Gresy: Fanakianana Ireo Mpanao Politika Nandritra Ny Fankalazàna Ny Theophany

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray momba an'i Eraopa anaty Fahasahirànana.

Tao Gresy, ny 6 Janoary dia androm-pirenena fankalazàna ny Theophany, fantatra hatry ny ela amin'ny hoe Phota (“hazavàna”). Ireo fomba amam-panao ireo dia mihodina manodidina ny Fitahiana Lehibe Avy Amin'ny Rano : atsipy any anaty rano ny hazofijaliana iray ary miezaka ny hàka azy io ny olona mba handraisana vintana tsara sy fitahiana. Isan-taona, ny governemanta sy ireo mpiasam-bahoaka dia mandray anjara amin'ilay fankalazàna, ka aorian'izany no ananan'izy ireo fotoana hanaovana fanambaràna amin'ny fomba ofisialy momba ny maha-zava-dehibe ara-pinoana an'io andro io, laroina fanehoan-kevitra ara-politika sy ara-tsosialy.

Kanefa, noho ny fahasahirànana ara-toekarena, politika ary sosialy lalovan'i Gresy, ny fankalazàna tamin'ity taona ity dia voamariky ny fanehoan-kevitra mivaivay avy amin'ny vahoaka amin'ny tsy hafaliany sy ny fanakianany an'ireo mpanao politika. Tsy dia nahagaga loatra ny nisian'izany, satria tahaka izay efa niseho rahateo tany aloha nandritra ny androm-pirenena fankalazàna ny  “Ochi” tamin'ny 28 Oktobra, rehefa voatery niàla ny Filoha Karolos Papoulias taorian'ny nilazan'ireo mpanao hetsi-panoherana azy ho mpamadika.

Chalkida, Evia

Nitranga indray izany tamin'ity indray mandeha ity, rehefa niseho tao Chalkida ny Filoha Papoulias, raha tokony ho tany Piraeus, seranana lehibe ao amin'ny firenena, no nalehany araka ny fomba fanao. Nohorakorahan'ny vahoaka izy, niantso azy ho mpamadika sy niventy teny faneva manohitra ny fanenjanana ny fitantànana, araka izay asehon'ity lahatsary [el] manaraka ity :

Nisy vondron'olona kely niezaka ny ho tonga teny amin'ny lampihazo nisy ireo olo-manankaja, saingy voasakan'ny mpitandro filaminana. Nandao ny toerana tsy nanao fanambaràna ofisialy ny filoha.

Ny mpitandro filaminana tao Chalkida dia nisambotra olona enina, telo lahy sy telo vavy, ary dia nisokatra ny antontan-taratsy iray miampanga azy ireo ho “nanevateva ny voninahitry ny Filohan'ny Repoblika”. Namoaka didy famotsorana azy ireo ny mpampanoa lalàna tao amin'ilay tanàna.

Samy nanehoan'ireo mponin'ny aterineto hevitra avokoa na ny momba ny horakoraka nahazo an'i Papoulias, na ny fisamborana ireo mpanao fihetsiketsehana, ka ny maro indrindra tamin'izany dia nomba ireo voasambotra sy nanohitra ny fitondrantenan'ny manampahefana ary ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fahasahiranana misy amin'izao fotoana :

Makis: ΣΙΓΑ ΤΟ ΠΡΟΣΩΠΟ.ΚΑΛΑ ΤΟΥ ΕΚΑΝΑΝ.
TSY MISY DIKANY IZAY MAHA-OLONA AMBONY AZY ANY. TSARA NY NATAON-DRY ZAREO.
: Ο Κάρολος Παπούλιας πρέπει να ‘χει κάνει ασφαλιστικά μέτρα εναντίον όλων των πολιτών. Αν παραβιάσεις την ακτίνα 50μ. συλλαμβάνεσαι.
Tsy miantsy nanome baiko hentitra mikasika ny vahoaka manontolo i Karolos Papoulias. Raha vao manakaiky ny faritry ny 50m manodidina azy ianao, dia ho voasambotra.

Sonia Andrianou: Από πότε διώκεται ρε παιδιά η ελευθερία του λόγου και της έκφρασης; Γιατί το άρθρο δε λέει να τον αποδοκίμασαν με τπτ αντικείμενα ή να τον πείραξαν σωματικά! Θα τρελλαθούμε εντελώς…

Hatramin'ny oviana ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra no azo enjehana araka ny lalàna? Satria ny lahatsoratra tsy manao fanamarihana mihitsy hoe ry zareo [ireo olona nosamborina] dia nihorakoraka azy sy nanipy zavatra tany aminy na nanohintohina azy ara-batana! Ho very tanteraka ny saintsika…

