Afrika : Valisoa sy Hadisoam-panantenana Amin'ny CAN2012

Lavitr'ireo fisamantsamahana ara-poko, politika sy isam-paritra, angonin'ny baolina kitra hanodidina ny ekipam-pirenena iray ny olona . Tsinjo ny vadin'ny filohan'i  Gabon , nandihy toy ny mpianatra eny amin'ny kolejy, isaky ny misy baolina matin'ireo mpilalao iraika ambinifolo avy any amin'ny fireneny ao amin'ny  “l'Azingo Nationale” izay lasa ho “Les Panthères” . Nahasafononoky ny hafaliana ny vahoaka izay efa miforitra ambany jadona isan'ny henjana indrindra ny nahatafita ny tarika équato-guinéens. Araka ny ambaran'ny Human Rights Watch, dia misy mpanao gazety tonga any amin'io firenena io mba hanadihady momba ny resaka zon'olombelona no nosamborina, nalaina am-bavany, tratry ny sivana ary noroahana.

Ao anatin'ny fientanentana manodidina ny CAN2012, misy teboka roa mahasarika ny saina. Ny voalohany, dia ny tsy fisian'ireo firenena vaventy mahazatra amin'ny resaka baolina kitra afrikana.

Ny bilaogin'i Michel Doedje dia manazava amintsika ny toe-draharaha mampiavaka manokana ity andiany iray ity :

Ndeha halaintsika sary an-tsaina ny hoe Euro tsy misy an'i Alemana, Espana, Pays-Bas sy Angletera. Tsy hisy an'izany hoy angamba ianao amiko, tahaka izay vao avy noporofoin'ny fifanintsanana Ukraine/Pologne. Dia tena izay mihitsy no mitovy aminy ho an'ny Afrikana izay hitranga ao Gabon/Guinée Equatoriale. Ny marina, sambany tao anatin'ny taona maro, tsy hahita Ejipta, Kamerona, Alzeria, Nizeria na Afrika Atsimo! Ahoana no nahatonga izao e ?

Fampahatsiahivana ao amin'ny le229.com, fa tao anatin'ny tantaran'ity fifaninanana ity, dia nahavory amboara CAN dimy ambinifolo ireo tarika 5 ireo tamin'ireo andiany 27 teo aloha, Nicholas Mc Anally no manome ny valinteniny :

… Satria raha mijanona any amin'ny niaviany ireny tarika ireny, dia hisy hafa izay hisolo azy ireo. Rivo-malefaka no tokony hitsoka amin'ny CAN2012 miaraka amin'ny fandraisana anjara voalohan'i Botswana,  Niger sy Guinée équatoriale.

Ny zava-baovao iray hafa dia ny fomba namahana ny olàna goavan'ny resaka valisoa .

Lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny bilaogy “plat du pied” no nanazava tamin'ny 15 novambra 2011 hoe :

Fanindiminy hatramin'ny  nanombohan'ny taom-pilalaovana (Shina, Gabon, Salvadaoro, Meksika sy ankehitriny Alzeria), i Kamerona dia nanafoana ny lalaony tamin'ny minitra farany. Ireo mpilalao dia [tsy] tahaka ny hoe, indray mandeha indray, tsy nifanaraka tamin'ny federasionan-dry zareo momba ny resaka valisoa amin'ny lalao.

Fampitam-baovao nivoaka tao amin'io bilaogy io ihany, avy amin'ny “lions indomptables”, na “ireo liona tsy azo folahana”, mpilalao Kamerone, no niteny hoe:

” Nandray ho anaty kajikajy ny resaka tambim-pahatongavana, …. nisafidy ny tsy hikisaka ho any Alger hiatrika ny fihaonanany amin'i Alzeria tokony hatao ny 15 Novambra ireo mpilalao”.

Lesona azo avy amin'ireo zava-tsy nety niainana taloha, dia vahaolana samihafa no noraisina.

Any Maraoka, momba ny “Lions de l’Atlas” lahatsoratra iray navoakan'ny bilaogy marocfootball.info no manao hoe :

Raha tsy namoaka masom-bola mihitsy ny tompon'andraikitra ambony amin'ny baolina kitra ao amin'ny Fanjakana dia nanambara ny filohany, M. Ali Fassi Fihri , fa nisy marimaritra iraisana hita niaraka amin'ny Lions de l’Atlas. Araka ny ambarany, nanaiky ireo mpilalao fa tsy handray ny tamby ireto farany raha toa tsy tafakatra amin'ny ampahefa-dàlan'ny CAN 2012.

