko izay nandresy tamin'ny fifidianana voalohany nandraisan'ny antoko maro anjara tao Maldives tamin'ny 2008 ary nitondra an'i Nasheed ho eo amin'ny fitondrana, ilay filoha voaongana dia nanambara fa ny fialàny tamin'ny Talata dia an-terisetra.

“Hiverina eo amin'ny fitondrana indray izahay,” hoy i Nasheed. “Tsy hihemotra izahay. Tsy hanaiky velively iny fanoganana iny aho ary hitondra ny rariny ho an'ny Maldiviana.”

Nandefa entona mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny polisy. Sary avy aminà mpaka sary tsy nitonona anarana, ary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlany.

Avy eo i Nasheed sy ireo mpanohana azy dia nanao diabe namakivaky an'i Male renivohitra ary nifanehatra tamin'ny rindrin'ny polisy taorian'ireo sakana napetraka teo akaikin'ny kianja lehibe ao amin'ilay nosy, izay tena eo akaikin'ny toby miaramila sy ny polisy. Nitoraka tavoahangy sy vato nankany amin'ireo polisy ny mpanao hetsi-panoherana raha ireo polisy kosa nitifitra entona mandatsa-dranomaso nankany amin'ireo vahoaka. Ny fifandonana teo amin'ny roa tonta dia niafara tamin'ny famoretana mahery vaika nataon'ny polisy, nitondra tany amin'ny rà latsaka teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nalefa haingana tany amin'ny toeram-pitsaboana. Anisan'ireny naratra ireny ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta sy mpitarika ambony avy ao amin'ny antokon'i Nasheed.

FreedomWatchMV dia nampakatra ity lahatsary ity avy amin'ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny mpanao hetsi-panoherana.

Lahatsary iray hafa no mampiseho polisy nitaritarika mpikambana avy amin'ny parlemanta sy i Nasheed hivoaka toeram-pivarotana iray taorian'ny nanaparitahana ny olona. Navotsotra i Nasheed taorian'ny resaka nifanaovan'ireo polisy mikasika ny amin'ny tokony na tsy tokony hisamborana azy. Ity lahatsary ity dia maneho lehilahy iray mihoson-drà nitantara ny daroka nataon'ny polisy azy.

Yameen dia mibilaogy mikasika ireo hetsika izay nitranga tao Male':

Misy ezaka mahery setra avy amin'ny departemantan'ny polisy haingam-pihetsika mba hamotehana ny fihetsiketsehan'ireo mpanohana ny Filoha Nasheed, taorian'ny namotsorana azy omaly.

Izaho manokana dia nanatri-maso ny tetikady mavesatra nampiasaina hiadiana tamin'ireo mafàna fo avy amin'ny MDP, nahazo hery tamin'ny namotsorana ny Filoha  Nasheed vao marainan'ny androany, taorian'ny fanonganam-panjakana omaly nanery azy hametra-pialana.

Nampiasaina fahatàny ny entona mandatsa-dranomaso tao Orchid magu teo akaikin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony. Olona roa no voadaroka sy navela hitsirara teo amin'ny arabe nandritra ny fotoana ela, talohan'ny nitarihana azy sy nampidirana azy ho ao anaty fiara mpamonjy voina.

Avy eo aho nahita jeep an'ny polisy nisosososo nankany anivon'ireo mpanao hetsi-panoherana marobe. jeep an'ny police. Mendrika ho helohana tanteraka.

Herisetran'ny polisy tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana. Sary avy amin'olona tsy nitonona anarana, nampiasaina rehefa nahazoana alàlana.

Muju Naeem dia manontany tena raha toa i Maldives ka nivadika ho jadona miaramila.

Ka raha tsy nanome ny baiko izany ny Filoha Waheed, dia azontsika antoka fa nanao izay hitsin'ny lohany izany ireo mpitandro filaminana. Ny dikan'izany dia mikisaka mankany amin'ny jadon'ny miramila/polisy isika izay mijanona ho anarana fotsiny sisa  ny an'ny mpanatanteraka.
Lasa fanjakana polisy i Maldives.
Ireo Maldiviana mpampiasa Twitter dia nanomboka nampiasa tenifototra 3 mba hilazana ny tantarany. Iangaviana ianareo hanaraka ny ;
1. #maldivespolicestate
2. #mvprotest
3. #mvcoup

Taorian'ireo hetsika tao an-drenivohitra, ireo mpanohana an'i Nasheed dia namaly tamin'ny fanaovana korontana tany amin'ireo nosikely manodidina, nandoro tobinà polisy, nitora-bato ny polisy amperinasa ary nandoro fitsarana sy tranom-panjakana maro hafa. Tany aminà nosikely vitsivitsy dia navoakan-dry zareo ireo polisy ary nogiazany ny tobin'ny polisy.

Ireo Maldiviana sy ny vahiny dia samy nibitsika ny vaovao momba ireo onjan-kerisetra namely ny faran'ny herinandro fialantsasatra.

foram divrania mibitsika hoe :

@divrania: Fiadanana ho an'i Maldives..kanto loatra tsy mendrika ny resaka politika sy herisetra ianao.

Nattu mibitsika hoe :

@reallynattu: “@hisherm: Tsy manohana antoko politika itsy sy iroa aho. Maldives no tohanako.” Ny Tenako koa ao anatiny!

Rivotra somary henjankenjana ihany no niainana ny Alakamisy teo tao an-drenivohitra ka nahatonga ny olona ho mailo mikasika izay mbola  mety hitranga. Tao anaty tafatafa iray ho an'ny mpanao gazety, ireo kaomandy ambony ao amin'ny polisy sy miaramila dia nanome toky fa hiverina ny filaminana ary nampanantena ny hanadihady mikasika ireo herisetra ny andro talohan'io.

Tamin'ny resaka nataony ho an'ireo mpanao gazety tany amin'ny toeram-ponenany, Nasheed dia nilaza fa noterenà olon'ny tafika vitsivitsy izy hametra-pialàna satria mihoko manohitra ny fitondrany ny herin'ny polisy eo  amin'ny firenena. Amin'ny fangatahana fifidianana vaovao, nilokaloka ny hiverina eo amin'ny fitondrana izy ary nanome toky fa tsy manana eritreritra ny haka fitondrana amin'ny alàlan'ny korontana an-dalambe. Nohelohiny koa ny herisetra nataon'ireo mpomba azy tany amin'ireo nosikely samihafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.