Vitsivitsy no nanohana fomba fijery iray hafa mihitsy :

miri: Μα τι έφταιξε ο Πρόεδρος της Δημοκρατίας;
Fa inona anefa no hadisoan'ny Filohan'ny Repoblika e?
user Under: Οχι οτι εχω καμια διαθεση να υπερασπιστω τον Παπουλια τον οποιο τον θεωρουσα προδοτη πολυ πριν το ξεσπασμα της κρισης αλλα απο την αλλη παραγινεται γραφικο να δινεται εμφαση σε καποια περιστατικα αποδοκιμασιων. Μαζευονται 5 γραφικοι “αγανακτισμενοι” και αποδοκιμαζουν και αυτο γινεται θεμα.[…] Λιγη σοβαροτητα δεν βλαπτει.
Tsy ao anatin'ny saina amam-panahiko ny hiaro an'i Papoulias, izay efa ela talohan'ny nirehetan'ny fahasahirànana no noraisiko ho mpamadika , saingy amin'ny lafiny iray, toa lasa “lokoina” tafahoatra loatra, ny fanatavezana ny sasany amin'ny tranga nihorakorahana azy. Olona hafahafa  “indignados” (tsy faly) dimy  no mifamory sy manao hetsi-panoherana dia efa lasa olana goavana izay. […] Tsy mahafaty na iza na iza ny fanehoana fahamatorana faran'izay kely monja.

Kitsos dia manindry fa tsy misy na iza na iza afaka hanery ny hafa hanaja azy :

Kitsos (07/01, 10:36): Τον σεβασμό τον εμπνέεις ! Άμα χάσεις τον σεβασμό του κόσμου δεν τον επιβάλεις ούτε με χίλιους στρατούς. Κάτι ήξεραν οι παλιοί ηγέτες που έλεγαν “ισχύς μου η αγάπη του λαού μου”.
Zavatra sitrahana ny fanajàna! Raha very ny fanajàn'ny olona anao, tsy azonao atao mihitsy ny mitaky izany, na dia miaraka aminà miaramila an'arivony aza. Nahafantatra tsara an'izany ireo zokiolona mpitarika fahiny, izy ireny no isan'ny niteny hoe : “Ny fitiavan'ny vahoakako no heriko.”

Dimitris Vlachos dia manontany  tena ny amin'ny antony nitateran'ny vaovao tahaka ny hoe isan-jaton'olona faran'izay bitika no naneho ampahibemaso ny tsy fanjàny ny Filoha :

Dimitris Vlachos: Apo merida kosmou? Oloi ton giouxaran!
“Avy aminà vondron'olona bitika?” Ny tsirairay mihitsy no nihorakoraka azy !

Ny andro nialoha io, tamin'ny fanehoan-kevitra taminà lahatsoratra iray izay nanambàra ny fisehoan'i Papoulias tao Chalkida raha tokony ho tany Piraeus, Dimitris N. dia “naminavina” hoe:

Dimitris N. (05/01, 15:41): Καλά έχει να ακούσει τα σχολιανά του, αν και έχω την αίσθηση ότι δεν θα πάει ούτε εκεί αλλά θα κάτσει στο προεδρικό μέγαρο….όπου και να πάει ο λαός θα καταστρέψει την παράτα…

Mazava loatra, ho voakiana izy; kanefa, toa raha ny fahatsapako dia tsy handeha akory ho any [Chalkida] izy, aleony mijanona ao anatin'ny lapam-panjakana… Na aiza na aiza alehany, hokorontanin'ny olona foana ny lanonana…

Faharoan'izay, nokianin'ny vahoaka ihany koa ny hoe ny Praiministry ny governemantan'ny marimaritra iraisana, Loukas Papadimos, dia tsy nanam-potoana nanatrehana fotoam-pankalazàna na iray aza, noho ny fandaharam-potoanany feno be. Lahatsoratra iray ao amin'ny apospasma.gr no miteny hoe :

[…]δεν τόλμησε να πάει στην τελετή αγιασμού των υδάτων στον Πειραιά επειδή θα άκουγε τα εξ΄αμάξης.

[…] tsy sahiny ny nandeha tany amin'ny Andron'ny Fitahian'ny Rano tany  Piraeus, satria mety ho matahotra sao hisy hitifitra.

Athens, Attica

Vao haingana, tao Athens, ny Minisitry ny ny Fanabeazana, Anna Diamantopoulou,  dia nohorakorana nandritra ny fankalazana tao Dexameni any Kolonaki. Ao anatin’ity lahatsary ity [el], re ireo olona mihiaka hoe  “Mahalevona tsara!” ( matetika ampiasain'ny Grika aorian'ny teny hoe “Mazotoa homana”) ary hoe “Ento miverina ny volan'ireo Orinasa afak'haba”:

Ny tsy hafaliana faobe manoloana ireo mpanao politika, indrindra indrindra fa ireo olom-boafidy avy amin'ireo antoko roa lehibe  (PASOK sy ND), dia niteraka indray mandeha indray adihevitra lavabe momba ny andraikitry ny tsirairay sy ny fanohanan'ireo mpanao politika amin'izao fotoana:

Nikos Prassas: Καλά είναι τα μασκαριλίκια, οι αποδοκιμασίες και οι αντιπολιτευτικές διαμαρτυρίες, το μόνο εύκολο! Κάποτε όμως καταντούν και κουραστικές, όταν δεν υπάρχουν προτεινόμενες λύσεις!