I Cote d’Ivoire, izay vao avy nivoaka sempotra taminà ady an-trano sy faharavana mahatsiravina, dia handrotsaka 5 miliara CFA (1 tapitrisa dollars) ho an'ireo Elefantany araka ny ambaran'ny bilaogy  afrik11.com raha toa tonga any amin'ny famaranana :

Ireo mpilalao 23 dia mahazo 5 tapitrisa (10 000 dollars) ho tambim-pahatongavana. Vola mitovy amin'izay no azon'izy ireo raha lavo amin'ny fihodinana voalohany. Any amin'ny ampahefa-dàlana ny valisoa azon'ny elefanta tsirairay dia ho 8 tapitrisa ary avy eo ho 10 tapitrisa amin'ny manasa-dàlana ary farany dia ho 20 tapitrisa (40 000 dollars) any amin'ny famaranana. Ilay mpifantina (sélectionneur) Zahoui François dia hahazo ny anjarany ihany koa, isaky ny dingana izy dia hahazo avo roa heny amin'ny azon'ireo mpilalao.

Any Mali, ny valisoa dia narotsaka tamin'ireo “Aigles du Mali” araka ny ambaran'ny bilaogy afrik11.com, tany ampiandohan'ny volana Janoary  :

Ny tarika avy any Mali dia nahazo, tamin'ny fiandohan'ny herinandro, ny tamby noho ny nahatafita azy ireo tamin'ny CAN 2012. Roanjato tapitrisa CFA (40 000 dollars) no nomena tolo-botsotra ho an'ireo mpilalao sy mpitantana talohan'ny fiaingan'ny ekipam-pirenena ho any Lomé (Togo) hiatrika ny fanomanan-tena farany hiatrehana ny fifaninanana eto amin'ny kaontinanta.

Guinée Equatoriale teny ampanaovana fanazaran-tena, avy amin'i @FlorianK_Sport

Ho an'ny fandresena voalohany azon-dry zareo, ireo mpikambana ao anatin'ny “Éclair national” (Nzalang Nacional na ihany koa Veve Nacional) avy any  Guinée équatoriale, mpiara-mikarakara ny fifaninanana, tsy nahavita akory nanorina kianja afaka andraisana lalao iray taorian'ireo orana matetitetika, izay efa fantatra tsara any amin'ny faritra rahateo, ny bilaogy abidjan.net dia nampakatra lahatsoratra iray ahitàna toy izao mivaky ao anatiny :

Teodorin Obiang, izay minisitry ny fambolena rahateo, dia nanolotra seky 500 tapitrisa CFA (760.000 euros) tamin'ny minisitry ny fanatanjahantena Francisco Pascual Eyegue Obama Asué teo anoloan'ny ekipam-pirenena tao Mbini (amin'ny tapany kaontinantaly).

Nanampy seky iray mitentina 20 tapitrisa (30.400 euros) izy : 10 tapitrisa no nampanantenaina isaky ny baolina maty, tsy nandresy afa-tsy 1 noho  0  ny ekipa saingy nanazava izy fa baolina iray tokony ho noraisina ny baolina iray maty nefa nolavin'ny mpitsara.

Ity lahatsoratra ity dia mampahatsiahy fa Teodorin, heverin'ny maro  fa ho mpandimby an-.drainy, dia eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana Amerikana.

Eo ankilan'io fahalalahan-tànana adika ho pétrodollars io, ny vahaolana noraisina any amin'ny ilany iray amin'i Guinée izay mandray anjara amin'ity fetiben'ny baolina kitra ity dia tahaka ny vahaolan'ny mahantra ihany. Any Conakry, ny ahiahy voalohany dia ny hahitàna vola hatao valisoa. Ny vohikala lejourguinee.com dia nampahafantatra fa napetraka ny Komitim-pirenena iray ho fanohanana an'i Sily, ka eo amin'ny fitarihana azy dia ny Jeneraly Mathurin Bangoura, minisitry ny trano fonenana sy ny fanajariana ny tanan-dehibe, ho an'ny fanangonam-bola. Anisan'ireo voalohany tamin'ny fitondrana anjara biriky, dia nisy, indrindra indrindra, ny vondrom-piarahamonina indiana mipetraka ao amin'ny firenena.

Ny vola izay tsy ho lanilany foana dia tsy isalasalana fa ny valisoa arotsaka ho an'ireo  “Lions de la Teranga”, izay tafiditra tany amin'ny dingana famaranan'ny CAN2012 toy ny andrarezina sady voalohany nangorona ny entany. Na izany aza, ny bilaogy can.starafrica.com, dia nampahafantatra talohan'ny niantombohan'ny fifaninanana hoe :

Tsy mipetraka intsony ny ahiahy momba izay resaka valisoa izay ho an'i Sénégal. Efa nanolotra vola mitentina 140.650.000 Farantsa mitovy sanda amin'ny fitambaramben'ny valisoa noho ny nahatafitàna ho amin'ny CAN 2012 ny minisitry ny Fanatanjahantena tamin'ny Alarobia teo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.