Ny Lahatsoratra Global Voices Be Mpamaky Indrindra Tamin'ny Taona 2011

Fanamarihana: ny rohy arahina [mg] rehetra dia amin'ny teny malagasy ary ny arahina [fr] kosa dia amin'ny teny frantsay.

Ireo lahatsoratra 20 voalohany be mpamaky indrindra tato amin'ny Global Voices nandritra ny taona 2011 dia ahitana ny momba an'i Japana, telo avy ao Ejipta, ary roa avy ao Filipina. Ary tantara tokana kosa ny momba ilay mamba goavana be [mg]!

Taona tsy mampino iny taona lasa iny amin'ny fahatakaran'ny tambajotran-tserasera lavitra sy ny fanekena azy manerantany, ary midika izany fa tsy manirery ny Global Voices raha tatitra momba ny tweet na lahatsoratra bilaogy no resahina. Ary raha mihavasoka ny fankafizana ny fampahalalam-baovao mahazatra, izahay kosa anisan'ireo manohy manangom-baovao amin'izay tian'ny mpamaham-bolongana ho fantatra manerana izao tontolo izao.

Self Defence Forces arrive at the scene of the tsunami in Japan. Image by cosmobot, copyright Demotix (13/03/11).

Tonga tao an-toerana nitrangana tsunami tao Japana ny mpitandro ny filaminana. Sary avy amin'ny cosmobot, copyright Demotix (13/03/11).

Tsy taratra amin'ny lisitry ny lahatsoratra 20 be mpamaky be indrindra etsy ambany izay tena mampirehareha anay tamin'iny taona 2011 iny. Nandritra iny taona iny, tafakatra maherin'ny 500 ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpandika lahatsoratra sy mpandika teny amin'ny fiteny maro samihafa sy avy amin'ny firenen-tsamihafa  miara misalahy ato aminay, ary maherin'ny 2600 kosa ny lahatsoratra lava navoaka ary 6300 kosa ny lahatsoratra fohy raha ny teny anglisy ihany no jerena.

Tsy azo sorohina koa anefa, fa maro amin'ireo lahatsoratra mendrika tokony hovakiana no tsy dia misy mpamaky firy ao amin'ny firenena satria efa resahin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena be loatra ny momba azy ireny. Fitantarana manokana manavatsava an'i Afrika,  Kaokazy, Makedonia, ny Aterineto amin'ny teny Rosiana, Amerika Latina ary ny momba ny zon'ny indizeny[vazimba teratany] no sasany amin'ireo misongadina . Jereo ny tamberin'ny taona 2011 nosoratan'ny toniam-paritra sy ny mpanoratra amin'izay lahatsoratra mety ho tsy mbola tsy novinakinao.

Mendrika omena fanamarihana manokana ny ekipa ao Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra tamin'iny taona iny. Mifofotra sy nikezaka tokoa izy ireo nandritra ny fihetsiketsehana, ny sivana, ny fandrahonana isan-karazany. Mbola miely foana ny sary misy rà mandriaka, saingy mitady hevitra mivaingana azo raisina sy hevitra ho amin'ny fifampiresahana hatrany ny mpanoratra ato aminay. Matetika izahay no  mizara lahatsoratra mampitokelaka sy zava-mitranga avy eny amin'ny faritra izy ireo izay sarotra azo any an-tany hafa raha tsy misy mpitari-dalana.

Sambany angamba no tsy tafiditra tao anatin'ny lahatsoratra 20 voalohany i Shina tamin'iny taona 2011 iny. Mety fotoana manalasala amin'ny famoahana bilaogy ny miditra lohahevitra mampiady hevitra – mpanoratra lahatsoratra avy amin'ny firenena maro hafa ato amin'ny Global Voices ihany koa no indrisy fa niharan'izany. Mahatonga ny lahatsoratra avy amin'ny firenena ratsy fijery momba ny fahalalaham-pitenenana ho sarobidy kokoa izany.

Lahatsoratra Global Voices be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2011

  1. Ejipta: Nirotsaka ny Alina, Taorian'ny Andron'ny Haromotana [mg]
  2. Japon : Nous perdons face à Apple, et voici pourquoi [fr]
  3. Mametraka an-tsarintany ny tondra-drano any Thailandy [mg] (sy ity [fr])
  4. Syria : Bilaogeran'ny ‘Gay Girl in Damascus’ nalaina ankeriny [mg] (ary eto[mg])
  5. Filipina: Adihevitra Momba ny Volavolan-dalàna Momba Ny Fisarahana Am-Panambadiana [mg]
  6. Japon : Tweeter depuis Fukushima [fr]
  7. Filipina: Lolong, Mamba Goavana Indrindra Manerantany [mg]
  8. India: Ny Zanak'i Aishwarya Rai Sy Ny Hadalan'ny Haino Aman-jery [mg]
  9. Ejipta: Feminista Namoaka Ny Sariny Mitanjaka “Hilazany Ny Fahalalahany” [mg]
  10. Japon : “Catastrophes et miracles”, récit d'une rescapée [fr]
  11. Serbia: Fihetseham-po noho ny Tantaran'ireo Serba Mpikarama an'ady Any Libya [mg]
  12. Horohorontany mahery vaika indrindra teo amin'ny tantaran'i Japana [mg]
  13. Ny sainam-pirenena vaovao sy ny anarana vaovaon'i Myanmar [mg]
  14. Mexique : Peur, incertitudes et doutes entourent l'opération #OpCartel [fr]
  15. Arzantina: Mpamoron-kira Facundo Cabral Nisy Namono Tao Goatemala [mg]
  16. Afrique, France : Nafissatou Diallo, victime ou conspiratrice ? [fr]
  17. Japana: Tahotra any Fukushima [mg]
  18. Libya: Is Khamis Gaddafi Really Dead?
  19. Egypte : La révolution KFC [fr]
  20. Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe [mg]

Fitantarana manokana be mpanaraka hafa:

  1. Egypt Revolution 2011
  2. Japan Earthquake 2011
  3. Bahrain Protests 2011
  4. Libya Uprising 2011
  5. Tunisia Revolution 2011

Ny taona 2011, hitan'izao tontolo izao tsara ny herin'ny valantserasera izay mitondra fanovana. Antenainay fa ny lalana tsara indrindra hanohanana izany feo marobe avy amin'ny firene-tsamihafa izany dia ny mihaino. Misaotra indrindra mamaky ny Global Voices! Ary raha sitrakao, tohano ny asa ataonay amin'ny alalan'ny fanomezana



Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.