- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodana Atsimo: Krizy Amin'ny Maha-olona Ao Amin'ilay Firenena Vaovao Indrindra

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna Atsimo, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vonjy Voina

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Fitsapan-kevibahoaka tao Sodana Atsimo 2011 [1].

Herintaona latsaka hatramin'ny nanambarany ny fahaleovantenany tamin’ny Jolay 2011 hanjary ho ny firenena vaovao indrindra eran-tany [2], dia mbola mitohy miatrika ny krizy amin'ny maha-olona hatrany i Sodana Atsimo. Ny ady sivily eo amin'ny Sodana Atsimo Afrikana sy ny Avaratra Arabo dia efa namoizana aina eo amin’ny 1,5 tapitrisa hatramin’izao, ary mampitandrina ireo fikambanana iraisam-pirenena fa mbola lavitra vao ho voavaha ny olana.

Raha tamin’ny voalohan’ny taona ohatra dia nanambara ny tananan’i Jonglei [3] ho toerana iharan-doza i Sodana Atsimo taorian’ny tsy maintsy nandaozan’ny olona tsy latsaky ny 100.000 ny toerana noho ny ady misy eo amin’ireo foko mpifahavalo Lou Nuer [4] sy ny Murle [5]. Ny Firenena Mikambana dia efa nanomboka hetsika vonjimaika [6] hitondrana ny fanampiana noho ny maha-olona ho an’ny olona manodidina ny 60.000.

Ny Bilaogin'ny Tetikasa Borgen (The Borgen Project Blog) dia nanolotra fijery mazava momba ilay disadisa ara-poko farany indrindra nisy [7] :

Voalaza amin’izany fa ireny fifandonana ireny dia niantomboka tamin’ny resaka halatra biby fiompy, ka nanjary nihitatra ho toe-drahaha tsy azo nofehezina intsony. Ny disadisa mampifanandrina foko toy ireny halatra biby fiompy sy valifaty ireny, sy ady mampifanandrina vondron’olona samihafa dia seho hita matetika any Sodana Atsimo. Ny Firenena Mikambana dia milaza fa olona eo amin’ny 350.000 eo no voatery nafindra toerana tamin’iny taona lasa iny noho ity karazana  herisetra ity.

Ny herisetra ifanandrinan'ny samy kaominina toy ireny dia mametraka fanamby lehibe ho an’ny fitondrana vao miana-mamindra ao Sodana Atsimo. Amin’ny maha-firenena vao nahaleotena azy dia miatrika ny tokony hametrahana fomba fitondrana mahefa ity firenena ity. I Sodana Atsimo koa dia iray amin'ireo  faritra mahantra indrindra eto an-tany. Tsy dia ahitana lalana, fianarana, toeram-pitsaboana na fotodrafitr’asa fototra. Ny tsy fisian’ny fandrosoana ara-toekarena ao an-toerana dia mamahana ny tsy fahamarinan-toerana sy mampitombo ny herisetra toy ireo toe-javatra niseho vao haingana tao Jonglei.

 Mponina nifindra toerana nohon’ny halatra omby ao antananan’i Pibor, Jonglei © Liang Zi/Médecins Sans Frontières (MSF) [8]

Mponina nifindra toerana noho ny halatra omby ao an-tananan’i Pibor, Jonglei © Liang Zi/Médecins Sans Frontières (MSF)

Ny sampandraharaha Katolika mpitondra fanampiana (Catholic Relief Services na CRS), fikambanana iraisampirenena iray miasa ao Sodana Atsimo, dia manamafy [9]:

Ny raharaha tao Jonglei dia niantomboka tamina resaka adim-poko efa ela, halatra biby fiompy, fakàna olona an-keriny sy fifaninanana mahery setra ho amin’ny fakàna ireo loharanon-karena vitsy. Ny fanafihana niseho farany indrindra teo dia notarihan’ireo nisora-tena ho Tafika Fotsin’ny Nuer, vondron-tanora mitam-piadiana miisa eo amin’ny 6.000 eo, avy amin’ny foko Lou Nuer. Ny mpitondratenin’io vondrona mitam-piadiana io dia nanambara kosa fa ny anton’ilay hetsika dia ny fitadiavana ny famerenana ireo biby nangalarina sy ny ankizy 180 nalain’ny foko mifanakaiky aminy, ny Murle.

