Okraina: Ny Anjara asan'ny Mpiandraikitra ny Fampahalalam-baovaon'ny ASTAU

I Svetlana Sharamok dia mpiandraikitra ny fampahalalam-baovaon'ny Association of Substitution Treatment Advocates of Ukraine (ASTAU), izay mpikambana ao anatin'izany ny tetikasa Drop-In Center tohanan'ny Rising Voices. Ny ASTAU koa dia hery iray lehibe tao ambadik'ireo hetsiky ny mediam-bahoaka izay nasongadintsika nandritra iny taona lasa iny. Vao tamin'ny faramparan'ny 2011 i Svetlana no nanomboka niasa tao amin'ny ASTAU. Miaraka amin'ny traikefany teo amin'ny fanaovan-gazety, tompon'andraikitra amin'ny fanavaozana ny vohikalan'izy ireo izy, ny kaonty Facebook, sy ny fanandratana ny asan'ny ASTAU eny anivon'ny vahoaka Okrainiana. Anatin'ity tafatafa tamin'ny alàlan'ny mailaka miaraka amin'ny Rising Voices ity, miresaka momba ny tenany izy, ny asany ao amin'ny fikambanana, sy ny tetikadiny hoavy amin'ny fampiasàna ny mediam-bahoaka mba hanandratana ny fahamailoana momba ny fikambanany sy ny vahoaka izay iasany.

Svetlana Sharamok, mpiandraikitra ny fampahalalam-baovaon'ny ASTAU

Rising Voices: Afaka milazalaza fohifohy ny mikasika anao ve ianao?

Svetlana Sharamok: Tanora, aho, tsara tarehy, ary faly. Mpanao gazety no asako taloha. Tiako ny manangana sy mametraka tetikasa sosialy samy hafa, ny manao zavatra izay mahatonga ny vahoaka mijery ireo zavaboahary avy amina fomba fijery vaovao, tahaka ireo fako na tara (godorao) na ny fametrahana aro tànana sy satroka amin'ireo hazo mba hitazonanana azy ireo hafàna amin'ny ririnina. Tia tsangantsangana ihany koa aho.

RV: Ahoana ny fomba nidiranao tao amin'io fikambanana io ary inona ny ataonao amin'ny maha mpiandraikitra ny fampahalalam-baovao anao?

SS: Amin'ny maha mpanao gazety ahy, tsy nihevitra ny hiditra tao amin'io Fikambanana io mihitsy aho, tsy nahafantatra ny fisiany akory aza. Rehefa tafahaona tamin'i Olga [Olga Beliayeva aho, izay lohan'ilay Fikambanana] ary rehefa nahita ny sariko niseho tamin'ilay ‘Konoplianaya Pravda’ [gazety, avoakan'ilay Fikambanana] aho, dia tonga saina fa mety hiasa any aho angamba. Nefa nitranga haingana noho izay noheveriko izany. Nanomboka niasa tao amin'ilay Fikambanana nandritra ny volana fohy monja aho, nefa tsapako fa tsy nisy izany teny hoe ‘tsy mety tanteraka’ izany, afaka manatanteraka ny zava-drehetra isika, raha misy zavatra tsy haintsika – afaka ianarana izany. Angamba izany fomba fisaina izany no tiako indrindra amin'ny asako.

Tsy maintsy mifandray tsy tapaka amin'ireo mpikambana ao anatin'ny Fikambanana aho, manavao ny pejy Facebook-ny Fikambanana, manavao ny pejim-baovao ao amin'ny vohikala – Izany no tena ventin'ny andraikitro amin'ny asa sahaniko. Be ny asa tsy maintsy ataoko, nefa samy hafa izany ary mahaliana. Amin'izao fotoana izao aho dia mandeha matetika any amin'ireo toerana manao fitsaboana fanolo, mihaona amin'ireo mpitsabo, mpitsabo mpanampy, ireo marary, ary mahatsapa aho fa atsy ho atsy dia hihaona amin'ny mpitandro filaminana ihany koa. Ankehitriny, alohan'ny fifidianana ireo Filankevi-pitantanan'ny Fikambanana, nihaona taminà mafana fo maro sy ireo solontenam-paritra aho.

RV: Afaka manoritsoritra ny andro fiasanao andavanandro ve ianao?