Giorgos Kaminis (Ben'ny tanana ao Athens) sy Anna Diamantopoulou (Minisitry ny Fanabeazana, ny Fanofanana maharitra sy ny Raharaha Ara-pinoana) tamin'ny Andron'ny Fitahian'ny Rano tao Dexameni, Kolonaki. (mpampiasa Flickr :annadiamantopoulou, CC BY-NC-SA 2.0)

Ireo fanarian-dia, fanafànan-dresaka, hetsi-panoherana sy diaben'ny mpanohitra dia samy mahafinaritra avokoa, izay no zavatra tsotra indrindra! Indray andro, na izany aza, dia niharatsy ireny rehefa tsy nisy vahaolana azo naroso intsony!

Maria Kapurani: ολοι εσείς που βρίζετε τους πολιτικους(και καλα κανετε) την Ευρώπη και ολα, αναρωτηθειτε μια φορά, 30 χρονια στη μεταπολίτευση τι έκανα ”ΕΓΩ” για την πατρίδα μου για να μην φτάσει εδω? Νομίζω οτι φωνάζετε επειδή ξεβολευτήκατε. Μια αγανακτισμένη… με ολους

Ianareo rehetra izay manakiana ny mpanao politika ( ary mety ny ataonareo), Eraopa sy ny sisa, meteza hanontany tena indray mandeha monja : nandritra ny 30 taona nisian'ny Metapolitefsi [vanim-potoana teo amin'ny tantaran'ny Grika taorian'ny nianjeran'ny fitondrana miaramika tamin'ny 1974], inona no mba natao”-ko” ho an'ny fireneko mba tsy hahatongavana amin'izao toerana izao androany? Heveriko fa misafoaka ianareo satria very daholo ny fiadananareo. “indignado” iray…anatin'ny maro hafa
Lohahevitra toy izay ihany, fironana samihafa

Mandritra izany anefa, ny vaovao noresahana betsaka any anaty media sosialy dia hoe i Apostolos Gkletsos, mpisehatra malaza iray sady ben'ny tanàna ankehitriny ao Stylida, dia nahavita nitsoraka tany anaty rano mba hifaninana haka ilay hazofijaliana masina – tsara marihana satria izy dia olona manana aretin'ny fo. Ny “lanja” nomena izay tranga izay dia narahana fanehoan-kevitra mahatsikaiky tao amin'ny on Twitter:

@iokastita: Ο γκλέτσος ετοιμάζεται να βουτήξει στη Στυλίδα για να πιάσει το σταυρό.Το καλύτερο νέο μετά τη μεταπολίτευση.

Tao Stylida, Gkletsos dia niomana hisitrika anaty rano sy haka ny hazofijaliana. Ny vaovao tsara indrindra hatramin'ny vanim-potoanan'ny Metapolitefsi.

@Conn_x: Ο Γκλέτσος σήμερα δεν θα βουτήξει. Θα περπατήσει πάνω στο νερό.

Androany, tsy hitsoraka i Gkletsos. Eny ambony rano izy no hamindra.

Ny fankalazàna ny Theophany koa dia nitondra zava-manorisory sy henjankenjana, ohatra ireo avy amin'ny Teacherdude sy Yns_x:

@teacherdude: ή Εορτή των Φώτων ακυρώθηκε φέτος – δεν πληρώσουμε το χαρτάτσι της ΔΕΗ
Ny fankalazàna ny  Phota (hazavàna) dia nofoanana tamin'ity taona ity – tsy handoa ny tataon-ketra isika, ho an'ny DEI (Vondron'orinasam-panjakana mpamatsy angovo ao Gresy).
@yns_x: Στον Έβρο γιορτάζουν κάθε μέρα τα Θεοφάνεια -εκατοντάδες μετανάστες βουτούν στα νερά του προσπαθώντας να αγγίξουν το (όποιο) θαύμα.
Ao amin'ny reniranon'i Evros [ilay sisintany nanahary eo anelanelan'i Gresy sy Tiorkia], ny  Theophany dia ankalazaina isanandro – anjatony ireo mpifindra monina no mitsoraka ao anaty rano ao manantena hahita fahagagàna, raha misy izany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray momba an'i Eraopa anaty Fahasahirànana.

Ny hajiantsary sy ny sary rehetra nasongadina dia maneho ny Andro fialantsasatra Kristiana noho ny Epiphany, Thessaloniki. Sary avy amin'i Konstantinos Tsakalidis, fizakà-manana Demotix (06/01/2011).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.