Frantsa: Birao Famoahana Gazety Mpandrabiraby Nodorana Taorian'ny Nanarabiany ny Sharia

Amin'ny teny frantsay avokoa ny rohy rehetra ato raha tsy hoe misy filazana hafa omena]

Nandritry ny alin'ny 2 Novambra 2011 dia nisy nanafika tamin'ny alalan'ny solika napoaka [en] ny birao foiben'ny orinasa mpamoaka gazety mpandrabiraby mivoaka isan-kerinandro  antsoina hoe Charlie Hebdo ao Paris ka may ravan'ny afo. Namoaka gazety fandrabirabiana mitondra ny lohateny hoe ‘Sharia Weekly’, na “Sharia Isan-kerinandro” mitantara ny zava-mitranga ankehitriny ao Tonizia sy Libya aminà andro iray mitovy ilay gazety Frantsay mpiseho isan-kerinandro efa zokiny indrindra sy mpandranitra. Io tantara io dia manasongadina ilay Mpaminany Silamo antsoina hoe  Muhammed ho toy ny ‘mpamoaka lahatsoratra nantsoina hivahiny’, miaraka amin'ity lohatenin-dahatsoratra ity manao hoe: “Sharia Isan-kerinandro: kapoka karavasy in -100 raha tsy matin'ny fihomehezana ianao”.

"And now, on top of Greece, I have to save Charlie" - French daily Liberation cover, drawn by Charlie Hebdo cartoonists - November 3, 2011.

"Ary ankehitriny, eo alohan'i Gresy, dia mila manavotra an'i Charlie" aho- nalaina tao fonon'ilay gazety Frantsay 'Libération', nataon'ilay mpanao sariitatry ny Charlie Hebdo – tamin'ny 3 Novambra 2011.

Ny andro faharoa taorian'io haintrano io raha tsy mbola nahazoana valiny ny fikarohana nataon'ny polisy dia nirehitra ihany koa ny media sy fanaovan-gazety frantsay, ny sehatra politika ary ireo tambajotra sosialy. Tsy nahitàna ireo boky nivoaka farany avokoa ireo mpivaro-boky rehetra. Tao amin'ny Twitter, ny tenifototra #charliehebdo no  lohahevitra frantsay be mpiresaka indrindra raha vao nivoaka ny vaovao omaly maraina. Ireo mpikambana sasany ao amin'ny  Twitter dia nisafidy ilay pejy voalohany maha-be resaka ho toy ny sary fanehoana ny aminy tao amin'ny Twitter . Ankehitriny dia miasa isan'andro ao amin'ny biraon'ny gazety Frantsay mpiseho isanandro Libération ny Charlie Hebdo, ary namorona ny pejy voalohan'ny gazetiny eo ambany fanaraha-maso hentitra.

Notafihan'ny vondrona Tiorka “Akincilar” ihany koa ny vohikala Charlie Hebdo nandritry ny alina nitrangan'ilay fandorana, raha araka ny nambaran'i Le Nouvel Obs (jereo  ny hafatra fohy tamin'io mpiseho isan-kerinandro io, amin'ny teny anglisy).  Namoaka sarin’ ilay vohikala voahosihosy i Tech  Korben, mpitoraka blaogy:

Defaced Charlie Hebdo website
Defaced Charlie Hebdo website

Vohikala Charlie Hebdo voahosihosy

Tsy ity no fanaborosiana voalohany nataon'i Charlie Hebdo raha eo amin'ny resaka fandrabirabiana  mikasika ny Silamo. Tamin'ny taona 2007, nenjehan'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana ao amin'ny moske ao Paris io gazety io noho ny fonony nisy sarin'ilay mpaminany  Muhammad narahana fanamarihana hoe ‘Sarotra ny maka ny fon'ny adala‘ ary koa noho ny famoahana indray ilay sariitatra Danoà mpandrabiraby [en] ho fanehoana ny firaisankina eo amin'ny samy famoahana gazety. Nandresy ny famoahana tamin'io. Omaly, nanameloka ny fanafihana sy ny fanaovana io sary io ny lehiben'ny mpitondra fivavahana ao amin'ny moske ao Paris.

