- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire: Mandrahona ny Sampam-pitsikilovan ireo Mpijirika Taorian'ny Fisamborana Mpanao Gazety

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Nosamborina ny mpandrindra famoahan-dahatsoratra ao amin'ny gazety ivoariana Le Patriote, Charles Sanga, tamin'ny 31 Janoary 2012 taorian'ny nanambaran'ny gazetiny fa nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàm-panorenana any Côte d'Ivoire fa hanafoana ny valin'ny fifidianana parlemanta [1] natao tsy ela tany amin'ny distrika 11.  Milaza [2] ny gazety ivoariana Nord-Sud fa navotsotra izy rehefa notànan'ny Fiadidiana ny Fandriampahaleman'ny Tany sy ny fanjakana (DST) nandritra ny 24 ora.

Nangatahan'ny Sampam-pitsikilovana ihany koa ilay mpanao gazety nanoratra ny tantara, Jean-Claude Coulibaly, ny hamborahany ny loharom-baovao.

Talohan'ny namotsorana azy dia niteny ny Reporters without Borders [3]:

Raha nandika lalàna ny Le Patriote tamin'ny fianitsahany ny fepetra napetraky ny manam-pahefanam-panjakana mpamoaka vaovao, dia afaka saziana izy, fa tsy amin'ny fampidirana am-ponja ny mpandrindra lahatsoratra na ny mpanao gazety nanoratra izany (…) Araka ny lalàna mifehy ny haino aman-jery any Côte d’Ivoire nivoaka ny 2004, tsy azo gadraina noho ny “délits de presse” ny mpanao gazety, ka tokony havotsotra i Charles Sanga. Ankoatr'izay, mandika ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ny faneren'ny DST azy hamboraka ny loharanom-baovaony.

Fanafihan'ny “Anonymous” (tsy mitonona anarana)?

[4]

saron-tava 'Anonymous'. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, luccast85 (CC BY 2.0).

Ora vitsy taorian'ny nisamborana an'i Sanga, nitatitra ilay vohikalam-baovao Les grandes oreilles [5] (Ireo Sofina Be) fa nampitahotra ny hanafika ny DST ireo mpijirika izay manambara ny tenany ho anisan'ilay vondrona maneran-tany “Anonymous [6]“, ary nilaza fa  hamoaka antontan-taratasy mifono tsiambaratelo an'ny Sampam-pitsikilovana, raha tsy avotsotra ilay mpandrindra lahatsoratra. Nisy kaonty Twitter anonymous  (@An0nym0usLeader [7]) vaovao tsy mbola nanana afa-tsy mpanaraka latsaky ny 30, nilaza hoe:

@An0nym0usLeader [8]: Libérez Charles Sanga, directeur du journal Le Patriote. Dans 24H nous publierons des documents de la DST ivoirienne #anonymous #cotedivoire

Avotsory Charles Sanga, mpandrindra lahatsoratra ao amin'ny gazety ‘Le Patriote’. Havoakanay afaka 24 ora ireo antontan-taratasin'ny DST ivoariana #anonymous #cotedivoire

Nivoaka tao amin'ny Pastebin.com (vohikala afaka amoahan'ny rehetra lahatsoratra) ireo antontan-taratasy [9] nolazain'ilay kaonty Twitter fa nangalarina tamin'ny DST, anisan'izany ny lisitry [10] ny anaran'ireo voalaza fa mpiasa miafina an'i DST sy ny laharan'ny “plaque d'immatriculation” [11] ampiasain'ny sampam-pitsikilovana. Tamin'ny 1 Febroary ny hafatra farany nivoaka tao amin'io kaonty Twitter io.

Tao amina lahatsoratra manokana momba ny fisamborana an'i Charles Sanga, nilaza ny Nord-Sud [2] [fr]:

A quand la fin de l’arrestation des journalistes pour leurs écrits en Côte d’Ivoire ? Le gérant et directeur de publication du quotidien Le Patriote, Charles Sanga, a été relâché, hier, après 24h de détention à la Direction de la surveillance du territoire (Dst), au Plateau. Ce, après une audition qui a duré plus de deux heures. (..) La situation a inquiété de nombreux hommes de presse qui se posent des questions sur la liberté de la presse sous le régime Ouattara.

Rahoviana vao hitsahatra ny fisamborana mpanao gazety aty Côte d'Ivoire noho ny  lahatsoratra nosoratany? Navotsotra omaly ny mpandrindra lahatsoratry ny gazety Le Patriote, Charles Sanga, rehefa notazonina 24 ora tany amin'nydepartemantan'ny Filaminana Anatiny, any amin'ny distrikan'ny Plateau. Naharitra ora roa ny fakàna am-bavany azy (..) Manahirana ihany izao toe-javatra izao ho an'ireo mpanao gazety maro manontany tena ny momba ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety eo ambany fitondràn'i Ouattara.