[…]

“Efapolo taona taorian’ny niasana tao Sodana sy Sodana Atsimo dia manaiky ny CRS fa mifandray akaiky ny fivoarana maharitra sy ny fandriampahalemana.”  hoy i Boyd. “Raha te handray anjara amin’ny fivoarana maharitry ny lentan’ny fari-piainana sy ny toekarena ho an’ny vahoaka manerana an'i Sodana Atsimo dia tsy maintsy   tohanana ny fiarahamonina mba hikaroka lalana mahomby hiravonan’ny fifandiran-dry zareo sy hampiato ireo fifandirana mitondra faharavana. Etsy andanin’izay dia matetika manamafy ny ady ny tsy fhampian'ireo filàna fototra toy ny fahafahana mahazo rano, toeram-pianarana na ny toeram-pitsaboana. Tokony hiara-mipoitra amin'ny fotoana iray mitovy ny fivoarana sy ny filaminana.”

Ny Oxfam, fikambanana iraisampirenena iray hafa, dia mampifandray ihany koa ny fisorohana ny disadisa amin’ny fiamatsiana ireo fitaovana sy filàna fototra [10]:

Satria teraka ho toy ny firenena vaovao i Sodana Atsimo,  tsy tokony hisy zava-mahaporitra mafy intsony ho an'ny vahoakany, sy angamba ho an'ny filaminana anatin'ny firenena iray manontolo, tahaka ireo famantsiam-bola ataony amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo mandritra ny fotoana maharitra.

[…]

Ny vondrombe iraisampirenena dia nanome tetibola goavambe mba hampidirana an'i Sodana sy Sodana Atsimo ao anatin’ny Comprehensive Peace Agreement and Independence (Fifanarahana Fandriampahalemana sy Fahaleovantena). Amin’izao anefa vao tena manomboka ny asa ary tokony hampitombo ho avo roa heny ny fandraisany anjara ireo mpamatsy vola an'i Sodana Atsimo raha te-hahomby amin'ny fanamby handresy ny tsy filaminana, ny fifindra-monina sy ny fifandimbiasan’ny maina mosary sy ny tondra-drano.

Eo amin’izao fizorana ho amina firenena hanjakan’ny fandriampahalemana anaty sy miaraka amin’ny ivelany izao, i Sodana Atsimo dia mila miditra amin'ny fifandanjàna mari-toerana,  fanampiana mivelatra amin’ny taona maromaro mifanindran-dàlana amin'ny fanohanana noho ny maha-olona mifantoka amin'ny fanamafisana ny fahavononan’ny GoSS hiatrika sy hitantana ny fiatrehana loza voajanahary.

Zava-dehibe ihany koa ny manome tohana amin’ny tetikasa fampihenana ny dona noho ny loza voajanahary mba hahafahan’ny fiarahamonina misoroka sy hifanarina haingana raha misy ny krizy amin'ny maha-olona. Ny mpamatsy vola dia tokony hijery ihany koa ny fiarahamonina sivily ho toy ny mpandray anjara lehibe eo amin’ny fanomezana fanampiana sy fampivoarana izay mifameno amin’ny laminasa ara-panjakana sy ny an’ny sehatra tsy miankina.

Ny mpitsabon’ny Médecins Sans Frontières (MSF) koa dia manome tatitra avy eny ifotony [8]:

“An’arivony ny olona nitsoaka nanavotra ny ainy tao Lekongole sy Pibor ny herinandro lasa teo ary miafina any anaty ala amin’izao fotoana izao, matahotra ny ho faty,” araky ny filazan’i Parthesarathy Rajendran, mpitarika ny asan’ny MSF ao Sodana Atsimo. “Nitsoaka tanaty hamehana ry zareo, tsy nivatsy rano na sakafo, ny sasany aminy tsy isalasalàna fa mitondra ratra, ary dia izao izy tsy misy olona afaka hanampy, miafina, tsy hitan’ny fikambanana vonona hanampy intsony.”

Voafafa ny tananan’i Lekongole ary andiany iray avy amin'ny MSF izay nanombana ny toejavatra tany Pibor ny 28 Desambra no namaritra azy ho toy ny tanàna haolo, raha noheverina fa nitsoaka any amin’ny firenena mifanolo-bodirindrina avokoa ny olona rehetra. Amin’ny fitsoahan’ny olona any an’ala dia tsy afaka mitsabo sy manadio ratra mihitsy na manome fanampiana ara-pahasalamana izahay. Ary arakaraky ny hijanonan’ireo any anaty ala no hitomboan’ny aretin’ireo tsy salama sy maratra..

