Brezila : Nampitokona Tsy Hihinan-kanina Mpikatroka Ny Lahatsary “Afenina” Momba Ny Any Pinheirinho

Zava-nitranga tany Brezila ary nalaza amin'ny hoe ‘Fandripahana tany Pinheirinho‘  ny fandroahana tamin-kerisetra ireo olona mahantra an'anarivony hiala ny trano fonenany miorina eo amin'ny tanin'ny fanjakana bankirompotr'i Naji Nahas tamin'ny 22 janoary 2012.

Nalaina sary sy an-tsarimihetsika amin'ny endriny maro samy hafa iny zava-niseho iny : ny andro mialoha ny fandroahana mihitsy, ny fotoana nampikoropaka ny mponina tao an-tanànan'i San José dos Campos ao Sao Paulo rehefa niharan'ny herisetran'ny polisy, hatramin'ny resaka nifanaovana taorian'ny fandroahana ireo mahantra anaty fialofana tsizarizary gidrain'ny polisy heverina mba hiaro azy.

Tsy nitsahatra ny tatitra mikasika ny fanararaotam-pahefana sy herisetra diso tafahoatra, na koa fanadihadihana mikasika ireo olona maro noratraina ary maty mihitsy aza ny sasany, kanefa tsy nisy mihitsy ny tatitra avy any amin'ireo hôpitaly sy ireo sampan-draharahan'ny fahasalamana any an-toerana (IML). Ilay mpitolona  Pedro Rios Leão [pt] dia tao an-tanànan'i São José dos Campos ary nitafa tamin'ny olona ampolony, teo anoloana fakantsary niresaka ny fisian'ny maratra sy maty kanefa nafenin'ny tompon'andraikitra tao an-tanàna sy ny fanjakana.

Mitokona tsy mihinan-kanina i  Leão, mifatotra rojo manoloana ny anankiray amin'ireo fidirana ao amin'ny fahitalavitra Globo  [pt] any Rio de Janeiro, manameloka ireo media ho niray tsikombakomba tamin'ny “fandripahana” satria nanafina ny tena zava-niseho marina na nanao izany ho toy ny ara-dalàna Leão is now on hunger strike, chained in front of one of the entrances of the TV Globo television station [pt] in Rio de Janeiro, accusing the mainstream media of complicity in the “massacre” for having hidden the events or treated them as normal.

book user Rodrigo Ajooz, used with permission. On the sign one can read "For the deceased of Pinheirinho".

Pedro Leão mitokona tsy hihinan-kanina ao Rio de Janeiro. Saripika mpisera Facebook Rodrigo Ajooz, nahazoana alalana. amin'ny marika iray misy soratra manao hoe "Ho an ny maty ao Pinheirinho".

Ao amin'ny lahatsary ‘Eu queria matar a presidenta: depoimentos da guerra civil brasileira‘ (Te hamono ny filoha aho : fanambarana avy amin'ny ady an-trano Breziliana), nanambara i Leão fa ara-drariny ny finiavana te hamono ireo olona nitondra fahafatesana ny vahoaka. Nisy tononkalo mampihetsi-po nosoratan'i Antônio da Silva [pt], mponina voaroaka tany Pinheirinho, eo amin'ny fiandohan'ny lahatsary.

Tsy ny any ambany tanànan'i Sao José dos Campos fotsiny izay fantatra amin'ny anaram-bositra hoe :  ‘São José dos Campos de Concentração’ (Tobin-gadran'i São José)  no tondroin'i Leão  fa ny fanjakana sy ny fitondrana federaly amin'izay heveriny ho tompon'andraikitra tamin'ny fandripahana olona tany Piheirinho. Nihantsy ady amin'ny firaisana tsikombakomba fampijaliana ny vahoaka tsy manan-kialofana izy ary niangavy ny filoha Dilma Roussef handray andraikitra.

Mampiseho ny tahotry ny mponina manoloana ireo herisetra mianjady aminy ny lahatsary, ary manangona ireo fitarainana maro ilana fanadihadihana maika. Notifirina sy nandarohana baomba ny trano fiangonana nialofan'ireo tambanivohitra – na dia nisy aza ny fandavan'ny pretra tao an-toerana izay nandroaka [pt] ireo olona ireo – ary teo akaiky teo nahitana fatin-dehilahy niapatra novonoin'ny tafioka nanani-bohitra an'i Pinheirinho. Ao amin'ny lahatsary ho andrenesana tatitra miverimberina momba ireo faty “tsy hita” izay nasian'ny IML azy:

Rohy ao amin'ny YouTube no ahitana lahatsary iray mampiseho ny fitokonana tsy hihianan-kanina nataon'i Leão sy ny teny nambarany nanazavany ny anton'ny fitokonana ataony (tapany voalohany):

Indro ny tapany faharoa, miaraka amin'ny resadresaka nifanaovan'i Leão.

