Miresaka Momba Ny Mety Hamelana Heloka An'i Alberto Fujimori ny Peroviana

Ny iray amin'ny lohahevitra tena ifanakalozan-dresaka be ao Pero ankehitriny, indrindra fa any anaty tambajotra sosialy, dia ny mety hahazoan'ilay filoha teo aloha  Alberto Fujimori, izay manefa sazy 25 taona any an-tranomaizina noho ny heloka bevava mahakasika zon'olombelona sy kolikoly, famelàna noho ny maha-olona avy amin'ny Filoha  Ollanta Humana, noho ny lazaina fa fahosany ara-pahasalamana.

Tsy vao sambany akory ity olana ity no nampizarazara ny Peroviana, ary dia nipongatra indray izy io tamin'ity indray mandeha ity taorian'ny fanambaràna taorian'ny Noely fa ireo mpanohana sy fianakavian'ilay filoha teo aloha dia nihevitra fangatahana ofisialy ny famelan-tsazy , nanambàra ny fahasalamany ho marefo. Ny zanany lahy, Kenji Fujimori, mpikambana ao amin'ny Kaongresy, dia nanambara hoe  : “Ny fanapahan-kevitry ny fianakaviako (mikasika ilay fangataham-pamelana) dia mazava (…) Indray mitopy maso any amin'ny raiko fotsiny dia ampy hilaza aminareo fa tsy tsara ny fahasalamany”.

Tamin'ny Aprily 2009, Alberto Fujimori dia voaheloka tamin'ny raharaha vono olona Barrios Altos sy La Cantuta, ary ny fakàna an-keriny ilay mpandraharaha  Samuel Dyer sy ilay mpanao gazety Gustavo Gorriti. Ny sazy (izay nivoaka taorian'ny fotoam-pitsarana narahan'ny rehetra efa ho 16 volana), dia nanondro ilay filoha teo aloha ho ny  “mpanatanteraka” fikasàna hamono olona, famonoana olona efa niomanana ary fakàna an-keriny miharo vesatra goavana. Fujimori dia nilaza  ny tsy maha-meloka azy.

Hetsi-panoherana ny mety ho famelan-keloka an'i Fujimori, 15 Jolay 2011. Tetikasa Advocacy (CC BY-NC-SA 2.0)

Tamin'izany fotoana, niteraka fanehoan-kevitra be erak'izao tontolo izao ilay fanamelohana ary noraisina ho toy ny fanarontsaronana, noho izy ity vao sambany nisy filoha nelohin'ny fitsaràna teo amin'ny fireneny ihany ho nanitsakitsaka zon'olombelona. Naneho ny fahafaham-pony noho ilay didim-pitsaràna ireo vondrona mafàna fo mpiaro zon'olombelona, solotenan-tsendikaly,  vondrona ahitàna ny fianakavian'ireo Peroviana tsy hita popoka, ary ireo bilaogera, saingy nisy ihany koa ny vondrona midadasik'ireo mpomba an'i  Fujimori izay tsy faly tamin'izany.

Nanambara i Fujimori sy ny fianakaviany fa hanao fampakàrana ny didim-pitsaràna ry zareo. Nanamarika i Silvio Rendón tao amin'ny GranComboClub [es]:

…el juicio no fue por “aprobar una estrategia” ni por avalarla, ni por defenderla, sino por ordenar asesinatos. A Fujimori le han dado 25 años, la pena máxima posible, por asesino. No por aprobador, defensor o avalador de estrategias que enmarcaron asesinatos cometidos por otros. Considero importante que como sociedad tengamos muy claro el contenido de la sentencia al ex-presidente…

…Ilay fitsarana dia tsy natao ho anà fandaniana, na fanamafisana, na fiarovana tetikady iray, fa natao ho anà vono olona efa nomanina. Nosaziana 25 taona i Fujimori, ny sazy ambony indrindra azo omena ho an'ny resaka vono olona.. Tsy ho fanamafisana, na fanohanana, na fiarovana tetikady mikasika vono olona nataon'ny sasany. Heveriko fa zava-dehibe amin'ny maha-fiarahamonina antsika ny resaka mazava tsara momba ny sazin'ny filoha teo aloha.

