Filipina: Tsy Ekena Ny Hanoloana Ny Alaala Ho Tranombarotra

Nitsena hetsika goavana avy amin'ny mponina iharany sy avy amin'ny fikambanana isan-karazany ny drafitry ny tranombarotra SM City Baguio ao avaratr'i Filipina hanongotra hazo an-jatony ka hanoloana azy ho tobim-piara sy toeram-pialamboly. Mpandraharaha manankarena indrindra any Filipina no tompon'ny SM.

An'arivony no nanao diabe nanavatsava ny lalan'i Baguio tamin'ny 20 janoary lasa teo hiaro ny alaala ary miantso ny olona hanao fahirano ny SM City Baguio. Ny tenifototra #ProtectBaguiotrees no tompon'ny fironana Twitter tao amin'ny firenena tao amin'io andro io.

Nanomboka ny eritreritra sendra nandalo momba ity raharaha ity tamin'ny alalan'ny fiverenan-kiran'i Joni Mitchel nanao hoe “Natao rarivato ny paradisa hanorenana tobim-piara” ao amin'ny bolongana Take Me to the Riot :

Mampihomehy ihany fa ny tantara manontolon'ity tendrombohitra ity dia momba ny fanongotana sy famindran-toerana ranofotsiny. Nongotana avy tao afovoan-tanàna ary nafindra toerana any an-kafa ny foko – tahaka ny Kankanaey, Igorots, ary ny Ifugao -. Ny sasany nafindra toerana tany .

Efa ela nitoerana noho i SM Baguio, 7-11 na ny McDonald eo amin'ny lalana ireo olona sy ireo hazo ireo. Saingy noho ny fanandratana ny varotra, fananganana tobim-piara izy eto, matanjaka kokoa matetika ka afa-manongotra sy mamindra izay nitonetra teo elaela kokoa sady mety mahafantatra hatramin'ny miafina ao aminy.

Hetsi-panoherana teo anoloan'ny SM Baguio. Saripika @KrissyAngela

A Mommy Who Tries Living Life to the Fullest!, dia naka aingam-panahy avy amin'ny sarimiaina 3D [toratelo] mpiaro ny tontolo iainana Wall-E, nanasongadina ny tsy fisian'ny fahasamihafana eo amin'ny manongotra sy mamindra toerana ny hazo sy ny manapaka azy.

Tsara ireny fampanantenana ireny rehefa tsy mahalala izay nanjò ireo hazo teo aloha nambolena indray. Ny Dr. Michael Bengwayan (tale mpanatanteraky ny Ivotoerana mpiaro ny tontolo iainana Cordillera -PINE TREE) no niteny fa, tamin'ny hazo kesika 497 nambolen'ny tobin'ny orinasa John Hay Development Corp. tamin'ny 1994, dia latsaky ny 20% sisa velona ary ireo sisa velona ireo dia tena efa mihasimba tanteraka. Noho izany dia tokony hanantena isika fa amin'ny hazo kesika 187 nongotana dia eo ho eo amin'ny 30 ihany no ho velona.

Mihiaka amin'ny tsy fisian'ny fanontaniana ny heviny ny mponina Baguio ary manontany ny famoahana ny fahazoana alalana azon'ny tranombarotra hanongotra ny hazo. Nandona ny firaisana tsikombakomba eo amin'ny fitondrana sy ny fandraharahana vaventy ny Mpianatra [anjerimanontolo]:

Ny tena ratsy dia manaiky ity fanapahan-kevitra mandeha ila ity ny fitondrana ankehitriny ary tsy mety hiaro ny tombontsoan'ny besinimaro. Tsy nampiseho fandavana ny drafitra ny filoha Aquino sy ny mpitondra ny tanàna ary namoaka ny taratasy fahazoana alalana ny departemantan'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary amin'ny fanorenana.

Stretching the Symbolic mandritra izany fotoana izany mamehy fa ity tolona ity dia mifanandrina amin'ny  “rafitra kapitalista manerantany”:

Tsy hoe ady ho fiarovana ny hazo fotsiny ihany, na ho fanoherana ny orinasa SM sy ny rantsa-mangaikany; ady ho amin'ny vahoakantsika, ho an'i Baguio sy ny firenena, manohitra ilay rafitra midadasika izay iray amin'ny zava-dratsy tsy tambo isaina vitany ny fanapahana hazo. Ady amin'ny rafitra manome vahana ny olombitsy sady mamely ny maro izy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.