Nomad Green: Ahiahy Mikasika Ny Ulaanbaatar

Manely ny heviny ireo mpanao gazetim-bahoaka miaro ny tontolo iainana ao amin'ny Nomad Green mikasika ireo olana manodidina ny tontolo iainana mihasimba any Mongolia. Navoaka amin'ny teny Mongoliana ireo lahatsoratra ireo tany am-boalohany ary voadika amin'ny teny Anglisy sy Sinoa ny sasany amin'izy ireo.

Mitatitra (nadikan'i Bolorerdene) ny mpianatry ny Anjerimanontolon'ny tanàna, Munkhtsatsral. B fa nanomboka nisy fiatraikany any Mongolia ny fiakaran'ny hafanan'ny Tany hatramin'ny 1970 ary any Mongolia daholo no mipoitra ny maro amin'ireto loza voajanahary ireto:

Doro ala: 15%-n'ny tontolon'i Mangolia dia ahitana ala izay voakasik'io doro ala io. Tamin'ny 1998, nisy doro ala 132.

Tafio-bovoka sy Tafio-dranomandry:  Tamin'ny 1996-1997 dia nisy tafio-dranomandry izay nitarika ny fivainganana biby fiompy 600000 sy nampisy fiatraikany tamin'ny 20%-n'ny tanin'i Mongolia.

Haintany: Iray ampaha-efatr'i Mongolia no iharan'io haintany io isaky ny 2 na 3 taona.

Misy ihany koa ny ora-mikija sy tondra-drano mafy.

Miandraikitra ny 60%-n'ny fandotoana ny tanàna nandritra ny volan-dririnina lavabe ireo trano fonenana nentim-paharazana any Ulaanbaatar, Mongolia. Sary avy amin'i Andrew Cullen. Copyright Demotix.

Manamafy i Bulgantsetseg.N. fa mifamatotra amin'ireo zavatra ara-kolontsaina Mongoliana asongadina, fomba fiaina, toetr'andro sy ireo antony hafa ny Trano fonenana Mongoliana Ger (Yurt). Na dia izany aza no antony voalohany indrindra mahatonga ny fandotoana any amin'ny renivohitr'Ulaanbaatar, afaka ampiasaina izy ireo any amin'ny faritra ambanivohitra.

Tsy fonenana izay hitoeran'ireo olona mahantra ihany ny  ger Mongoliana. Toa fandaniana fotsiny ihany izany eo amin'ny fiainantsika andavanandro, nefa tsy mora tahaka ny fahitàna azy izany. Porofo mivaingana ara-tantara izay maneho ny kolontsaina fahagolan'ny Mongoliana tamin'ireo vaninandro lasa izany. Izany no mahatonga ny ger Mongoliana ho tokony ampiasain'ireo olona tahaka ireo mpiompy any amin'ny faritra ambanivohitra, mba tsy hahaverezan'ireo zavatra manan-danjan'ny ger Mongoliana.

Manamarika i Bolorerdene E fa henjana be ny fiakàran'ny fandotoana tany Ulaanbaatar nandritra ireo 10 taona lasa, tsy noho ny fahalotoan'ny rivotra ihany. Mitsikera i Bolorerdene:

Isan-taona dia misy fako 600 arivo metatra tora-telo, taratasy ny 25%, singa organika ny 17%, plastika ny 34%, kanety, tavoahangy, sy lavenona. Ny 20%-n'ny fako mampidi-doza dia miharihary ary tsy misy fandinihana manokana, noho izany dia tokony handray fepetra tsy misy hatak'andro ny governemanta hanoherana izany.

Miresaka momba ny fahatsapan'ireo olom-pirenena manoloana ny fanariana ara-dalàna ireo fako sy ny fampiasàna solika tsy miteraka setroka hanànana tontolo iainana maitso kokoa i Urantuya.M..

Mampifantoka ny saina amina olana hafa any Ulaanbaatar i Bayarmaa.J. :

Tokony hanivana ny rano maloto alohan'ny hanariana ny rano mankany amin'ny Reniranon'i Tuul ny fametrahana ilay fotodrafitrasa mampiasa “detergent” any Ulaanbaatar; tonga dia arian'izy ireo any amin'ny Reniranon'i Tuul fotsiny ny rano misy akora simika mahafaty noho ny olana ara-teknika nandritra ireo taona lasa. Potika ny trondro tao amin'ny Reniranon'i Tuul River noho ny hetsika tsy voahevitry ny olona maro.

Vakio ny vohikalan'ny Nomad Green raha mila vaovao hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.