Hatramin'ny nanombohan'ny taona, ao anatin'ny fanentanana momba ny fifidianana tato ho ato, dia nisy resaka nandeha mikasika ny antony ara-politikan'ny famelan-keloka omena an'i Fujimori. Ny fanamarihana ankapobeny, indrindra fa nandritra ny fihodinana faharoa, dia toa hoe ny APRA, antoko politikan'ny filoha Alan Garcia, dia nanome tànana ny Force 2011, antoko politikan'i Keiko Fujimori, ho setrin'ny fandevenana sy tsy fanatsinkafonana raharahan-kolikoly sasantsasany [es] maha-voarohirohy ny sasany amin'ireo olo-maventy amin'ireo mpikambana ao aminy. Nisy mihitsy aza ny sahoan-dresaka hoe i Garcia dia mety hanaiky ny famelan-keloka alohan'ny hialàny amin'ny toerany, nitondra taminà fanehoan-kevitra miraradraraka momba sy manohitra: isan'izany, efa anatin'ny fibanjinana sahady ny fifidianana, ny diabe iray nokarakaraina tamin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy manohitra ilay famelàn-keloka, [es] antsoina hoe “Diaben'ny Maha-olona, Tsy Mila an'i Fujimori Mandrakizay Doria”.

Claudia Cisneros, mpanao gazety sady bilaogera, dia nampakatra lahatsoratra [es] nandritra izay fotoana izay:

Tenemos todo el derecho a protestar, a desconfiar y a impedir que una vez más el poder sea usado entre agrupaciones políticas para limpiarse mutuamente sus culpas y delitos. (…) Si esta vez Alan se atreve a usar el poder que el pueblo le ha dado para representarnos y lo hace para burlarse de la lucha anticorrupción, no será olvidado jamás. No solo sería un insulto a la igualdad de derechos ante la ley de miles de enfermos presos en el país, sería un insulto al sistema judicial y legal, a la justicia peruana…

Ananantsika ny zo rehetra hanao hetsi-panoherana, hiahiahy ary hiaro tena manoloana ny ho fampiasàna indray mandeha indray ny fahefana ho amin'ny resaka politika mba hamafàna  ny hadisoana sy ny heloka bevavan'ny andaniny sy ny ankilany. (…) Raha amin'ity indray mandeha ity i Alan no manandrana mampiasa ny fahefana izay nomen'ny vahoaka azy mba hisoloana tena antsika amin'ny tsy tokony ho izy hiadiana amin'ny kolikoly, dia tsy hanadino izany velively isika. Tsy ho faniratsirana fotsiny izany amin'ny resaka fitovian-jo manoloana ny lalàna ho an'ireo voafonja an'arivony eto amin'ity firenena ity, fa faniratsirana koa ny rafitra ara-dalàna sy ara-pitsarana eto amintsika, ny fitsarana Peroviana…

Tsy nanome famelana an'i Fujimori i Garcia, ary dia mijanona ho mandrimandry ao ilay raharaha mandra-panaovan'i Filoha vao lany Humala fanambaràna, alohan'ny handraisana an-tànana ny firenena, fa hoe “hanome famotsoran-keloka azy noho ny antony maha-olombelona izy”, satria “tsy misy olona tokony ho faty any am-ponja izany“.

Anatin'ny fifanakalozan-dresaka mivaivay eo amin'ireo mpanohana ny famelan-keloka sy ireo izay mandà izany [es] noforonina ny tenifotora ao amin'ny Twitter : #FujimoriLibertad sy #noalindulto hatramin'ny #terrorismonuncamas, #indulto, #terrorismo o #caviares.

Raha mbola mampiahiahy ny resaka fahasalaman'i Fujimori, ny loharano avy amin'ireo mpitsabo dia miteny hoe “tsy tratry ny homamiadana mby an-koditra izany izy“, ary ny hany mahazo azy dia “fikorontanana manaraka ny fenitry ny taonany, saingy tsy misy na iray aza manohintohina ny ainy”, manipika tsara fa tsy misy izany hoe izy tonga amin'ny tsy azo ivalozana izany, izay manàla ny antony rehetra tokony hanomezam-baliny ilay fangatahana famotsorana noho ny maha-olona.