Mbola tafiditra eo anelanelan'ny ady ho an'ny fahalalahana mamoaka hevitra amin'ny alalan'ny fanakianana (sy miteny) ary ny fanajana ny fivavahana, izay anaty vanim-potoana somary saropady hatrany, i Frantsa laika : nandritry ny fotoana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena frantsay amin'ny taona 2012.

Fahalàlahana miteny

Niteraka fanehoan-kevitra maro io vaovao io tao Frantsa.  Maro ireo nihevitra fa io fanafihana io dia fanosihosena tsy hay leferina ny fahalàlahana maneho hevitra.

Nanameloka io fanafihana io i Hacen BOUKHELIFA, mpahay lalàna ao Marseille, Frantsa :

Rien, absolument rien ne peut justifier la violence d'extrémistes qui finalement n'acceptent pas la liberté d'expression à fortiori lorsqu'elle est exercée par un hebdomadaire satirique

Tsy misy na inona na inona afaka manazava ny hetraketraka ataon'ireo mahery fihetsika ireo izay toa tsy manaiky ny fahalàlahana miteny, indrindra indrindra moa raha avy any anatin'ireny gazety mpanakiana mivoaka isan-kerinandro ireny

Hoy i Capiaux Alain manohy izany:

CHARLIE HEBDO mérite le soutien de quiconque entend défendre la liberté d'expression. Critiquer l'islam est un droit.

Mendrika ny hahazo ny fanohanan'ny tsirairay izay miaro ny fahalàlahana miteny ny Charlie Hebdo. Zon'ny tsirairay avy ny manakiana ny Silamo.

Fa araky ny hevitry ny hafa kosa, toa an'i Sidi_la, endrika roa samihafa amin'ny fahalàlahana miteny no ampiharina ao Frantsa. I  Dieudonné Mballa no resahana amin'izany, ilay mpanao vazivazy Frantsay iray izay nosamborina sy nomelohana noho izy lazaina fa manohitra ny fomba fijerin'ny Jiosy sy ny Arabo, manoratra izy hoe:

On donne la liberté d'expression quand il s'agit d'Islam mais quand Dieudo parle des juif il doit en payer le prix!= La France

Omana alàlana miteny ny Silamo, fa raha i Dieudo no mandray  fitenenana dia tsy maintsy mizaka ny vokany izy! = Frantsa
Catholic manifesto on the walls of Paris "Let's defend Jesus Christ!" - by @egoflux on Twitter

Maneho ny fanoherany ny Katolika amin'ny alalan'ny peta-drindrina ao Paris "Ndao isika hiaro an'i Jesoa Kristy!" – nataon'i @egoflux nalaina tao amin'ny Twitter

Tristan (@egoflux), sy ireo mpankasitraka ny sekta, dia mampahatsiahy fa ilay hetsika  nokarakarain'ny mpino katolika Frantsay dia manakorontana ilay seho an-tsehatra tao Paris izay nahitana ny endrik'i Jesoa nosimbàna tanteraka. Apetany eraky ny rindrina ao Paris io sary maneho ny fanoheran'izy ireo io :

Tofoka tanteraka i Xavier (@dascritch):

Y'en a marre des intégristes religieux. Cathos, Juifs ou Islamistes, vous ne représentez que l'ignorance, la haine et la mort.

Leo an'ireo mpiaro ny finoany ireo aho. Ny Katolika, ny Jiosy ary ny Silamo, ianareo dia endriky ny tsy fahalàlana, ny fankahalàna sy ny fahafatesana fotsiny ihany.

