Taiwan: Tsy Mijery Ny Fahorian'Ireo Tantsaha Ny Fandinihana Ny Làlana Momba Ny Fakàna Ny Tany

Tato anatin'ny roa taona farany, hetsi-panoherana maro avy amin'ireo tantsaha manohitra ny fisintonana ny taniny no nitranga tao Taiwan. Nangataka ny governemanta hiaro ny tany fambolena amin'ny fakàna an-keriny ny tany ny vondron'ireo tantsaha any an-toerana, amin'ny fanovàna ny lalàna mifehy ny fisintonan'ny fanjakàna ny tany.

Koa satria efa mihamanakaiky ny fifidianana ny ho filoham-pirenena, ireo mpanao politika mpikambana ao amin'ny Yuan mpanatanteraka dia nanapa-kevitra ny hamerina handinika ilay lalàna. Na izany aza, raha tokony ho ny fahorian'ireo tantsaha no vahàna, tamin'ny 13 Desambra 2011, ireo mpanao lalàna avy ao amin'ny Yuan mpanao lalàna dia nandàny fanitsiana iray tamin'ilay lalàna izay nampidirany ny maha-lohalaharana ny fampandrosoana manoloana ny fanajàna ny zon'olombelona.

Hsu SJ, mpampianatra eny amin'ny Anjerimanontolo, dia namintina ny olana mikasika ilay tolo-dalàna (nadikan'i Paul Cooper sy Drew Cameron avy tao amin'ny bilaoginy):

Voalohany indrindra, ny fakàna an-keriny ny tany dia mahakasika zon'olombelona ary tsy resaka manodidina izay bolongam-bola hatolotra ho onitra fotsiny. Tsy dia fahita anaty demaokrasia araka ny lalampanorenana ny fakàna an-keriny ny tany — tsy tahaka an'i Taiwan. Izany dia satria ireny firenena ireny mahita io olana io ho iray mifandray amin'ny zon'olombelona sy iray mila arahana akaiky.

Faharoa, ny fakàna indray ny tany dia olana ara-drafitra sy tsy resaka fanombànana ara-teknika fotsiny na dia kely aza. Satria ny fakàna ny tany dia fangalàrana atao amin'ny vahoaka ny zony niantohan'ny lalampanorenana notsiahivina ery ambony, ny fakàna ny tany dia tsy maintsy mandalo fepetra faran'izay henjana — tsy maintsy manasoa ny fiarahamonina, tsy mitanila, ary fara-fidy sy feno tanteraka amin'ny lafiny onitra. Tsy misy tokony ho tsinontsinoavina na dia ny iray aza amin'ireo fepetra ireo.

The old lady is worried that her mother will become homeless. Photo by CHYNG

Vaviantitra iray manahy ny amin'ny haha-olona tsy manan-kialofana ny reniny. Sary avy amin'i CHYNG

Ao amin'ny bilaoginy ilay mpanao gazety tsy miankina, Shuchuan, dia nampitàha [zh] ny tolo-kevitr'ireo vondronà tantsaha sy ny famerenan'ny governemanta mandinika ny lalàna. Somary mibaribary ihany, ilay tolo-dalàna nolaniana dia tsy namaly ny fitakian'ireo tantsaha mba hisian'ny dingana tsy mitanila :

 

民間版本明確指出「特定農業區不得徵收」,只容許國防、水利等重大急迫者可考慮例外。行政院版雖也提出「特定農業區農牧用地不得納入」,但卻開了許多後門,例如包含國防、交通、公用事業、水利事業、公共衛生及環保事業、以及爭議最大的「經行政院核定的重大建設所需者,不在此限」。

Ny fiarahamonina Sivily dia nangataka hoe “ireo tany fambolena  amin'ireo faritra mamokatra” dia tokony tsy ampidirina amin'ilay fisintonana indray, raha tsy ohatra angaha ka hoe noho ireo tetikasa ho an'ny tombontsoan'ny besinimaro, toy ny asa fanorenana ara-tafika na fitarihan-drano. Ny fanavaozana napetraky ny Yuan mpanatanteraka dia nahitàna lisitra lavabe amin'ireo antony manokana, toy ny : fanorenana ara-tafika, ny fifamoivoizana, fitarihan-drano, ny ara-pahasalaman'ny daholobe, tetikasa momba ny tontolo iainana sy ireo  “tetikasa efa nankatoavin'ny Yuan mpanatanteraka”.

