Hongria: “Orbán No Nofidianay Fa Tsy i Goldman Sachs”

Taorian'ny hetsika maromaro nomanin'ny hetsik'olo-tsotra sy ny antoko mpanohitra ny fanoherana ny politikan'ny Fidesz-KDNP izay mitondra ankehitriny, dia nanapa-kevitra ny hamboraka ny heviny tao anatina fihaonana antsoina hoe Diaben'ny Fandriampahalemana ny Hongroà mpanohana ny fitondrana tamin'ny Asabotsy teo.

Araka ny nolazain'ny [hunolazain'ny minisitry ny atitany hongroà, dia eo ho eo amin'ny 400.000 ireo nampiseho ny fanohanany am-pilaminana ny fitondrana sy amin-kafanam-po ny hetsika.

Izay nieritreritra fa tsy itokisan'ny Hongroà intsony ny Fidesz-KDNP, vokatry ny tati-baovao ny haino aman-jery vahiny misesisesy mampiseho ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra dia mihozongozona raha mahita fa mbola tohanan'ny maro ilay fitondrana mahazo ny roatokon'ny toerana. (Fidelitas, vondrona tanora avy amin'ny Fidesz, no mamoaka sary vitsivitsy ahatsinjovana ny 360 degren'ny diabe.)

Niainga teo amin'ny Kianjan'ny Maherifo ka nizotra ho any amin'ny Kianja Kossuth ka nandalo ny Parlemanta, izay nanaovana kabary fohifohy. Ny mpikarakara fototra ny hetsika dia i Zsolt Bayer, mpanoratra ao amin'ny pejin'ny mpamaky anatina gazety mivoaka isan'andro mpandala ny nentim-pahazarana Magyar Hírlap, i Gábor Széles, mpandraharaha matanjaka sady tompon'ny Magyar Hírlap, ary i András Bencsik, tonian-dahatsoratry ny Magyar Demokrata [hu].

Nasiaka tamin'ny fitondrana vao haingana ny bolongana mirona amin'ny hery ankavanana Mandiner, ary, teo am-boalohany ny mpamaham-bolongana ao aminy, Dobray, izay nitsidika ny Diaben'ny Fandriampahalemana dia nanana ahiahy ihany koa manoloana ny hetsika [hu]:

[…] Tsara kokoa raha oharina tamin'izay noeritreretiko ilay diabe: vahoaka 400.000 (angamba mety ho vitsy noho izany fa ifaninanana ny manolotra isa bebe kokoa izay nanatrika teo nolazain'i Bencsik teo amin'ny Kianja Kossuth, raha nijery ny tatitra nataon'ny televiziona iray izy, fa iray tapitrisa ry zareo, dia miharihary fa isa tsy mifanaraka amin'ny zavamisy) no nahavita ilay elanelana, ary tsy nisy zavatra hafa tafiditra anaty fandaharam-potoana, ka tsy nisy ny fihoaram-pefy. Malaza nifampitantana hatramin'ny voalohany ny mpiangetsam-pahadio mpikaroka ny kely indrindra sy ny zava-mora mahatofoka fahita amin'ny hetsika fanaon'ny hery ankavia. Saingy sarotra kosa ny mahazo azy ity. Misy andian-tanora mitondra ny fanevan'ny Arpad [mariky ny ankavanana indrindra] tsy dia endrika tsara loatra, efa mahazatra antsika izany, tsy manakorontana ry zareo. Hanahy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpitondra Arpad anatina vahoaka an'hetsiny isika raha manala ao anatin'ny vondrony ny kamaradiny mitondra akanjo URSS sy Che ny hery ankavia. […]

Ny ahitana ny fahasarotan'ny toe-draharaha any Hongria  dia ny fanoheran'ny mpanohana ny fitondrana ny fifampiraharahana sy ny fifanarahana hisian'ny fanampiana amin'ny Vondrona Eoropeana sy ny FMI, raha mitady izay hahavitan'ny fifanarahana haingana dia haingana kosa ny mpanohitra mba hahamafy orina ny toekarena hongroà efa mangozohozo.

