Kyrgyzstan: “Tsy Hisy Ririnina Amin'ity”

Midoboka ireo governemanta, mivezika etsy eroa ireo mpitarika parlemantera ary satria rehefa tapitra ny vanintaona iray dia manomboka kosa ny iray hafa. Izany, farafaharatsiny, no noheverin'ireo Kyrgyz  mpampiasa aterineto talohan'ny fanambarana miezinezina nataon'ilay mpifaninana ho floham-pirenena teo aloha Arstanbek Abdylayev fa hoe “tsy hisy ririnina amin'ity”.

Abdylayev, izay latsaky ny 1% ny isam-bato azony tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tsy ela akory izay,  dia nanolotra “fahitàna avy eny amin'ny habakabaka” momba ny “fanombohana vanimpotoana iray vaovao entin'ny Kyrgyz, manomboka amin'ny 2012” ho an'ireo mpanao gazety mpankafy zava-mahatsikaiky, nony nivoaka ny vavany izany fehezanteny izany. Tanaty andro vitsy monja, ilay lahatsary nifampitafana tamin'ny mpanao gazety dia niparitaka be  ao anaty aterineto, ary ireo  Kyrgyz mpampiasa Gmail sy Facebook avy hatrany dia nanova ny mombamomba azy ireo tamin'ny  “Зима не будет “, na “tsy hisy ririnina amin'ity”.

Arstanbek Abdylayev

Arstanbek Abdylayev

Raha toa ilay fisehoana ka hikendrena izay hampakarana ny lazan'i  Abdylaev bebe kokoa sy ny antokony “Ho an'ny Vahoaka”, dia tena fahombiazana mivaingana izany, miaraka amin'ireo vaovaon'ny faminaniany toy ny an'i Nostradamus izay niantraika tetsy sy teroa  any antsefantsefan'ny aterineto miteny rosiana any. Araka ny ambaran'i Meerim Nazarova [ru] ao amin'ny famoaham-baovao tsy miankina Kloop.kg:

Ampahan-tsary [avy amin'ilay tafatafa ho an'ny mpanao gazety] avy any Kyrgyzstan dia nahazo laza be lavitra tamin'ny alàlan'ilay seho Rosiana [mahatsikaiky] anaty aterineto hoe “Tsara izany”. Stanislav Davydov, tao amin'ilay seho dia nanamarika tamin'ny fomba manaraby ilay lahatsary nalefa ho any aminy. Ny sehon'i Davydov dia efa nisy olona maherin'ny iray tapitrisa no nijery azy.

Davydov, ny mitovy amin'ny Russell Brand ho an-dry zareo Rosiana, dia somary kivetaveta ihany tamin'ny firesany [ru, en], tamin'ny namaritany an'i Abdylaev ho sahala amin'i “Hitler Kyrgyz” noho ny fitarainana mahabe resaka nataon'ilay mpanolotsaina azy Mirlan Asakeev fa hoe “tany amin'ny Kyrgyz no niandoha ny fiainana”. Avy eo dia indroa i  Davydov no namerina ilay ampahan-tsarin'ny mpitarika ny “Ho an'ny Vahoaka” nilaza fahitàna fa hisy tondradrano mahatsiravina hahazo ny Tandrefana ary ny fiovan'ny vanintaona tahaka izay efa ahafantaran'izao tontolo izao azy, talohan'ny namaranany fa hoe i Abdylayev dia “mpandainga, satria, araka ny fantatsika rehetra, dia efa mandom-baravarana ny ririnina”.

i Toxic959, mpampiasa YouTube, dia nampakatra hip-hop iray  ‘tambatra’ tena mahavariana sy mahasarika ahitàna ny sehon'i Abdylayev sy Asekeev eto.

Tsetsatsetsa tsy aritra fa ao Bishkek, efa mirotsaka izao ny ranomandry.

Fomba ratsy hiseraseràna amin'ny dahobe

Ao amin'ny blive.kg vavahady Kyrgyz famoahana lahatsary, tototra ny faritra natao ho an'ny fanehoan-kevitra. Ho strin'ny vinavinan'i Asakeev fa hoe tamin'ireo mponina tao an-jaridainan'i Edena dia  “63.5%” no Kyrgyz, greenrum, iray amin'ny mpampiasa blive, dia nanontany hoe :

“Taiza no nahitan-dry zareo ny ADM an'i Adama?”

“Vonoy any ireo adla be anankiroa ireo [Abdylayev sy  Asakeev]. Henatra ho an'ny firenena ry zareo,”  hoy i Scanner, mpampiasa iray hafa, niriatran-katezerana [ru].

“Angamba raha nandresy tamin'ny fifidianana ilehio, dia tsy ho nànana ririnina mihitsy isika,” hoy iny iray fahatelo, unbliver, nandefa fisainana[ru].

