Tonizia: Ny Sivana sy ny Fahalalahana Haneho Hevitra Nandritra ny Taona Lasa

Fahavalon'ny fahalalahana maneho hevitra ny filoha  Toniziana teo aloha Zeine El Abidine Ben Ali. Noho ny tetikadiny mavesa-danja, niezaka nanampim-bava ireo rehetra tsy mitovy hevitra aminy foana ny fitondrany. Betsaka ny fandaniana nataon'ny Sampan-draharaha Toniziana misahana ny Aterineto (fantatra amin'ny fanafohezan-teny hoe ATI) mikasika ny sivana atao amin'ny aterineto, eo koa ny fanenjehana ataon'ny Minisiteran'ny Atitany, sy ny fanampenam-bava an-kerisetra atao amin'ireo izay mitaky fiovana sy fanovana politika.

Tamin'ny 14 Janoary 2011, nandositra tany Arabia Saodita i Ben Ali, nanomboka tamin'izay, afaka naneho hevitra an-kalalahana ny Toniziana, afaka nanao fihetsiketsehana, fivoriana, ary nankafy ny fidirana amin'ny aterineto malalaka tsy araka izay teo aloha intsony. Kanefa, mbola tsy mitsahatra ny tolona ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra  natomboka tamin'ny fitondran'ny filoha teo aloha izay efa nandositra ny firenena. Teo foana ny fahazaran-dratsy, nisy ny sivana natao, sy ny famoretana an-kerisetra natao tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana taorian'ny 14 janoary.

Indreto zava-niseho mahatsiravina sasantsany mikasika ny sivana sy ny fikasana hanakana ny fahalalahana haneho hevitra, hatramin'izay nihonganan'i Ben Ali izay.

 

Mora faritra mena ve ny tafika?

Tamin'ny 9 Novambra, Nabil Hajlaoui, mpahay fambolena avy ao Sidi Bouzid, voampanga higadra roa volana an-tranomaizina noho ny tsikera nataony tamin'ny andrimpanjakana miaramila Toniziana. Niampanga ny miaramila ho tsy nandray ny andraikiny nandritra ny rotaka taorian'ny fifidianana i Hajloui,  niseho tao Sidi Bouzid izany raha nanaisotra ireo seza maromaro azon'ny lisi-pifidianana antsoina hoe “ny hetahetan'ny vahoaka” (The Popular petition) ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, noho ny ”tsy fanarahan-dalàna mikasika ny famatsiam-bola amin'ny fampielezan-kevitra.”

Ity lisitra ity no nahazo vato be indrindra tao Sidi Bouzid. Noafahana i Hajlaoui tamin'ny 15 Desambra araka ny fitantarana ataon'i Emna El Hammi ao amin'ny bilaogy iombonana Nawaat .

Vao haingana tamin'ity taona ity, tamin'ny volana mey,  nanakana pejy Facebook dimy ny Sampan-draharaha misahana ny Aterineto noho ny baikon'ny miaramila, izay araka ny fahitan'izy ireo fa  ”manohintohina ny lazan'ny andrim-panjakana miaramila sy ny lehibeny,” hoy ny Minisiteran'ny Fiarovana Toniziana. Najanon'ny ATI avy hatrany ny fanakanana ireo pejy dimy noho ny ”resaka teknika tsy maintsy arahina” araka ny filazan'ny sampan-draharaha tamin'ny fanambarana navoakan'izy ireo ato.

Ny fomba fanao tahaka izao no mahatonga ny mpilotona Toniziana sy ny mpiserasera manontany raha faritra mena ny andrim-panjakana miaramila ka tsy azo hantonona.

Samir Feriani sy ny fanagadrana azy

Samir Feriani with his son after being released on September, 22. Photo by Yassine Gaidi on Facebook.

Samir Feriani miaraka amin'ny zanany lahy taorian'ny fanafahana azy tamin'ny 22 Septambra. Sary avy amin'i Yassine Gaidi tao amin'ny Facebook.

Samir Feriani, mpiasam-panjakana ambony tao amin'ny Minisiteran’ ny Atitany Toniziana, namoaka lahatsoratra tamina gazetiboky iray, nilaza izy fa ireo olona mitana toerana ambony ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany ihany no tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ireo mpanao hetsi-panoherana milamina nandritra ny fikomiana, ary ilay antonta-taratasy nampirimina izay mampiseho ny fiaraha-miasa nisy teo amin'ny filoha Toniziana voahongana Ben Ali sy ny Mossad Isiraeliana kosa dia fanahy inian'ilay mpiasam-panjakana iray tao amin'ny minisitera nopotehana.

Tamin'ny 29 Mey, nosamborina i Feriani ary notazomina tao amin'ny biraon'ny polisy, voampanga ho “nanohintohina ny filaminana anatiny ao amin'ny firenena” sy “manambara ary mizara vaovao mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka.”

Vetivety dia nahazo ny fanohanan'ny vahoaka  ny raharaha mikasika an'i Feriani,  fanentanana, sy fihetsiketsehana mitaky ny fanafahana azy  tsy misy hatak'andro no natao tamin'izany.

Tamin'ny 22 Septambra, nahazo fahafahana vonjimaika avy amin'ny fitsarana ady miaramila i Feriani, ary miandry azy ny fitsarana olom-pirenena tsotra ankehitriny.

Polisy -mitohy ny fahazaran-dratsy

Taonan'ny fihetsiketsehana sy ny  sit-ins ny taona 2011 tao Tonizia. Nandritra ny roa herinandro voalohan'ny fiandohan'ny taona, nahatsiravina ny famoretana nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, nitarika fahafatesan'olona maherin'ny 300 izany.  Nanomboka niova ny zava-drehetra taorian'ny fihonganan'ny fitondrana Ben Ali. Saingy, matetika, manohy ny herisetra amin'ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana ny manam-pahefana Toniziana.

A Tunisian protestor beaten by a policeman in civilian clothes, May 6, 2011. Photo by Twitpic user @worldwideyes.

Mpanao fihetsiketsehana Toniziana nodarohan'ny polisy lehilahy iray manao fanamiana sivily, tamin'ny 6 May 2011. Sary tao amin'ny Twitpic user @worldwideyes.

Tamin'ny 26 febroary ny fanafihana feno herisetra indrindra nataon'ny polisy nandritra ny fitondran'i  Ben Ali, raha nitaky ny fametram-pialàn'i Praiminisitra vonjimaika teo aloha Mohamed Ghannouchi ny hetsika milamina, nivadika ho fifandonana mahery vaika izany teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana. Nitarika fahafatesan'olona telo ny fifandonana niseho.

Tamin'ny volana Mey, sy nandritra ny hetsi-panoherana ny governemanta, tsy ny mpanao fihetsiketsehana ihany no notafihan'ny mpitandro ny filaminana, fa ny mpamaha bolongana sy ny mpanao gazety ihany koa.

Tamin'ny 15 jiona, nampiasa kobay sy  baomba mandatsa-dranomaso ny mpitam-piadiana mba hanakanana ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky fanovana politika sy rafi-pitsarana tsy hanao sit-in eo anoloan'ny tranoben'ny Minisitera.

Tamin'ny taona 2011, maro ireo fiovana tsara niseho tao Tonizia, saingy mbola mila miala amin'ny fahazaran-dratsiny ny mpitandro ny filaminana. Nandritra izany, ny Toniziana amin'ny ankapobeny, indrindra ireo mpikatroka sy ny mpamaha bolongana no tena nahalala fa mbola lavitra ny lalana amin'ny tolona atao amin'ny fahalalahana haneho hevitra sy ny demokrasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.