Hongria: Fahatsiarovana Avy Amin'ny Lasin-Dohataona Reharehan'ny Roms Tao Barvalipe

Tanora Roms valo ambiroapolo no niaraka tamin'ny volana Aogositra 2011 tamin'ilay Lasin-Dohataona Reharehan'ny Roms voalohany nahafahan-dry zareo nianatra momba ny teniny, ny tantarany, ny anjara toerany ho filamatra ary izay zava-bita, mba ho ezaka hametrahana fahatsapan-tena ho manana adidy sy olona tompon'andraikitra ara-tsosialy.

Ny vahoaka Roms no vitsy an'isa be indrindra any Eoropa, mizaka ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manortra, tsy fananana asa, fahantrana ary fanavakavahana. Ny Open Society Institute dia nanapa-kevitra ny  hanamafy ny ezaka ataon-dry zareo hanatràrana ny vondrom-piarahamonina Roms mihoatra lavitra noho izay resaka vatsim-pianarana, fanomezana fianarana asa sy fanofanana efa fanaony. Hitan-dry zareo fa ny tombontsoa azon'ireo tanora Roms dia tsy niantefa tany amin'ireo mpikambana hafa ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Roms:

Maro loatra ireo tanora Roms ankehitriny no tsy mahalala tsara akory mikasika ny tantaran-dry zareo, ny zava-bitany, ary ny maha-izy azy mba hampivelarany fahatsapana fireharehana momba ny lovan-tsofin-dry zareo. Vitsy ny sekoly amin'izao fotoana no mampianatra ny teny sy ny tantaran'ny Roms. Eny an-tampon'izany, ny fiarahamonina mahazatra – tohanan'ny rafi-panabeazana – dia nifantoka fotsiny tamin'ny fanatsofohana eo anivon'ny fiarahamonina, sy fandàvana ny hananan'ireo tanora Roms ny fahafahana hitrandraka ny niaviany ka hamorona tontolo iray izay manolotra valisoa ho azy ireo tamin'ny fanilihany ny lovan-tsofiny. Mila tsipihana fa ny rehareha tsy tonga fotsiny miaraka amin'ny fahaizanao ny teninao sy ny tantaranao fa koa ny fahalalàna ny olona hafa azonao andaharana ny tenanao. Rehefa ivelan'ny fianakaviany sy ny vondrom-piarahamonin-dry zareo dia betsaka ireo tanora Roms no mazàna tsy mahita Roms hatao fakàn-tàhaka sy mba azon-dry zareo hajaina. Misy antony lehibe hafa ihany koa mahatonga azy ireny tsy mandray anjara amin'ny tolon'ny Roms.

Izany no nanaovan-dry zareo ny Lasin-Dohataona Reharehan'ny Roms, Barvalipe , tao Budapest, ka tamin'izany dia mpahazo tombontsoa teo aloha tamin'ilay fandaharanasan-dry zareo, niisa 28, no tonga mba hifankahalala, hamantatra ny fahasamihafan-dry zareo sy ny fitoviany amin'ny maha-tanora Roms azy ireo avy any amin'ny sisintany sy ny firenen-tsamihafa any. Ity lahatsary manaraka ity dia maneho fijery iray ny Lasin-Dohataona sy tafatafa iray niarahana tamin'ireo mpandray anjara izay manazava ny fiantraikan'ilay lasy teo amin'izy ireo :

I Alina Serban, mpandray anjara tao Barvalipe, dia nitafatafa tao amin'ny  RomaWoman.org ka tamin'izany no nanazavàny ny maha-zava-dehibe ny niainany azy ity : ilay izy dia nanangona ho amin'ny toerana iray olona maro samihafa izay Roms rahateo ihany koa. Izay ny maha-Roms ho azy, tsy hoe fotsiny zavatra iray famantarana manokana ny tena, na fanomezamezan-endrika iray fotsiny:

Violeta Naydenova dia mpandrindra tetikasa ho an'ny Open Society Foundations Roma Initiatives ary talen'ny Lasy tao Barvalipe. Namariparitra ny fiantraikan'ny iray tamin'ireo atrikasa nandritra ny Lasin-dohataona izy izay nampiasàna ny 20 Euro sàran-dasy tsy maintsy naloan'ireo mpandray anjara mba hividianana milina fanjairana ho anà fikambanana mpanao asa soa ho an'ireo ankizy sy vehivavy Roms, ka hatramin'ny fitaovam-pianarana ho anà vondrom-piarahamonina tsy manan-katoraka :

Voninahitra ho ahy ny namaky tao anatin'ny tomban-dry zareo momba ilay lasy fa hoe io hetsika io no iray isan'ny tena nankafizina indrindra, aorian'ny kilasy fampianarana ny teny Roms sy ny tantara, ary ny fotoana nifanakalozan-dresaka, sy ny tsangantsangana natao tany Auschwitz. Izany dia nanaporofo fa rehefa omena fahafahana ny olona mba hahafantatra ny lovan-tsofiny, dia marobe ny olona mandray izany, mitia izany, sy mahatsiaro ho mirehareha amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.