Koety: Nanjakan'ny Herisetra Ny Fifidianana Parlemantera

Nanatontosa ny fifidianana antenimiera, izay ahitana fari-pifidianana dimy, rafitra vao nolaniana tamin'ny 2006 ho setrin'ny hetsika notarihana mpamaham-bolongana, androany 3 Febroary 2012 ny tao Koety.

Tamin'ny fiandohan'ny volana desambra 2011, nitarika tany amin'ny fanoloana ny Praiminisitra Nasser Al-Mohammed sy ny rahalahiny tsy iray ray sy reny aminy Jaber Al-Mubarak mbamin'ny fandravana ny Antenimiera faninefany hatramin'ny  nanendrena voalohany an'i Al-Mohammed ny fihetsiketseham-panoherana naharitra roa taona. Hatramin'izay dia nitady fomba ny kandidà hahazo mpifidy.

Hatezeran'ny Foko

Olona mampiady hevitra hatrany ao anaty fiaraha-monina Koesiana i Mohammed Al-Juwaihel, kandidà nitady ny vintana ho lany tamin'ny farany teo, saingy nesorina satria tratra nanolikoly mpifidy. Taona maromaro lasa izay dia nitsikera ireo mizaka zom-pirenena roa izy, ka nampitaha azy ireny ho toy ny zavamaniry kantsentsitra  tsy azon'ny fireneny atokisana, ka tokony hesorina aminy ny fiazakana zom-pirenena Koesiana.

Dia fomba fiteny toy izany ihany koa no ataony amin'ny Koesiana Bidun tsy mizaka zom-pirenena ary manitsinitsy foko koesiana sasantsasany, izay mamaly bontana azy ihany koa.

Tamin'ny Alatsinainy 30 Janoary, nanao kabary nanompa foko iray antsoina hoe Al Mutair indray i Al-Juwaihel izay nolazainy fa “hohitsakitsahiny”. Taorian'ny kabariny, anjatony ny avy amin'ny foko Al Mutair no nizotra nankeny amin'ny tranolay manokana ho amin'ny fifidianana tany amin'ny faritra Al-idailiya, nihiaka, nanongotra ny afisiny mampivandravandra ny tarigetrany “Koety ho an'ny Koesiana.. ihany”, ary dia nandoro ny tranolay tamin'ny farany.

Ato amin'ity lahatsary nivoaka YouTube avy amin'i yasoo1985, no ahitana ny fanafihana ny foiben'i Al-Juwaihel, ahitana ireo lehilahy mpiray foko mandor azy, mankalaza sy mihiaka amim-pandrahonana:

Sary avy amin'ny mpisera Flickr Yasoo85 ahitana ny andian'olona mandoro ny foibe.

Namoaka sary nandoroana afo  ny foibe ihany koa ny mpisera Twitter @Abd_Rashed fa avy amin'ny joro hafa:

Election tent burning in Kuwait. Image by Twitter user @Abd_Rashed

Tranolaim-pifidianana may ao Koety. Saripika mpisera Twitter @Abd_Rashed

Ity sary navokan'ny mpisera Twitter @hwazn, mampiseho mpitandro ny filaminana naratra nandritra ny hetsika:

Injured security guard by Twitter user @hwazn

mpiambina naratra, sary navoakan ny mpisera Twitter @hwazn

Ity sary (navoakan'ny mpisera hanihany Twitter @Murad_ALm9ri) mampiseho ny foibe ny ampitso maraina:

Election tent the morning after. Image uploaded by @Murad_ALm9ri

Tranolaim-pifidianana ny maraina taorian io. sary navoakan i @Murad_ALm9ri

Ny andro manaraka, nampiseho fanohanana an'i Al-Juwaihel tamin'ny famelana voninkazo akaikin'ny foibe nodorana (saripika navoakan'ny mpisera Twitter @Nasser_Aleidan):

Image by Twitter user @Nasser_Aleidan

Saripika mpisera Twitter @Nasser_Aleidan

Fanafihana ny Haino Aman-jery

Ny talata, mbola tsy afa-po tamin'ny fanafihana ny alatsinainy ireo mpiray foko ary nitodi-doha hiditra amin'ny fantsom-pahitalavitra iray hanao mivantana saingy voasakan'ny mpiambina ry zareo. Diso fanantenana tamin'ny namoahan'ilay televiziona ny kabarim-panompana namely ny fokony nataon'i Al-Juwaihel ry zareo.