Mpanohana ny fitondrana mitsikera ny faneren ny UE/BCE/FMI hindram-bola bebe kokoa. Saripika Redjade, nahazoana alalana.

Maro tamin'ny mpanao fihetsiketsehana no tsy avy ao an-drenivohitra. Manoratra [hu] ny maha-zavadehibe ny fandraisana anjara amin'ity diabe ity eo amin-dry zareo ny bolongan'ny tanànan'i Ócsa:

Niainga avy any amin'ny faritra rehetra misy ao amin'ny firenena ny olona hampiseho ny firaisankinany amin'ny fitondrana mahazo ny maro an'isa roatokon'ny toerana, miaraka amin'i Viktor Orbán lehibeny sy izay rehetra voatsikera tao anatin'ny andro vitsivitsy. Mijoro ho amin'ny fiandrianam-pirenen'i Hongria sy hifikitra amin'ny dingan'ny demokrasia efa azo, tsy zakan-dry zareo izany hoe mpanao politika, mpandraharaha, banky any ivelany no hitantana ny fiainan'izy ireo.[…]

Nasongadin'i [hu] Véleményvezér fa ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana dia efa zokiolona:

[…] manaitra tokoa ny mahita fa ny ankamaroan'ny mpanao diabe dia 50 taona na mihoatra. Ny an-dry zareo no tsy nesorina ny retiretiny, saika tsy manambola vahiny ny ankamaroan'izy ireo, ary miezaka ny miaro manokana azy ireo koa ny fitondrana, amin'ny alalan'ny fampakarana 8% ny retirety sy ny fanatsarana ny fiarovana ny asa ho an'ny olona efa lehibe. […]

'Orbán no nofidianay fa tsy Goldman Sachs'. Saripika Redjade, nahazoana alalana.

Dobray mampahatsiahy ny fisian'ny tsaho fa misy ny mpanao fihetsiketsehana nokaramaina ary nikarakarana fiara mba hamonjena ny toerana hanaovana fihetsiketsehana, fiampangana avy amin'ny mpanohitra:

[…] Mitovy isika izany izao, samy nitondra ny politika ho eny an-dalambe. Ary ny mampihomehy dia isaky ny misy ny fihetsiketsehana dia ampiasaina daholo ny tetika rehetra hanaratsiana ny hetsiky ny andaniny; ary miezaka mitady izay nalaina fiara sy nokaramaina, izay nokaramaina dia voafitaka, sns. Tia manolotolotra ny rehetra rehefa hetsika karakarainy, fa raha vao ny an'ny hafa dia hafahafa sy mampiahiahy. Ratsy tondraka hatrany ny bozaky ny mpifanolo-bodirindrina. Faly aho raha tsy tetika farany nataon'ny Fidesz handabohana ny hevitry ny mpanohitra iny Diaben'ny Fandriampahalemana iny.[…]

Zoltán Ruzsbaczky avy ao amin'ny bolongan'ny Mos Maiorum dia namoaka taratasin'ny nasaina [hu] ao amin'ny bolongana Konzervatórium, nilaza fa fidirana amin'ny dingana vaovao amin'ny demokrasia ao Hongria ny fahamaroan'ny mpanohana ny fitondrana, ary maro ny olona no mahasahy mijoro amin'ny heviny:

[…] Eny, mila fitondrana mampihatra io fitokisana io ary mahafaka mitety ny onjan-tadion'ny politika iraisampirenena sy mametraka ny politika ekonomika mampizotra an'i Hongria ho any amin'ny lalan'ny fitomboan-karena. Eo ankilan'izany, tsy misy afa-manoatra eo anatrehan'ireo manohitra hatrany ny politikan'ny governemanta. Ho hitantsika ny fiantraikany lavitra ezaka tamin'iny diabe iny,[sy hoe hisy ve].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.