Fanindroany tamin'ny Asabotsy 21 janoary 2012 lasa tedo no nikasa hody an-tanindrazana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tamim-pitaintainana no niandrasan'ny Malagasy ity fikasana hody ity rehefa sesintany nandritra ny telo taona ny tenany. Saingy hoy ny filazan'i Niren Tolsi ao amin'ny Mail and Guardian [1]:
Ravalomanana's attempt to set foot on Malagasy soil was thwarted an hour before it was due to happen. According to the airline's security chief, the pilot had been informed by ground control at Ivato International Airport that it had been closed due to “security concerns”.
News filtering through suggested that large crowds — estimated between 20 000 and 30 000 — had gathered at Ivato in expectation of Ravalomanana. No one would say who had given the order to close the airport down, but Ravalomanana's aides suggested that it must have been an executive order from someone in the government of Andry Rajoelina (who had deposed Ravalomanana's democratically elected government in a 2009 coup).
Tafaodina ora iray mialoha ny saika hanitsahany ny tanindrazana ny fikasan-dRavalomanana hody. Araka ny nolazain'ny lehiben'ny sampam-piarovana ao amin'ny zotram-piaramanidina dia nampafantarin'ny mpanara-maso avy aty an-tanety ao amin'ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena ao Ivato ny fikatonany noho ny “antony ara-pilaminana”.
Ny vaovao mipongatra no manoro fa misy vahoaka maro — tombanana ho 20 000 ka hatramin'ny 30 000 — tafavory ao Ivato miandry an-dRavalomanana. Tsy nisy nahasahy niteny hoe iza no nibaiko ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina, fa ny manodidina an-dRavalomanana no manombana fa mety ho baiko avy amin'ny anankiray ao amin'ny fitondran-dRajoelina (izay nanongana tamin'ny 2009 an-dRavalomanana voafidim-bahoaka) iny.
Ity misy lahatsarin'ny fikasana hody navoakan'i Jentilisa [2] ao amin'ny YouTube tamin'ny 21 Janoary :
Citoyenne Malgache, mpamaham-bolongana ao an-toerana mitatitra ny fihetseham-po faly misy alahelo ao amin'ny mpanohana [3] [fr, mg] izay tonga maro hitsena azy:
Et aujourd’hui quand tu es rentré chez toi le cœur triste de ne pas avoir retrouvé celui que tu es venu accueillir, tu te consoles : nous sommes venus nombreux, c’est notre victoire. Tu t’encourages : Andrasanay na amin’ny valo alina aza… Et tu sais que tu reviendras encore au prochain appel.
que deviendras-tu si tu te sens vaincu ? Tu n’es peut-être pas LE peuple mais tu en fais partie, et on n’a pas le droit de t’ignorer. Mais n’oublie pas que personne ne prendra soin de toi, sauf toi-même. Des gens se moqueront de toi : tsy ho avy eo izany ny dadanareo… Pour d’autres, tu n’es qu’objet d’analyse et de reportage. Certains se serviront sûrement de toi. Mais défends ton choix et assume le reste.
Nasongadin'ny mpamaham-bolongana ny fifanoheran-kevitra teo amin'ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina, tahaka ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Serasera izay nifanohi-kevitra momba ny NOTAMs [5] (‘Notices to Airmen’ na ‘Naoty ho an'ny Mpiandanitra’), ny governemanta sy Rajoelina tenany, ary na dia efa nivoaka aza ny NOTAMs, dia mbola ifanoherana ny isamborana na tsia an-dRavalomanana.
Niresaka tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny RFI [6] [fr] ny Praiminisitra Omer Beriziky, mpanao politika mitandrin-tena:
Je peux vous assurer que le gouvernement, à aucun moment, n’avait donné l’ordre de fermer les aéroports à Madagascar. Le retour de l’ex-président était possible. Cependant, j’aurais souhaité que le retour de Marc Ravalomanana se fasse dans d’autres conditions. Je pensais qu’il était possible d’arriver à une solution consensuelle, c’est-à-dire que toutes les parties prenantes de la feuille de route puissent trouver ensemble une manière consensuelle de faire revenir le président dans sa patrie.
Tsy nitombina loatra ny tetipanoron'ny fitondrana tetezamita hamahana ny kirizy araka an'i VANF ao amin'ny matoan-dahatsoratra famoakany isn-kerinandro ao amin'ny Express de Madagascar [8] [fr]:
Le ministre de la Défense dit s'en tenir au maintien de l'ordre, le chef de l'état-major mixte opérationnel (EMMO-Reg) d'Analamanga prétend appliquer un mandat d'arrêt contre Marc Ravalomanana, la ministre de la Justice préfère ne pas en rajouter, le Premier Ministre aurait assuré Marc Ravalomanana qu'il ne voyait aucun inconvénient à son retour à Madagascar.