Taorian'izay dia nikasa hanafika tobin-tserasera hafa , Al-Watan, ry zareo raha teo ampampiadiana hevitra kandidà roa io toby io. Ny iray amin'ireo kandidà antsoina hoe Nabeel Al-Fadil manko dia mampiasa fomba fanavakavahana mitovy amin'i Al-Juwaihel.

Nampitsahatra ny adihevitra ny toby saingy tsy nampiverina ny andian'olona izany ka niteraka faharatrana 15 tamin'ny mpiambina, araka ny nolazain'ny gazety, sy mpanao gazety telo – Yousif Al-Mutairi avy amin'ny gazety Al-Qabas, Mohammed Al-Sharhan Al-Jarida (izay efa notafihan'ny mpitandro ny filaminana ihany koa taloha ary notazonina nandritra ny hetsika nataon'ireo tsy navela hizaka ny zom-pirenena) ary ny mpaka sary mpanao avy ao amin'ny Al-Seyassah.

Indro ny sary mazava ahitana ny andian'olona nijoro teo anoloan'ny Al-Watan TV, nopihan'i Al-Qabas:

Image by alqabas.com

Saripika alqabas.com

Ity sary ity mampiseho ny sarin'ny fiaran'ny Kandidà Nabil Al-Fadil, taorian'ny nitorahan'ny andian'olona tezitra:

Image uploaded to Twitter by @AhmedMAlMutairi

Saripika mpisera Twitter @AhmedMAlMutairi

Vato Ho an'i Koety

Hatramin'ny nandravana ny antenimiera dia maro ny koesiana no nampita tao amin'ny Twitter ny safidiny na hanasongadina kandidà vitsivitsy. Nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fampielezan-kevitra ny Facebook tamin'ny fifidianana farany ireny, fa tamin'ity indray mitoraka ity, ny Twitter no nisahana ny anjara toerana lehibe hampitana haingana ny hafatra sy hahazoana mpihaino maro kokoa.

Tamin'ny Novambra 2011, ny vondrona mpiaro ny zo (hifidy) antsoina hoe ‘South Al-Kuwait’ (Feon'i Koety) nanomboka fanentanana hampahatsiahy ny olona ny lalampanorenana sy ny zo iarovana amin'ny fanavakavahana sy ny tsy rariny. Tamin'ity fifidianana ankehitriny ity, nanao ity lahatsary manaraka ity ny vondrona hanasongadina ny fanentanana antsoina hoe ‘tafreg’ (hafa ity) handrisihana ny olona hifidy sy hampisy ny fiovana:

Herinandro izay dia namorona lahatsary nampitondraina ny lohateny hoe ‘Sheno ya3ni TV‘ izay mananihany ny kandidà sy ny fitapitaka sy ny rendrarendrany. Ny sasany tamin'ny lahatsary moa dia miresaka mivantana momba ny kandidà sasantsasany . Ao amin'ity lahatsary ity, ohatra, dia mananihany kandidà vehivavy tsy mahalala na inona na inona amin'ny politika fa miahy momba ny akanjo lafovidy fotsiny:

http://www.youtube.com/watch?v=ZB0hL1W6ffI

Raha amin'ity lahatsary manaraka ity ahitana an'i Nizar Al-Qandi milalao kandidà izay mirotsaka hofidiana hahazoam-bola sy fahefana bebe kokoa:

http://www.youtube.com/watch?v=4SF9DbtuuKY

Fanentanana navoaka hiantsoana ny olona hanara-maso ny fifidianana sy tsy hamela hisian'ny fanitsakitsahana isan-karazany:

Raha te-hanaraka ny vaovao farany momba ny fifidianana ao Koety dia araho ny tenifototra #ommah2012

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.