Maro ireo mpampiasa tambajotra sosialy no nanohitra ampahibemaso ny famotsoran-keloka, toa an'i Doc Holliday (@TheGunMan) [es] sy Martha (@Marta_dm) [es] izay nibitsika hoe:

Lo unico q digo es q si@Ollanta_HumalaT da indulto va a perder mucho apoyo empezando por mi. Cc @NadineHeredia #noalindulto

Ny hany azoko ambara dia hoe raha toa i @Ollanta_HumalaT manome famotsoran-keloka, dia ho very mpanohana maro, ary manomboka amiko izany. Cc @NadineHeredia #noalindulto

Marco Silva Santisteban [es] dia manoratra ao amin'ny Facebook:

¿Crees que Fujimori pensó en la depresión y el dolor de sus víctimas inocentes entre las que había un niño de ocho años? Justicia no es venganza, indulto es impunidad..

Dia mihevitra ve ianareo fa mba nisaina ny amin'izay adin-tsaina sy hirifirin'ireo tsy manantsiny novonoiny izy, izay ny iray tamin'ireny dia zaza vao valo taona monja? Tsy valifaty ny fitsaràna, ary ny famelan-keloka dia ny tsy matimanota.

Ny hafa dia naneho ampahibemaso ny fanohanany ilay famelan-keloka, toa an'i Sydney Fernández de Castro [es]:

Y así, el Poder Judicial se convirtió en Terrucos Airlines. Ollanta, ahí está tu línea aérea de bandera. La Berenson de vacaciones navideñas en New York (tremenda atea) y Mellado seguro veraneando en Viña. Y calladitos los caviares.  Sí al indulto a Fujimori!!!

dia ahoana, lasa Terrucos (mpampihorohoro) Airlines izany ny fahefana ara-pitsaràna. Ollanta, io ny ‘airline’-mpirenenao. Mahazo fialantsasatry ny Noely any New York i Berenson (goavana amin'ny tsy finoana ny fisian'Andriamanitra) ary Mellado dia azo antoka fa miala sasatra any Viña. Ary ny “caviars” (fanamarihan'ny mpandika : “burgeoisie” avy amin'ny elatra havia) dia mikombom-bava. Eny, amin'ny famelàna heloka an'i Fujimori!

Ary Malumarket (@Malumarket) [es]:

Gracias Fujimori!!! Por haber logrado que podamos pasar la navidad sin terrucos, sin coches bomba y sin miedo!!#FujimoriLIBERTAD

Misaotra anao ry Fujiromi! Noho ny nahavitàna Noely tsy nisy mpampihorohoro, tsy nisy fiara voasesika baomba ary tsy nisy tahotra! #FujimoriLIBERTAD

Voalaza mihitsy aza fa ny APRA dia mbola nilahatra hatrany tamin'i Fujimori, ary ireo mpikambana APRA ao amin'ny Kaongresy dia niady varotra ny fanohanan-dry zareo an'i Humala ho takalon'ny famelan-keloka ny mpitarika azy ireo. Ireo mpikambana ao amin'ny kaongresy mpomba an'i Fujimori, tarihan'i Martha Chávez, dia nandà izay tatitra izay [es].

Saingy ny honohono dia nihanahazo vàhana taorian'ny namoahan'ilay mpahay lalàna fanta-daza avy ao amin'ny APRA, Javier Valle Riestra (efa praiminisitra tamin'ny andron'i Fujimori, [es] tamin'ny 1998)  lahatsoratra iray mikasika azy io ka nilaza tamin'ny fahitalavitra iray tao an-toerana fa Fujmori dia tokony havotsotra na dia atao hoe salama aza izy : “…Ny famelan-keloka sy famotsorana dia manampy amin'ny fandriampahaleman'ny firenena (…) afaka ny ho atleta i Fujimori ary tokony havotsotra kosa e…”. [es]

Ireo mpahay lalàna sy mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona dia manindry fa ireo rehetra izay voaheloka noho ny heloka bevava mitovy vesatra amin'izay vitan'i Fujimori dia tsy afaka mangataka famelan-keloka ho azy tenany. Ilay bilaogera Herbert Mujica [es] dia manamarika hoe :

