Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina

Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana  na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po ireo filana isan-karazany sy maika atrehin'ny kontinanta, toy ny Heroreports [en], izay mamaritra ny toerana fanaovana asa soa ao Meksika, na koa ny LluviasVe [en], izay hijerena ny sarintany misy ny voina noho ny orambe tao Venezoela. Nanjary fitaovana fototra ao Amerika Latina ny Crowdsourcing mba ho entina hanohanana sy handrisihana ny olom-pirenena handray anjara amin'ny fanomezam-baovao.

Tamin'ny 14 Janoary  2012,  Jacinto Lajas namoaka  lahatsoratra mikasika ny “Torolalana momba ny crowdsourcing ao Amerika Latina tao amin'ny Periodismo Ciudadano, bilaogy ahitana adihevitra sy resadresaka momba ny olom-pirenena manao asa fanaovan-gazety. Ity ambany navoaka ity ny lahatsoratra navoakany, nahazoana alalana ny famoahana azy eto (CC BY-NC 3.0).

 

Americas Society (AS) no forum an-tserasera lohalaharana hanabe, hiady hevitra, ary hiresadresaka ao Amerika. Andraikitra sahaniny amin'izany ny hahazoana fahafantarana bebe kokoa ny olana ara-politika, sosialy, ary toekarena izay misy ankehitriny ao Amerika Latina, Karaiba, ary Kanada, eo koa ny fanaitairana ny olona sy ny fandanjalanjana ny ny lova ara-kolontsaina maro samihafa eo amin'izao tontolo vaovao izao sy ny maha zava-dehibe ny fifandraisana eo amin'ireo mponina isan-karazany ao Amerika .

Anisan'ny andraikitra sahaniny ihany koa ny fijerena ny fiovana hoentin'ny fandrosoan'ny teknolojia ao Amerika, ary noho izany toe-tsaina izany indrindra no namoahana ny torolàlana momba ny crowdsourcing ao Amerika Latina, izay manasongadina ireo tetikasa nampiharina tamina firenena marobe ao amin'ny faritra.

 

Ao amin'ny teny fampidirana misy ny lisitry ny tetikasa no anazavana ny antony nahatonga ny crowdsourcing ho fitaovana malaza amin'ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena amin'ny fanajana ny làlana, ny fahasalamam-bahoaka, ny zon'ny mpanjifa, ary ny olana ara-tsosialy ao Amerika Latina, izay iray amin'ireo faritra manerantany be mpampiasa aterineto :

El número de usuarios de Internet creció a 112 millones en enero de 2011 –un aumento del 15 por ciento respecto al año anterior. En Brasil, Colombia, México y Venezuela, las tasas de crecimiento del uso de Internet aumentaron en un 20 por ciento o más durante el mismo período. También va en aumento es el uso del teléfono de última generación: en 2011, uno de cada cinco teléfonos celulares vendidos en América Latina fue un smartphone y, en 2010, las ventas de estos teléfonos en la región aumentaron en un 117 por ciento. Con un mayor acceso a Internet, más latinoamericanos están utilizando las redes sociales: 114.500.000 personas utilizaban sitios como Facebook y Twitter en junio de 2011.

Nahatratra 112 tapitrisa ny isan'ny mpiserasera tamin'ny volana Janoary 2011 -izany hoe fitomboana eo amin'ny 15 isan-jato noho ny tamin'ny herintaona. Ao Brezila, Kolombia, Meksika, ary Venezoela kosa dia nahitana fitomboany 20 isan-jato ny tahan'ny fampiasana Aterineto nandritra ny fotoana mitovy.  Hita taratra ihany koa ny fitomboan'ny fampiasana finday avo lenta: tamin'ny taona 2011, smartphone avokoa ny finday iray amin'ireo dimy lafo ao Amerika Latina, ary tamin'ny 2010, niakatra 117 isan-jato ny fividianana izany karazana finday izany tao amin'ny faritra. Manoloana ny fihanaky ny fampiasana Aterineto, Amerikana Latina marobe no mampiasa valantserasera: olona 114,5 tapitrisa no nampiasa tranonkala toy ny Facebook sy ny Twitter tamin'ny volana Jiona 2011.

Mahabe fanantenana ny  vinavina. Satria miroborobo ny tetikasa iarahana–tanisaina eto ny sasany amin'izany (amin'ny teny espaniola)– ao Amerika Latina. Hitanao eto ambany eto ny lisitry ny tetikasa tafiditra ao amin'ny torolàlana. Afaka mahazo fanazavana fanampiny momba ny tetikasa tsirairay momba ny lahatsoratra nosoratana voalohany ianao ao amin'ny tranokalan'ny Americas Society [amin'ny teny anglisy].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.