Tsy nampino fa mandà ny fisian'ny NOTAMs nivoaka [9] ny minisitry ny serasera, Rolly Mercia. Hoy [8] [fr] i VANF:
Alors qu’il se répandait en interviews sur les médias pour déclarer qu’il n’y avait jamais eu de NOTAM, les copies des cinq NOTAM ordonnés par le P.T. lui- même étaient affichées sur le site internet de l’ASECNA, et partagées sur Twitter et Facebook. Grotesque ! Que faut-il en conclure : incohérence, incompétence ou stalinisme chronique ?
Ao amin'ny Twitter, misy ny mpisera sasany mandà ny hoe nikatona tanteraka ny lanitr'i Madagasikara, ary nihevitra fa tokony ho afa-nidina tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Morondava ny voromby nitondra an-dRavalomanana, saingy tsy nisy vahoaka nitsena tany ka mora ny isamborana azy tany:
@hdleague [10]: Alors, il est incorrecte de dire que R8 était interdit de revenir à Mada. Il était permit d'aterrir à Morondava pour être arrêter. #M21112 [11]
Ao amin'ny ‘Madagate’ i Jeannot Ramambazafy [12] [fr] dia manaiky fa manan-jò hody eto Madagasikara Ravalomanana, saingy narovany ny zon'ny Malagasy hitsara an-dRavalomanana, izay nomelohina fa heverina ho nibaiko ny mpiandry ny lapam-panjakana hitifitra ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Febroary 2009:
Ainsi, s'il a été demandé au pilote -qui a refusé- d'aller atterrir à Morondava, c'était pour mettre en application cette note et pour sécuriser l'intégrité physique même de Marc Ravalomanana qui a, bien sûr, le droit de rentrer, mais… Au nom de l'indépendance de la Justice malgache, le mandat d'arrêt émis à l'encontre de Ravalomanana, depuis 2009, sera exécuté.
Marc Harmelle [13] [fr], mpamoaka hevitra ao amin'ny bolongan'i Fijery, dia miahiahy amin'izay manetsika an-dRavalomanana:
je m’interroge ce soir quand a ses motivations de convoquer une telle foule ; est ce pour avoir un bouclier humain ou est ce par pure folie des grandeurs souci d’etre acclamé , ovationné par un peuple misérable ? La première solution est dégueulasse et lâche , la seconde démontre que ces 3 ans ne l’ont pas mûris *Dernièrement a mon sens rentrer discrètement en se remettant entre les mains de la justice aurait été judicieux ; il était impossible de lui refuser ce retour , impossible de le malmener et je gage qu’il n’aurait au pire fait que quelques jours de geôle ; la pression internationale et nationale aurait pu pleinement s’exercer et quelle aura politique !!!
Rovahiga [14] ao amin'ny hafatra mitondra ny lohateny hoe ‘Rajoelina marque contre son camp’ (Namono tena, eo amin'ny sehatry ny baolina, Rajoelina) ary nilaza fa faharesena ho an'ny ankolafy Rajoelina ny tsy namelana an-dRavalomanana hody.
Ny Ambasady Amerikana izay nanaraka akaiky ny raharaha tao amin'ny Twitter dia tsy nanaiky ny Tati-baovaon'ny CNN [15] izay nilaza fa tsy nanaiky ny hodian-dRavalomanana i Etazonia:
@USMadagascar [16]: US regrets the circulation of a story by CNN that incorrectly reflects our official position on the return of Ravalomanana to #Madagascar [17]
Miahiahy izay mety ho fiantraikan'io saritaka tamin'ny Asabotsy io i Fijery [13][fr], indrindra fa izay avy any amin'ny Fiarahamonina Iraisampirenena, izay tsy nahavita nampandroso ny fampiharana ny tondrozotra hitondra fandriampahalemana ho an'i Madagasikara:
ce retour en plein ciel à quelques miles d’Antananarivo devant des journalistes internationaux ridiculise, si besoin était encore, un régime hâtif marqué par l’amateurisme. […] En parallèle, cette décision montre à la Communauté internationale à quel point Andry Rajoelina et la clique qui l’entoure sont peu désireux de réconciliation et d’apaisement. Ceci étant dit, je ne crois pas que cela aura beaucoup d’impact. Quand on a vu avec quel empressement l’ambassadeur de l’ Union européenne et le Coordonateur des Nations unies sont allés se défroquer devant Monsieur Rajoelina, sans tenir compte des violations de la démocratie et des droits de l’homme, on peut se dire raisonnablement que ce n’est pas un dérapage de plus qui va émouvoir la communauté internationale, prête à gober les couleuvres hâtives.
Hatramin'ny Asabotsy dia nampanantsoina haingana anio ho any Johannesburg ny ankolafy mandray anjara [18][fr] hivory hiaraka amin'ny SADC (Southern African Development Community). Nisy nitatitra fa nanatrika izany ny Praiminisitry ny tetezamita eto Madagasikara, Omer Beriziky.