En el caso de Fujimori, no es solo una ley que prohíbe el indulto por el delito de secuestro que ha sido condenado, sino dos. La Ley 26478, promulgada por él mismo en 1995 antes de su condena; y la Ley 28760, dada durante el gobierno de Alejandro Toledo. Ambas son leyes expresas que la Comisión de Gracias Presidenciales debe acatar, salvo que sus 5 miembros quieran asumir su responsabilidad penal por encubrimiento personal, delito previsto en el Artículo 404° del Código Penal. Igual suerte correría el Presidente Ollanta si concede el indulto pese a todo, violando leyes prohibitivas expresas. Su rol presidencial es cumplirlas. La Constitución no le faculta violar las leyes aprobadas por el Congreso y promulgadas por el mismo Presidente.

Raha ny trangan'i Fujimori, tsy lalàna iray monja no hoe manakana ny famelan-keloka noho ny heloka bevava amin'ny fakàna an-keriny izay anenjehana azy, fa roa. Lalàna 26478, navoakan'i Fujimori izy tenany mihitsy tamin'ny 1995 talohan'ny nanamelohana azy ; ary ny lalàna 28760, navoaka nandritra ny fitondran'ny governemanta Alejandro Toledo. Ireo lalàna roa ireo dia samy mamaritra fa ny Kaomisiona Misahana ny Famelan-tsazy avy amin'ny Fiadidiam-panjakana dia tsy maintsy manaraka ny voalazan'ny lalàna, raha tsy te-horaisina ho mpiray tsikombakomba amin'ny fanampiana sy fitazanam-potsiny angaha ireo mpikambana dimy ao anatiny, heloka faizin'ny Artikla 404 ao amin'ny lalàna famaizana. Azo ampiharina ireo na dia miziriziry manome famelan-keloka aza ny Filoha Ollanta, manitsakitsaka an-kitsirano ny lalàna mandràra izany. Andraikiny amin'ny maha-filoha ny manaraka azy ireny. Ny Lalampanorenana dia tsy manome fahefana ny kaongresy handany lalàna hafa mifanohitra sy fanamafisana azy ireny avy amin'ny Filoham-pirenena.

Mandritra izany fotoana izany, ary na eo aza izany rehetra izany, ny sasany dia maneho hatrany ny fanohanany an'i Fujimori, nifidy azy ho  “El Peruano del Año 2011” (Perovianan'ny Taona 2011) [es] tao anaty fitsapan-kevitra tety anaty aterineto nataon'ny foiben'onjam-peo iray tao an-toerana.

Prensa Alternativa (@PrensaAlterna) [es] mibitsika hoe :

La defensa de los DDHH es la piedra angular de toda sociedad democratica.Quedarse callado es hacerle el juego al autoritarismo #NoAlIndulto

Ny fiarovana ny DDHH (zon'olombelona) no vato fehizoron'ny fiarahamonina demaokratika. Ny fikombonam-bava dia filalaovana ny lalaon'ny tsy refesi-mandidy. #NoAlIndulto

Hanjana be ny fidonany sy ny fiantraikany tany amin'ny daholobe ka hatramin'ireo izay tompon-kevitra tamin'ilay famelan-keloka avy aza no nanomboka mino fa tsaratsara kokoa ny miandry vanim-potoana mety sy azo antoka, [es] na dia  mamoaka aza ny fitsapan-kevitra natao vao haingana fa 42% no mino fa tokony havela heloka i Fujimori (raha 27% no mihevitra fa tokony hanohy ny saziny any amponja izy, ary 26% no mihevitra fa tokony hazonina aminà faritra tsara ambina izy.)

Tsy isalasalàna, ity resaka ity dia tsy tapitra eto ary mbola hitohy fotoana maharitra, ary ilay mpampiasaTwitter,  Omar (@omarzev) [es] dia efa maminavina hoe:

Nos espera una dura batalla contra el indulto a Fujimori #noalindulto

Dia efa miomana hiatrika ady maharitra isika momba ny famelana heloka an'i Fujimoto.
Ny hajian-tsarin'i Alberto Fujimori dia azo ampiasaina amin'ny sehatra ho an'ny daholobe, ary nalaina tao amin'ny Wikimedia Commons

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.