[…]

“Maro ny toe-draharaha manahirana maro mivotra any amin'ny faritra samihafa ao Sodana Atsimo amin’izao fotoana izao,” hoy ihany Rajendran. “Ny andianà mpitsabonay dia mamaly koa ny antso avy amin’ireo olona mandositra noho ny faianandrinana ao Sodana mpifanolo-bodirindrina. Izany dia mampahatsiahy fa na mahaleotena aza i Sodana Atsimo dia mbola hita any an-toerana foana ny toe-javatra noho ny hamehana toy izany, ary ny fahafahana mitondra fanampiana ho an'ireo olona niharan-doza no tena lohalaharana amin’ny asa.”

Bill's Space dia manambara [11]:

Toy ny vao volana maromaro lasa izay no nahitantsika ny fijoroan’ity firenena vaovao ity tao Afrika, tamin’ny nahatongavan’iSodana Atsimo niala avy tamin’i Sodana. Fa tahaka ny hoe kely ihany ny fiovan’ny toejavatra eo amin’io faritr’izao tontolo izao io nentin'ny anarana vaovao sy ny fahateraham-baovao. Raha ny hita amin’ny tatitra dia olona mihoatra ny 3000 no voavono tao Sodana Atsimo tamin’ny herinandro lasa teo tao anatin’ny herisetra mampiady foko, izay nampifindra monina olona an’arivony maro hafa – na dia tahaka ny efa fanaon’ny mponina tao Sodana efa am-polon-taona maro aza izany “fitsoahana” izany  – ireny karazana famonoana olona faobe ireny dia toa mbola mitohy ihany ankehitriny na dia eo aza ireo miaramilan’ny Firenena Mikambana, ny tafik'i Sodana Atsimo, sns. Raha voalaza amin’ny tatitra koa fa isan’ny fipoahana mahery vaika indrindra teo amin’ny adim-poko taorian’ny fisarahana tamin’i Sodana iny, dia tahaka ny manambara izany fa hetsika mitohy ihany ny herisetra tahaka izany.. […].

Ny sasany koa dia manana hevitra miendrika fandranitana amin’ny fomba fanampian’ny Firaisambe Iraisampirenena an'i Sodana Atsimo, miaraka amin’ny “The Impudent Observer” namoaka lahatsoratra iray hoe, Death in Sudan, Who Cares? [12] (“Fahafatesana ao Sodana, iza no miraharaha?”) , izay mamely indrindra an'i Etazonia :

Ity mpanao gazety iray sahisahy dia sahy nangataka Amerikana mpanao politika lehibe maro mba haneho hevitra momba ny famonoana ireo olona tsy manan-tsiny any an-toerana.

George Bush: ”Ny tokony ho fantatra fotsiny dia ny hoe raha misy (WMD) fitaovam-piadiana mahery vaika mandripaka olona maro, any Sodana Atsimo izay manohintohina ny fandriampahaleman’i Amerika.”

Michele Bachmann: ”Sodana Atsimo? Eo akaikin’ny Nouvel Orleans ve izany?”

Herman Cain: ”Asa raha misy liana amina fandraharahàna momba ny  pizza any.”

Ron Santorum: ”Entaniko mafy ireny olona ireny mba hivavaka amin’Andriamanitra haingana”

Mitt Romney: ”Amerika dia maneho ny fiarahamioriny amin’ireo rehetra enjehana. Holazaiko ny foiben-toeran'ny Mormon mba handefa iraka maro.”

Newt Gingrich: ”Raha vonona iserasera amiko ireo mpitondra ao Sodana Atsimo dia manana hevitra mahomby aho hanampiana azy, sady ny fikambanako koa manome fihenam-bidy amin’ny fiantombohan’ny taona.”

Barack Obama: ”Mandao ny toerana manana olana isika, fa tsy miditra aminy.”

Raha mitady fanampim-baovao mikasika  an'i Sodana Atsimo dia manome fanavaozam-baovao ao aminà bilaogy iray PannLuel Wël: Bilaogera Avy Ao Sodana Atsimo [13] i PannLuel Wël, monina ao Washington, sy amin’ny tambajotra Twitter amin’ny @PaanLuelWel2011 [14].

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Fitsapan-kevibahoaka tao Sodana Atsimo 2011 [1].