Okraina : Sarintany “interactif” Amin'ny Aterineto Manampy Amin'ny Ady Amin'ny VIH

Ambony dia ambony ny tahan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH any Ukraine. Mba handinihana izany olana izany, ny Mpanao Asa Soa Okrainiana tsy miankina, Elena Pinchuk ANTIAIDS foundation miara-miasa amin'ny Biraon'i Google Okrainiana  dia namorona tolotra sosialy vaovao maps.antiaids.org tamin'ny 1 Desambra 2011, Andro iraisam-pirenena hiadiana amin'ny SIDA. Izany tolotra vaovao izany dia hanampy ireo Okrainiana mpampiasa aterineto hahita amin'ny fomba tsotra sady haingana ireo toerana fitiliana VIH any amin'ny faritra misy azy, ary koa ireo toeram-pivarotana fimailo.

Nitatitra ny vohikalan'ny ANTIAIDS foundation fa noho ity tetikasa ity sambany vao misy any Ukraine dia misy “angona” iray noforonina ahitàna toerana 927 fitiliana  VIH.

Tsy ny adiresin'ny toerana ihany no asehon'ity sarintany “interactif”  ity fa ny laharan'ny telefaonina sy ny ora fisokafany ihany koa. Milaza ihany koa izy raha natao ho an'ny daholobe ilay toerana na mila mampiseho karatra. Hita ao amin'izany “angona” izany ny toerana 173 fanaovana fitiliana haingana, izay ahazoana valiny ao anatin'ny 15-20 minitra.

Ankoatr'izay dia misy sampana “FAQ” (fanontaniana mateti-pipetraka) ihany koa io vohikala io, izay ahafahan'ny mpampiasa azy mahazo ireo fanazavana rehetra ilaina ho an'ny fitiliana VIH, tahaka ny hoe miandry hafiriana eo ho eo vao azo ny valin'ny fitiliana, azo atao ve ny maka izany amin'ny mailaka na antso an-tariby, ohatrinona ny vidiny, inona avy no atao amin'ny fitiliana ary ahoana no tokony hamakiana ny valiny, inona no tokony atao raha miabo na miiba ny valin'ny fitiliana.

Tsy amin'ny aterineto ihany no ahitàna izany fanampim-panazavàna izany fa koa ao amin'ny laharana “hotline” nasionaly ho an'ny VIH/SIDA.

The sarintany ho an'ny milina mivarotra fimailo dia manampy ny mponin'ireo tanàn-dehibe Okrainiana hahita ny toeram-pivarotana akaiky azy indrindra sy hahazo fanampim-panazavana amin'ny fomba fampiasa azy. Ny tombontsoan'ny milina dia tsotra izy no sady haingana, ary afaka mividy izany an-kiafina ny olona, tsy misarika ny mason'ny hafa ary tsy misy fifaneraserana amin'ny mpitan-tsena tahaka ny any amin'ireo toeram-pivarotana lehibe na fivarotam-panafody, hoy ny vohikala ANTIAIDS mitatitra.

Araka ny Blaogin'ny Google Okraina ny laminasa manaraka omanin'ity tetikasa ity dia ny fametrahana fivezivezena an-tsarintany nohatsaraina  sy ny fanomanana izany tolotra izany ho an'ny finday.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.