Ny fikambanana Coletivo de Comunicadores Populares (Fikambanan'ny Mponina Ambanivohitra) [pt], mandrafitra ny tanànan'i Campinas, ao amin'ny fanjakana Sao Paulo, naka sary sy namoaka ny ‘O Massacre de Pinheirinho: A verdade não mora ao lado‘ (Fandripahana tao Pinheirinho : tsy lavitra ny marina), mandraka ankehitriny mbola azo jerena amin'ny teny anglisy, Espaniola ary frantsay.

Hitan'ny olona maherin'ny 190 000 ity lahatsary ity, miaraka amin'ny resaka nifanaovana tamin'ireo olona nesorina niala tao Pinheirinho izay nanameloka ny fampijaliana nataon'ny polisy nandritra ny andro voalohany nanesorana azy ireo. Ao ohatra ny famafazana vovoka sakay sy poavra tamin'ny zaza amam-behivavy sy ny vehivavy bevohoka, ny fanalam-baraka, ny fandrahonana, ny baomba mandatsa-dranomaso, sy ny baomba nokendrena hamotehana ny ara-môraly. Hita ao koa ny fijoroana vavolombelona nataon'ny olona maro, izay voaroaka tamin'ny trano fonenany ary tsy manana zo hiditra ny tranony intsony haka ny taratasy momba azy, ao amin'ny faritra nofaritan'ny kaominina hanoratana ireo fianakaviana nafindra monina.

Asehon'ny lahatsary koa ny endrika fanalam-baraka iainan'ireo tsy manan-kialofana mialokaloka amin'ny trano fiangonana iray sy fialofana hafa. Raha fintinina, mamehy ny endrika fitsarana sy politika ao ambadik'iny zava-niseho iny ny fikambanana ara-piarahamonina, manameloka ny fanjakana ao Sao Paulo sy ny mpitsara any an-toerana ho nivarotra antoka tamin'i Naji Nahas efa bankiropitra, ary tsy mieritreritra ny tombotsoan'ny vahoaka:

Nisy ny resadresaka nifanaovan'ny fikambanana tamin'ireo fianakaviana voaroaka ireo iray andro mialohan'ny fandroahana, ny sabotsy 21 janoary, taoriana kelin'ny saika nahazoana ny tany sy ny trano satria noteren'ny fanjakana ny polisy hanajanona izany. Ny lahatsary nomena ny anarana hoe ‘Onde estarão os Nobres? Uma família de Pinheirinho 1 dia antes do Massacre‘ (Aiza ny mpanankarena? Fianakaviana iray tany Pinheirinho 1 andro mialohan'ny fandripahana) dia mitantara ny zavatra mahazatra iainan'ny mponina sy ny tahotra niainany koa satria ho very ny fananany rehetra:

Ny fikambanana Los solidários [pt], izay naka ny anarany ho fahatsiarovany ny fikambanana tsy refesi-mandidy niasa tany Barselona tamin'ny 1920, no nanangona sary mampiseho ny herisetra nampiharina tamin'ny mponina nandritra ny fandroahana azy ireo ary araka ny fanambarana nataon'ny Kapiteny Antero ao amin'ny polisy, izay sady lehiben'ny serasera ao amin'ny praiministra, natao hanehoana ireo tsy fitoviana teo amin'ny zava-nisy marina sy ny kabary natao tao amin'ny sary mihetsika iray atao hoe ‘O Pinheirinho é do povo! — crônicas do terrorismo do Estado‘ (An'ny vahoaka i Pinheirinho ! – tantaran'ny fampihorohoroana ataon'ny fanjakana).

Niresaka tamin'ireo mponina tany an-toerana koa ity fikambanana ity ary nilaza fa nisy tamin'ireo olona voaroaka tamin'ny tranony no novonoina ho faty, ary nafenin'ny manam-pahefana ny razana. nanontany tany amin'ny hôpitaly koa ny fikambanana ny amin'ireo olona naratra sy maty kanefa niala maina, ary nasehony koa ny ahiahy amin'ny ho avy tamin'ireo olona voaroaka ny alin'ny nandroahana azy:

Nanao lahatsary roa ilay mpitolona Hiure Anderon izay nalefany tao amin'ny YouTube , mampiseho fijoroana vavolombelona nataon'ireo reny voaroaka  tany Pinheirinho, izay ny ankamaroany niaraka amin'ny ankizy madinika na bevohoka:

Ilay mpiangaly rap Davi Perez dia namoaka hira  [pt] hanomezam-boninahitra ireo niharam-boina tamin'ny “fandripahana tany Pinheirinho”, navoakan'ny blaogy ” Fiarahana amin'ny Pinherinho voazanaka”. Ilay blaogera Albuquerque mandritra izany rehetra izany, nanamboatra lisitra  mampiseho ireo lainga folo mikasika an'i Pinheirnho amin'ny teny anglisy sy Portiogey.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.