行政院願在徵收前舉行公聽會,但不願舉行聽證會。(兩者差異甚大,公聽會沒有法律效力,人民在公聽會所提意見是否被採納,全看主辦單位,而聽證會依行政程序法舉辦,各方在聽證會中所言具法律效力)

Ny Yuan mpanatanteraka dia nanaiky ny hikarakara fotsiny fanatonana hakàna ny hevitry ny vahoaka fa tsy fidinana hihaino ny feony alohan'ny hakàna ny tany. ( Ny fakàna ny hevitry ny olona tsy midika fanerena araka ny lalàna, ny manampahefana dia afaka mihaino amin'ny alàlan'ny fifantenana ireo soso-kevitra naroso tamin'ny fakàna hevitra, raha toa kosa ny fihainoana ny feon'ny olona dia dingana araka ny lalàna izay ny votoatiny dia mivadika ho fanerena araka ny lalàna izay nifampiresahana tao. )

行政院版從過去的公告地價加四成改成「市價徵收」,但所謂「市價」是由地方政府調查,並提交「地價評議委員會」評定。但許多土地徵收案都由地方政府發動,如果再由地方政府調查、評議,農村陣線認為無法達到公正客觀。

民間版本提出應委託三位以上不動產估價師進行查估,再提出全部估價報告由中央主管機關做為審議的參考。

Novain'ny Yuan mpanatanteraka ny fanonerana ny fakàna ny tany, miala avy amin'ny fanomezana tamby raikitra, ho amin'ny tamby “hita eny anivon'ny tsena”. Saingy ilay nantsoina hoe “hita eny anivon'ny tsena” dia ny governemanta ao an-toerana no nandroso azy teo anoloan'ny “kaomisiona mpanombana ny sandan'ny tany”. Koa satria maro tamin'ireo fakàna indray ny tany no ny governemanta ao an-toerana no nanao azy, tsy dia azo inoana loatra ny maha-tsy miangatra ny fanombanan'izy ireo ny sandan'ny tany.

Ny fiarahamonina sivily dia mangataka ny hampanaovana fanombànana ny sandan'ny tany aminà sampana tsy miankina telo ka ny manampahefanan'ny governemanta foibe no tokony ho tompon'andraikitra hanapa-kevitra amin'izay “sandan'ny tsena”.

如因徵收而無屋可住者的安置措施,行政院版提出的對象僅限於「徵收公告前有居住事實的低收入戶、或無屋可居住者」。

但民間版本提出安置應一視同仁,不必限定。

Araka ny soso-kevitry ny Yuan mpanatanteraka, ny governemanta dia hanome fotsiny toeram-ponenana ho an'ireo tsy manan-kialofana ary ireo olona kely fidiram-bola tratr'ilay fakàna ny tany. Mangataka ny hanomezana toeram-ponenana ho an'ny rehetra kosa ny fiarahamonina sivily.

Ny alin'ny 13 Desambra, rehefa niady hevitra momba ny Lalàna Mikasika ny Fakàna ny Tany ireo mpanao politika tao amin'ny Yuan mpanao lalàna, ny tantsaha sy ireo mafàna fo avy amin'ny Mandatehezan'ny Ambanivohitra ao Taiwan dia nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ilay tranobe nangataka ny rariny momba ny tany. Ity ambany ity ny lahatsary fohy iray nakàrin'i Taipeicitypost maneho ny teny amin'ny toerana nisy hetsi-panoherana. Ireo mpanao hetsika manohy mikiaka ny hoe, “Ho an'ny rariny amin'ny tany, aza manao marimaritra iraisana”:

