Lahatsary Misongadina: Mozika, Tetikasa Ho An'ireo Zanatany, Hatezerana Ary Zava-mahagaga

Ny tanjon'ity fizarana ity dia ny hampiseho ireo lahatsoratra nahaliana sy vaovao ao amin'ny Global Voices izay maneho ireo fomba maro anampian'ireo lahatsary ny olona amin'ny fitantarana tantara manerana izao tontolo izao. Azonao arahana anatin'ny fantsona YouTube ireo hetsika isam-paritra , na avy amin'ny alàlan'ny fanindriana ireo rohy fitarihana mifandraika amin'ny faritra.

Ireo hetsika Ara-javamaneno Zanatany

Amerika Latina

Brazil: Cultural Debate as ‘Oh if I Catch You’ Song Goes Global

Nampiditra adihevitra iray eo an-dalàm-pahatanterahana any Brezila ny mozika, satria tonga saina ny mpampiasa aterineto fa manana masoivoho ara-kolontsaina vaovao ry zareo izay mety ho tsy nofidiany akory. Amin'ity raharaha ity, ny hiran'i Michel Teló ‘Ai se eu te pego‘ izay tsy hoa fotsiny lasa hira faneva fihira eny rehetra eny mandritra ny lanonan'ny faran'ny taona, fa ihany koa niampita ny sisintany, ary nahazo mihitsy aza ny dikanteniny amin'ny teny Anglisy, Poloney ary Holandey.

Peru: Cápac Raymi,  Ny Krismasy Andean

Any Pero, mbola velona ny kolontsaina Inkana (Incan) any amin'ny ankamaroan'ny faritra Andeana, ary fotoana hampiraisan'izy ireo ny soatoavin'ireo Ntaolo Kolombiana ny Krismasy miaraka amin'ireo fety Krisitianina. Tanterahana ny Desambra ny Fankalazana ny Capac Raymi izay mifanandrify amin'ny “Solstice”n'ny Ririnina ary manome voninahitra ny Masoandro. Na dia tsy dia misy mpanao firy intsony tahaka ny nandritra ny vanim-potoana nanjakan'ireo Inka aza io andro fialantsasatra io, nivadika ho Krismasy Andeana izany, izay ihiran'ireo  antokom-pihiran'ny Krismasy amin'ny teny Quechua miaraka amin'ireo zavamaneno sy dihy Andeana:

Vondrona ara-kolontsaina iray hafa matanjaka any Pero ny vondrom-piarahamonina Afro-Peroviana ary namela ny dian-tongony ihany koa izy ireo amin'ny fomba fankalazàn'ny Peroviana ny Krismasy:

Peroa: Mozika Krismasy Afro-Peroviana

Maneho taraina ny hira “Black Christmas”(Krismasy Mainty)  nataon'i Cesar Calvo, izay hirain'izy ireo ho an'i Jesoa Zazakely izay teraka tanaty tranon'omby, saingy ahitana fahasamihafana kely, mainty tahaka ireo olona manodidina azy izy :

Voasasan'ny alina
Toa ahy sy ianao
Teraka teo anivon'ireo mainty hoditra
ilay Jesoa zazakely.

Aza midina ianao, ry zaza,
Avy eo amin'ny Alitaranao,
Amin'ny tahotra ny
ho kapohan'ny lehibenao.

http://youtu.be/V39J6wN6LAQ?t=41s

Venezuela: The Essence of African Music in Videos

Manana tanjaka mahery ihany koa ny lova Afrikana any Venezoela eo amin'ny lafiny mozika, ary ny lahatsary ao anaty aterineto dia nampiasaina hanapariahana ny fahalalàna fonosin'ny kolontsain'ny Afrikana miaina ivelan'ny tanindrazana sy ny Karaibiana Afro-Venezoelana .

Misy mpanao gazety amin'ny alàlan'ny lahatsary tonga avy any Kanada miaraka aminà tetikasa iray: hitsidika firenena iray isan-kerinandro sy hitahiry ny tantaran'ireo vitsy an'isa zara raha misy mpiteny.

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

Hatreto dia mbola manangom-bola ho an'ity fitsidihana haharitra taona iray ity izy izay tokony hitahirizany, hamoahany ary hamokarany lahatsary fanadihadiana fohy avy eny an-dalana. Misy lahatsariny fohy iray mampiseho ny fitsidihany ireo vondrom-piarahamonina vazimba any Embera ao Panama izay manome topi-maso mampanantena antsika momba ny karazan-javatra homeny vantany vao vita ny tetikasany:

Video: Media anaty aterineto avy amin'ny sy ho an'ny Vahoaka Vazimba

Jereo ny lisitr'ireo horonantsary 12 mendrika ny ho jerena momba ireo olan'ny vazimba zanatany izay nozarain'ny Indigenous Cry.