Fanampiana tosika ny hery farany havanana

Nampamelona ny fanantenan'ny mpanao politika eo amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2012 ny firohotana hanohana ny Charlie Hebdo. I Severin dia mahita fa hanome vahana an'i Marine Le Pen mpirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena avy ao amin'ny hery farany havanana fotsiny ihany io trangan-javatra io :

#charliehebdo brûle, Marine Le Pen gagne 3 points dans le dernier sondage. Symbolique d'une société à la dérive. #irresponsable

#charliehebdo mirehitra, Marine le Pen mahazo isa telo tamin'ny futspan-kevitra farany teo. Famantarana ny orinasa iray tsy manara-dalàna. #tsy mandray andraikitra
 "Charlie (Hebdo) boosting the Right"- by @elpasolibre on Twitter

"Charlie (Hebdo) manampy tosika ny hery farany havanana"- nataon'i @elpasolibre nalaina tao amin'ny Twitter

Korontana ao amin'ny Facebook

Tototra hafatra ny takelaka Facebookin’ i Charlie Hebo.

Hoy i Mehri Yassine avy any Tonizia:

شهد أن لا إله إلا الله وأشهد أن محمد رسول الله

Sahy milaza aho fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy i  Allah ary manambara ihany koa aho fa i Muhammad dia Irak'i Allah

Hoy i Virgile Gaillard an-katezerana:

merci Charlie!! 🙁 Grâce à vous, on détourne l'attention sur les vrais enjeux de la crise… On met de l'huile sur le feu de la haine de l'autre, on stigmatise le musulman parce que bcq vont être tenté par l'amalgame intégristes=musulmans

Misaotra anao ry Charlie ! 🙁 Noho ianao dia lasa tsy nisy nifantoka tamin’ ny vokatra ateraky ny krizy ny rehetra… misy mandraraka lasantsy  eo amin'ny fankahalana ny hafa efa nisy hatramin'izay, misy ihany koa ireo manameloka ny Silamo, satria maro no mitady ho voasariky ny ‘fondamentaliste’ tsy hita hoe ahoana = ny Silamo

Nametraka hafatra fanohanana tamin'ny teny anglisy i Erick Oster Saerkjaer, avy any Denmark, toerana izay nitrangan'ny resabe voalohany mikasika ilay  “sariitatr'i Muhammad” nivoaka tamin'ny taona 2005:

Ny vazivazy no fomba ametrahana fanontaniana manan-danja amin'ireo izay mihevitra fa izy ireo ihany no nahita sy manana ny valiny marina. Rehefa tsy manao izany isika dia ny havendranana no handresy.

Ankehitriny dia nangataka tamin'ny Facebook i Charlie Hebdo mba hanakatona ny takelakany, satria maro amin'ireo hafatra ireo no mandika ny lalàna frantsay dia ny famporisihana ny fifankahalàna ateraky ny fahasamihafan'ny fiaviana sy foko ary ny finoana. Nizara ny alahelony tamin'ny mpandrindra io vondrom-piarahamonina tao amin'ny takelaka Facebook io ireo mpiondana aterineto tao amin'ny Twitter; maminavina ny karazana toerana banga mety handefasan'ny Charlie Hebdo fampilazàna i Lauren Provost:

Charlie Hebdo cherche Community Manager. Compétence requise : gestion de crise et maîtrise de l'arabe

Mitady mpandrindra vondrom-piarahamonina i Charlie Hebdo. Fepetra ilaina amin'izany: fitantanana ny olana ary fahafehezana ny teny Arabo
Ny tsara ho fantatra

Namoaka fomba fijery roa mikasika io krizy misy eo amin'ny Charlie Hebdo io ny “Index on censorship”, ahitana ampahany amin'ny hevitry ny mpianatra roa avy amin'ny anjerimanontolon'i Etazonia sy ny Royaume-Uni.

Fanamarihana: Ity lahatsoratra ity dia niarahan'i  Julie Owono sy Claire Ulrich nanoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.