Saingy miaraka amin'ireo fandefahana sy fandrahonana ho faty, dia nisy endri-pahalainana nisonga teny anivon'ireo olobe manana ny toerany izay niomana ny hanao izay hahafahana miseho indray eo ambanin'ny jiroben'ny media.

“Ny tiako ho lazaina fotsiny dia hoe efa lasa manirikiry ny monina eto,” hoy i [ru] Blacky. “Aleoko lavitra rendriky ny tondradrano any Eraopa toy izay [mijanona] sy mifandray tsy tapaka amin'ny [hery Kyrgyz avy any amin'ny tsy taka-maso] AYAN!!! Mirary soa ho an'ireo zanak'i Adama!!!”

Ary sahala amin'ny hoe tsy ilay tafatafa mihoatra ny loha natao ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 6 Desambra no fotoana voalohany nahasarika ny sain'izao tontolo izao tamin'ny fitondrantena mivika ananan'ireo sangany eto Kyrgyzstan.

Ny Aprily 2011, Erica Marat, bialogera sady mpandalina ao amin'ny Jamestown foundation dia nanoratra hoe:

Leo an'ireo seho mitohitohy manozongozona ny fiaraha-mitantana, nanapa-kevitra nanao sorona ondry fito teo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta ireo MP Kyrgyz. Araka ny fomban-drazana any an-toerana, ny fanolorana ny ràn'ondry notapahan-tenda dia maharaoka ny demony tsy afaky ny olombelona noho ny ezaka nataon'ny tenany manokana.

Hetsika izay tsy nitondra nankaiza, satria ny marina dia misedra fisalasalàna indray mandeha indray ny mpitondra mpiara-mitantana ao Kyrgyzstan, nefa miezaka mametraka lohateny vaventy mahatsikaiky mandreraka ny firenena, tahaka ny an'ny New York Times’ “Kyrgyzstan: Sorona ho Famonjena Ny Domaokrasia”.

“Ilay Fomban-drazana Tsara Indrindra Erantany”

Ny dehaka iray hafa avy amin'i Abdylayev sy Asakeev dia ny hoe “i Kyrgyzstan no manana ny fomban-drazana tsara indrindra erantany.” Raha ny ankabeazan'ireo vahiny any amin'ny faritra manamafy ny fomba fandray tsara asehon'ireo Kyrgyz any ambanivohitra, izay matetika no e mandrakariva hanolotra kymyz iray lovia ho an'ireo mpivahiny diso làlana, dia zavatra iray hafa tanteraka amin'ny fomban-drazana eto amin'ny firenena no misarika ny sain'ny mpampahalala vaovao maneran-tany.

Araka ny lahatsoratra nivoaka ny 14 Novambra tao amin'ny  Voice of Russia [ru]:

Nambara ny fanombohan'ny iray volan'ny ady atao amin'ny  fakàna an-keriny ny ho vadiana ao Kyrgyzstan, izay, araka ny nambaran'ny mpanelanelan'ny repoblika, dia vinavinaina ho 15.000 hatramin'ny 16.000 eo no isan'ireo ankizivavy nisy naka an-keriny hatramin'izao… ireo manampahefana Kyrgyz dia hikarakara fihaonambe  miaraka amin'ireo mponina mba hanazava amin'izy ireny fa tsy ara-dalàna ny fanambadiana natao an-terisetra, ary koa hifanakalo resaka amin'ny polisy mikasika ny zava-misy. Heloka bevava ny fakana an-keriny izay tian-ko vady, na inona na inona antny aroson'ny olona hanamarinana izany.

Nefa lahatsoratra iray vao haingana nosoratanà tanora iray mpanao gazety ao amin'ny Kloop no maneho fa miatrika ady fiakarna ry zareo mba hampitàna ny hafany. Tanaty tatitra iray tena mandrabiraby, Azat Ruziev, Diana Rahmonova sy Bektour Iskender dia manome antsipirihany ny fomba nangalaran'olon-tsy fantatra mpianatra vavy iray tao an-tanàna ambanivohitr'i  Karakol, Kymbat Barkan kyzy, raha iny izy handeha hamonjy fandefasana sarimihetsika manohitra fampiharana ny fakàna an-keriny ny tian-ko vady iny indrindra.

Ho an'ireo tsy zatra loatra ny fomba fiditr'ilay heloka bevava, lahatsary iray tamin'ny 9 Desambra nataon'ny Vice News no manome varavaran-kely misokatra na dia somary ety ihany aza momba ilay tranga, raha toa kosa ny laharana faharoa amin'ilay gazetiboky Spektator amin'ny teny Anglisy ao Bishkek,  dia mitantara fakàna ankeriny iray izay ho fanambadiana nampisavorita-tsaina, niarahany tamin'i Anthony Butts, ilay mpanao horonantsary fanadihadiana sady mpanao gazety .

Ilay fikambanana mpiaro ny zon'ny vehivavy Equality Now dia nanampy hanomezana aina ilay fanentanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.