Maro ireo tantsaha nizara ny tantaran-dry zareo mikasika ny fakàna an-keriny ny tany io alina io. Xie Er-ting, mianatra eny amin'ny Anjerimanontolo, dia nizara [zh] ao amin'ny bilaoginy izay henony avy tamin'ireo tantsaha :

獲選台灣十大經典好米的阿燈大哥,上台說:「各位,我的稻田也被徵收了。」連續三年獲得竹北稻米大賽前三名的農民,土地被璞玉計畫徵收,而規劃中的台大校區,迄今閒置十年。七十歲的阿嬤泛著淚,因為她一百歲的母親,可能隨時流離失所。一位客家老農,在台上講到最後,突然大聲唱起大家都聽不太懂的山歌,彷彿為了召喚什麼,彷彿他已經不知道還能做什麼,能讓他內心平靜。

Ny rahalahy Ar-den, nahazo ny lokan'ny tantsaha Taiwanais 10 mpamboly vary mendrika indrindra, dia niteny tamin'ny rehetra avy eny ambony lampihazo : “Nalaina tamiko ny tany famboleko.” Ny tany fambolen'ireo Chubei telo hafa koa, izay isan'ireo telo mendrika indrindra tamin'ny lokan'ny fambolem-bary nandritra ny taona telo nifandimby, dia isan'ny nalaina mba hanamboarana toeram-ponenana ho an'ny Anjerimanontolom-panjakana Taiwanais. Nefa nandritra ny folo taona maninjitra dia nijanona tsy natao na inona na inona ilay tany nalaina. Vaviantitra iray 70 taona no latsa-dranomaso teny ambony lampihazo satria tsy ho ela dia hanjary tsy hanan-kialofana ny reniny izay efa 100 taona. Tantsaha iray avy amin'ny Hakka no tsy nahavita nanohy ny teniny ary nanomboka nihira ny hira iray vokatry ny tany, tahaka ny hoe miantso ny fanahy mba hampitony ny fony izy.

Nalahelo mafy i Xie ary nametra-panontaniana ny amin'ny anjara toeran'ny governemanta :

政府在哪裡?整個晚上,未見任何官員前來關心,制服警察在會場入口森冷地站成一排。立委們將法案逕付二讀,要在房間內「協調」,「分配」好這些人的未來去向。

Aiza ny governemanta? Tsy nisy na iray aza manampahefana avy amin'ny governemanta mba niasa saina iny alina iny. Ny hany hitantsika dia manamboninahitry ny polisy nijoro teo tsy taitra akory tao anaty fanamian-dry zareo nanoloana ny vavahady. Ireo mpanao lalàna dia “nifampiraharaha” tao anatin'ilay tranobe ny amin'ny ho fandinihan-dry zareo fanindroany indray ilay tolo-dalàna, “nametraka” ny hoavin'ireo vahoaka ao ivelan'ilay tranobe.

在這個國家,我的家,可能因為一張莫名的公告,就被廉價徵收;在這個國家,年均收入兩萬美金,是世界的科技重鎮,卻讓一群年邁的老人,在寒風中請求大家幫忙,不要讓他們流離失所。我不知道這個國家進步在哪,我真的不知道。

Eto amin'ity firenena ity, na ny tranoko aza dia mety halaina amiko aminà sandany vary iraiventy noho ny “fanambaràna” tsy hay hazavaina. Eto amin'ity firenena ity, ny vola miditra isan-taona isam-batan'olona dia tafakatra hatramin'ny 20.000 dolara amerikana. Eto no “silicon valley” an'izao tontolo izao. Na izany aza, ny zavatra hitantsika eto dia vondronà zokiolona mitalaho fanampiana anaty alin-dririnina mamirifiry. Tsy maniry ny ho lasa tsy manan-kialofana izy ireo, izay ihany. Dia azontsika lazaina ve fa firenena mandroso ity? Tena tsy haiko marina an.

Tena marina, nahazo vàhana be ny fiantraikan'ny fakàna ny tany tao Taiwan, ny “Food Crisis and Global Land Grab” dia namoaka lisitr'ireo toerana nosintonin'ny fanjakàna ho azy indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.