Hatezerana

Any Goatemala, hipoky ny hatezerana ny olona taorian'ny famborahan'ny fanaovan-gazety fanadihadiana fa misy ireo ankizy latsaky ny 14 taona miasa ao amin'ny tanimboly fambolena fary an'ny Talen'ny Tranoben'ny Tantsaha. Tena mila hery be ny fanapahana fary na ho an'ny olon-dehibe aza izany, ary tena mifanohitra amin'ny firoborobon'ny orinasa fanodinana siramamy ny fepetra iasan'ireo mpanapaka fary.

Goatemala: Fampiasana Ankizy Any An-Tsaha Fambolena Fary

Ilay lahatsary, mody natao tamin'ny anaran'ny tetikasa fakana sary iray mba haka sary amin'ireo kamera efa antitra dia mampiseho ireo mpiasa, anatin'izany ireo ankizy izay miasa andro lava nefa tsy ahazoana na dia ny karama farany ambany aza:

Any Brezila, misy izany hatezerana izany noho ireo fandroàhana an-terisetra anatin'ny antsoina hoe famonoana feno habibiana:

Brazil: Miteraka fitroarana ny “Vonomoka natao ireo Pinheirinho”

Nitatitra ny Mpitatitra Manokan'ny UN sy Mpahay momba ny tanan-dehibe,  Raquel Rolnik :

Lehilahy, vehivavy, ankizy ary zokiolona an'arivony ireo mponina ao amin'ny toerana Pinheirinho no gaga tamina nahitana helikoptera, fiara mifono vy sy lehilahy maherin'ny 1.800 mirongo fiadiana ary mpitandro filaminana. Ho fanampin'ny fanakanana ny fivoahana ao amin'io toerana io, notapahana ihany koa ny rano, ny jiro sy ny finday, ary ny baiko tamin'izany dia ny hivondronan'ireo fianakaviana mba hanombohana ny dingana fisintahana. Nidrinkina hanohitra – satria nahantona hatramin'ny Zoma ilay fakàn'ny fanjakana ny tany indray – tsy nanaiky ny baiko ireo mponina, nahatonga toe-javatra feno herisetra mahatsiravina izay naharitra andro iray manontolo ary niafara tamin'ny fisian'ireo tsy manan-kialofana, olona naratra, fisamborana ary romoromo, anatin'izany ny fisian'ireo fahafatesana.

Azia Atsinanana

Manjary misafoaka ireo mponina any Hong Kong: ireo fifandonana ara-kolontsaina misy dia mahatonga ny vahoaka sy ny mpitoraka bilaogy anatina toeran-tsarotra izay mahatonga ny hetsika rehetra karakaraina ho antony mitarika hatezerana avokoa  :

Shina sy Hong Kong: Saritaka Avy Aminà Resaka Fiarandalamby Nahatonga Hatezerana HatranyAmbadiky ny Sisintany

Averin'i Hong Kong dinihana Ny Fifandraisany Amin'ny Tanibe Shina

Raha mitaraina momba ireo loharano midadasika sy ny tapoaka ara-toekarenan'izy ireo ny mpitoraka bilaogy any Hong Kong, ny fahitana ireo teratany any amin'ny Tanibe tahaka ny mpiditra an-tsokosoko sy ny fizarana ireo lahatsary arahana feon-kira izay hampitahana ny teratany Shinoa amin'ny valala, ireo hafa tahaka ny Grey Reporter kosa dia mahita fa na ny andaniny na ny ankilany dia samy voatohina amin'izany rafitra izany :

Amin'izao fotoana izao, miara-mizaka ny anjara mitovy ireo teratany avy any Hong Kong sy ireo tompon-tany – mba  hamarànana ny fitondrana tsy refesi-mandidy ataon'ny Antoko Kaominista Shinoa sy ny fifandonana misy eo amin'ny mpanana sy ny matanjaka.

Zava-mahagaga

Afovoany Atsinanana & Afrika Avaratra

Jordania : Avia Avia Fanala ô!

Nanery ny olona hanifikifika ny findainy sy hanadihady ny filatsahan'ny fanala efa  nandrasana ela ny fanala any Jordania, na tsy nipetaka aza izany.

http://youtu.be/jlX7_mEPf8Y

Nefa raha anatina toerana izay hipetahan'ny fanala ianao, maninona raha mitsidika ny lahatsary torolalàna mikasika ny fomba fanamboarana igloo miaraka amina fanala sy antsy fotsiny ihany?

Eoropa Atsinanana sy Afovoany

CEE:  “Trano Iray Azo Antoka” sy Igloo iray

http://vimeo.com/sooli/iglu

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.