Myanmar: Mahafinaritra Ity Zoma 13 Ity

Noporofoin'ny Filohan'i Myanmar Thein Sein fa tsy misangy ny governemanta amin'ny fananganana ny demokrasia tamin'ny alalan'ny fanafahana ny gadra politika rehetra androany. Araka ny vaovao notaterin'ny fahitalavim-panjakana, mpanohitra 651 no navoaka ny fonja.

Heverina ho toy ny dingana lehibe mankany amin'ny lalan'ny demokrasia ao Myanmar ny fanafahana ireo gadra politika malaza ireo. Anisan'ny nahazo fahafahana tamin'izany ireo mpitolon'ny taranaka 88: Min Ko Naing, Ko Ko Gyi, Mya Aye, Jimmy, ary i Ni Lar Thein, ao koa ilay moanina mpitolona Ashin Gambira, ny Praiminisitra teo aloha Khin Nyunt sy ny zanany lahy, ary ilay mpamaham-bolongana Nay Phone Latt. Samy nifampitafatafa tamin'io olona fanta-daza ny sampam-panangonam-baovao avy ao an-toerana sy avy any ivelany taorian'ny fanafhana azy ireo. 

Gadra politika anj-jatony no noafahana tao Myanmar tamin'ny 'Zoma 13 Mahafinaritra'

Niombon-kevitra tamin'i Aung San Suu Kyi, ilay olomangan'ny demokrasia ao Myanmar ny Praiminisitra teo aloha Khin Nyunt nilaza fa dingana iray mankany amin'ny lalana marina ny fanapaha-kevitra farany noraisin'ny governemanta. Indreto tatitra avy amin'ny Vondrona Fampahalalam-baovao ” Eleven Media Group”:

Mahafinaritra ny governemanta ankehitriny. Satria nihaona tamin'i Daw Aung San Suu Kyi izy ireo. Ary ny ezaka nataon'i Daw Aung San Suu Kyi, sy ny ezaka nataon'ny filoha, ary ny ezaka nataon'izy roa tonta no mety hitondra hoavy mamiratra eto amin'ny firenena, araka ny eritreritro.

Namoaka ny kabary nataon'i Min Ko Naing sy Ni Lar Thein ny Democratic Voice of Burma ( Feon'i Birmania Demokratika) . Vahoaka an'arivony mahery no nitsena an'i Min Ko Naing:

Misaotra anareo rehetra, tany am-ponja foana aho nandritra ny 20 taona. Kanefa mbola salama ihany aho araka izao fahitanareo ahy izao noho ny fitiavan'ny vahoaka. Noho ny demokrasia izay antenain'ny vahoaka, mampanantena antsika aho fa hotohizantsika izany mandra-pahatratra ny tanjona.

Nanamafy ihany koa i  Ni lar Thein fa tsy nisy taratasy nosoniaviny mikasika ny fanafahana azy.

Vahoaka maro manerana ny firenena no naneho ny hafaliany tamin'ny valantserasera taorian'ny filazana ny fanafahana ireo gadra. Brownboy naneho hevitra tao amin'ny vaovao farany an'ny Eleven Media Group :

Ankehitriny faly anaty sy ivelany ny vahoaka. Mankasitraka ny Governemanta…Vokatra azon'ny tsirairay  tsapain-tanana izao..
Fa nahoana no tsy nataon-dry zareo loha-laharana izao…?
Na dia izany aza, fotoana tokony iravoravoantsika izao…
Ho ela velona ny vahoaka & Firenena!!!

KHZ1994, mpaneho hevitra hafa, naneho ny hafaliany :

Tsy mahatsiaro sakafo atoandro intsony aho. Satria mbola variana mamaky vaovao sy ny fanehoan-kevitra rehetra. Ranomasom-pifaliana ho an'ny vahoaka  ny andro androany.

Namoaka fanehoan-kevitra toy ny hoe “Zoma [faha-13] Mahafinaritra”, “Afaka izahay”, “Misaotra ny Filoha” sy ny hoe “angano tsy mampino androany” ny mpiserasera Myanmar ao amin'ny Facebook ho fanehoana ny fihetseham-po noho ny vaovao. Nihevitra ihany koa ireo mpiserasera sasantsany fa hamaritra ny ho avin'i Myanmar ao anatin'ny fotoana fohy ny fanovana azo tsapain-tanana.

Maung Maung San nandefa sarisary ho an'ny filoha no sady nilaza hoe:

Tena fanapahan-kevitra hentitra izany Andriamatoa Thein Sein. Hitako eto ny fanafoanana ny sazy ary hisy ny firoboroboana ara-toekarena atsy ho atsy. Zoma [faha-13] tsara ny androany.

TeZa Hlaing nandefa ny heviny tao amin'ny facebook:

tsy taonan'ny fara andro ny taona 2012 fa taonan'ny fanombohana ho an'i Myanmar.

SG_Lion nilaza ny eritreriny mikasika ny hoavin'ny firenena:

 Andramo ho an'ny firenentsika ny hijoro amim-pahasahiana eo amin’ izao tontolo izao ka adinoina avokoa ny lasa rehetra. Hofoanana avokoa ny sazy rehetra, ary hihatsara ny fampiasam-bola ao Myanmar avy any Eoropa, Etazonia sy ny firenena hafa any ivelany. Ho avy tsy ho ela anie ny andro ahafahantsika milaza am-pireharehana hoe “Myanmar aho”

Araka ny gazety Myanmar Times, Aung San Suu Kyi naneho hevitra taorian'ny fihaonany tamin'ny solombavahoaka Amerikana iray :

Nanambara aho fa mety ho afahana izy ireo. Ary ankehitriny, afaka izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.