26 Janoary 2012

Tantara tamin'ny 26 Janoary 2012

Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina

  26 Janoary 2012

Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana  na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po ireo filana isan-karazany sy maika atrehin'ny kontinanta, toy ny Heroreports [en], izay mamaritra ny toerana fanaovana asa soa ao Meksika, na...

Manohitra Ireo Volavolan-dalàna Enti-Manohitra Ny Piraty Ny Fikambanambe Eran-tany Ao Amin'ny Aterineto

Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.

Zambia: Guy Scott Filoha Lefitra Fotsy Hoditra Sy Ny Ambaran'ny Lalampanorenana

  26 Janoary 2012

Manontany ny maha ara-dalàna ny fanendrena ilay Zambiana fotsy hoditra notendrena ho filoha lefitra voalohany hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany,dia ny Dr Guy Scott, ny antoko nitondra teo alohaMMD, ka mandrahona ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana  mba hamaritana ny maha-ara-dalàna azy eo anatrehan'ny Lalampanorenanana. Nanambara vao tsy ela akory izay ny filoha nasionalin'ny...

Fifaninanana Lahatsary: Dizitaly Mifamàka amin'ny Andavanandro

Rising Voices  26 Janoary 2012

Ny Centre for Internet & Society (CIS), India, sy ny HIVOS any Pays-Bas dia mampiantrano ny Fifaninanana Lahatsary Digital AlterNatives 2011 ho ampahany amin'ny tetikasan'ny ‘Digital Natives with a Cause’. Mirona manodidina ny fotokevitra "Dizitaly Mifamàka amin'ny Andavanandro" ary mangataka ireo mpandray anjara mba hizara tantara amin'io izay mahatonga ny fiainany andavanandro ho "dizitaly".

Frantsa: Birao Famoahana Gazety Mpandrabiraby Nodorana Taorian'ny Nanarabiany ny Sharia

Nandritry ny alin'ny 2 Novambra 2011 dia nisy nanafika tamin'ny alalan'ny solika napoaka [en] ny birao foiben'ny orinasa mpamoaka gazety mpandrabiraby mivoaka isan-kerinandro antsoina hoe Charlie Hebdo ao Paris ka may ravan'ny afo. Ny andro namoahan'ilay gazety Frantsay mpiseho isan-kerinandro an'ilay kisarisary maka endrik'ilay mpaminany antsoina hoe Muhammad ho toy ny 'mpamoaka lahatsoratra nantsoina hivahiny' araka ny hita eo amin'ny fonony dia efa saika nikatona avokoa ny mpivaro-boky rehetra, ary tao anatin'ny iray andro avokoa no nitrangan'izany.

Madagasikara: Tsy Navela Hody Ny Filoha Teo Aloha Ravalomanana

  26 Janoary 2012

Nanambara ny hodiany an-tanindrazana, rehefa nanao sesintany ny tenany efa ho telo taona, tany Afrika Atsimo, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny 21 Janoary 21, nitaintaina ny tao an-drenivohitra miandry ny fiverenany fa an'arivony ny olona no eny an-dalana mankany an-tseranana. Saingy minitra vitsy taoriany ny nidirany ny faritr'habakabaka malagasy dia nilazana mba hivily lalana ny voromby ka higadona any an-tanàna hafa. Mitantara mivantana ity toe-draharaha mafampana ity ny Malagasy.