SS: Mpiandraikitra ny fampahalalam-baovao aho. Androany, ohatra, ao amin'ny fandaharam-potoako dia mila miantso mpikambana 80 eo ho eo  aho avy ao amin'ny fikambanana izay midika fa eo amin'ny olona 50 eo no mirary zava-tsoa ho ahy, ary miandry aho alohan'ny mahatanteraka ireo firariana ireo. Mety hizara vaovao amiko ny sasany amin'ireo olona ireo tahaka ny fandehanan'ny zanany any an-tsekoly, ny olona sasany mety hiteny amiko fa nahita asa izy, ireo mpikambana sasany dia hiatrika resadresaka amin'ny TV mikasika ny rongony. Matetika aho no sambany vao mba miantso voalohany olona iray, nefa toy ny hoe miresaka aminà namana efa hatry ny ela izany.

Ny maraina, matetika aho no mitsidika ireo toerana ORT ary mihaona amin'ireo mpitsabo sy ireo marary. Maika ireo marary, tsy maintsy maka ny fanafodiny izy ireo ary avy eo mihazakazaka mamonjy ny fiasàny tsirairay avy. Ny sasany amin'ireo marary no tonga ao amin'ireo toerana miaraka amin'ny havany, tsy sanatria noteren'izy ireo handray ny fitsaboana ireo marary, fa kosa hiaro azy ireo amin'ny mpitandro filaminana, nefa tsy dia manampy mandrakariva izany.

RV: Inona ireo laminasan'ny hoavy amin'ny maha mpiandraikitra ny fampahalalam-baovaon'ny ASTAU anao?

SS: Te-hamokatra lahatsary fohy fanadihadiana momba ireo olona mandray anjara amin'ny fitsaboana fanolo ho an'iireo mpidoroka rongony aho. Tsy azoko ny mahatonga resaka marobe momba ny fitsaboana fanolo ny rongony (ORT), matetika aho no mihaona amin'ireo olona ireo ary toa endrik'olona mpampiasa ‘insuline’ fa tsy olona nidoroka rongony, nefa mazava ho azy fa mahita toetran'olona samy hafa ianao… Ny laminasako hafa dia ny fampitomboana ny fahafanam-pon'ireo mpitoraka bilaogy ao amin'ny aterineto – ireo marary ny ORT ao amin'ny Facebook sy ny vohikalanay satria mino aho fa mahaliana sy ilaina ny zava-niainan'izy ireo.

Svetlana Sharamok, mpiandraikitra ny fampahalalam-baovaon'ny ASTAU

RV: Ahoana ny hamariparitanao ireo mpikambana ao amin'io fikambanana io?

SS: Indray mandeha aho nisy nanontany ny fomba hamaritako ny olona iray mpidoroka rongony fahiny. Nieritreritra mafy aho talohan'ny namaliako ity fanontaniana ity. Marina e, fa iza moa ireo mararin'ny ORT? Tsy toy ny fianakabiambenà mpivohy bisikleta, na mpitondra moto na mpankafy rongony marijuana izy ireo. Olona samy manana ny tantaram-piainany izy ireo ary avy aminà sehatr'asa samy hafa. Nanao lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ireo vehivavy, ny fianakavian'i Sergey sy ny asan'i Lena taminà fanaovana asa soa ary manampy ny olon-kafa mba hampihena ny ratra ateraky ny fidorohana rongony i Igor. I Eugene dia miasa amina trano fivarotam-panafody; I Olga dia talen'ny fanaovana asasoa. Fiainana ny fiainana ary tsy manome fitokisana ho an'ny olona izay zatra nidoroka rongony izany.

RV: Araka ny hevitrao dia inona no ataon'ny Fikambanana ho an'ireo mpikambana ao aminy? Ahoana ny fomba hanampiany azy ireo?

SS: Ho an'ny olona sasany, ity Fikambanana ity no fiainany. Indraindray ianao dia miantso ny olona tahaka ireny ary maheno momba ny fomba iadian'izy ho fitohizan'ny fitsaboana [ny fisian'ireo Methadone any amin'ireo toeram-pitsaboana hafa], ary andro vitsy aty aoriana ianao dia mahita ireo vaovao fa anatin'ity tanàna ity manokana dia mahazo ny fanafody ao amin'ny trano fitsaboana ireo marary voalohany. Ny olona sasany dia niditra mpikambana ao amin'ity Fikambanana ity mba hahalala fotsiny ny toerana tokony haleha sy ny olona tokony hatonin-dry zareo rehefa mila fanohanana izy. Izahay dia karazana tetezana eo amin'ireo mpiasan'ny toeram-pitsaboana, mpiandraikitra ny fitandroana ny fahasalamana, sy ny olona izay mandray ny fitsaboana ORT na koa vao maniry ny hanomboka handray izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.