Filipina: Miteraka Kiana Ny Lazan'ny Happy Rizal Day ao amin'ny Twitter

Lasa lohahevitra malaza ao amin'ny Twitter ny #Happy Rizal Day ny 30 Desambra lasa teo, fotoana tsy fiasana nahatsiarovana ny tsingerin-taona nahafatesan'ilay maherifom-pirenen'i Filipina, Dr. Jose Rizal. Raha tokony ho sokajiana ho tsara ny fahalalàna fa mbola maro no mahatsiaro an'i Rizal, nisy olona sasany nitsikera ny fampiasana ny fitenenana “Arahabaina nahatratra ny Fetin'i Rizal” mba hahatsiarovana ny tsingerin-taona nahafatesany.

Malahelo noho ny nanafangaroan'ny sasany amin'ireo Filipiana mpampiasa media sosialy ny Andro Fahatsiarovana an'i Rizal ho tsingerin-taona nahaterahan'ity maherifo ity i Inday Kayla. Namoaka ampahany amin'ny filaharan-javatra ao amin'ny Twitterany izy mba hanipihany ny fahasorenany:

Ny tena ratsy, vitsy fotsiny izy ireo. Nahatorana ahy ny nahita ireo bitsiny, voaratra ny foko. Azoko antoka fa mahatsapa izany ihany koa ny mpampianatra AP/PH anao. Ary mbola malahelo be mihoatra noho ny tsapantsika i Rizal. Raha lazaina ny marina, Filipiana maro no tsy nahalala tsara ny hevitra fonosin'ity andro ity, ny maha-maritiora ny Dr. Jose P. Rizal.

Mahita ho mahatsikaiky ny fifampiarahabàn'ny Filipiana “Arahabaina nahatratra ny Fetin'i Rizal” amin'ny andro izay nitifiran'ireo mpanjanatany Espaniola azy ho faty, ny In Between Column.

Ho ahy, ny filazana “#Happy Rizal Day” dia midika fotsiny ihany fa manjavozavo ny fahatsiarovan'ny taranaky ny Twitter ankehitriny  an'i Rizal ho maherifon'i Filipina . Tsy mahatsiaro intsony izy ireo fa ny 30 Desambra 1896 izy no nitifiran'ny Guardia Civil ho faty…

Nandritra ny fotoanan'ny Twitter sy ireo endrika hafanà media sosialy dia sahala amin'ny voatàna kokoa tamin'ny fifamaliana momba ny “Arahabaina nahatratra ny Fetin'i Rizal” ny Filipiana miohatra amin’ ny fankalazana ireo teboka fiolahan'ny tantaram-pirenentsika.

El Lobo Filipino ihany koa dia mizara izany fihetseham-po izany.

Maro tamin'ireo “mpiarahaba” ireo no niteny tamiko fa mankalaza ny herimpony sy ny  zava-bitany ho an'ny firenena izy ireo. Niteny azy ireo aho fa raha izany no izy, tsaratsara kokoa raha amin'ny tsingerin-taona nahaterahan'i Rizal – 19 Jona – no atao izany fiarahabàna izany. Ary ity taona ity, nankalaza ny faha-150 taona nahaterahan'ity maherifo ity ny firenena.

Mandritra izay fotoana izay dia miantso ny hanoloana ny Andron'ny 30 Desambra Fahatsiarovana an'i Rizal  ho ny 19 Jona, tsingerin-taona nahaterahan'ilay maherifom-pirenena .

Eny ary, misy afaka hilaza fa ny 30 Desambra no andro naha-maritiora azy, izay nitondra fientanentanana be ho an'ny fanovàna tsara kokoa ary dia tendro iray nanamarika ny fiainany izany. Mihevitra ihany koa aho fa azo ankalazaina izany ny 19 Jona ary hanamarina ny halehiben'ny Filipiana iray izay tonga amin'ny toerana avo tahaka izany. Anatina fanamarihana fampiasa kokoa, ny 19 Jona no fanombohan'ny taom-pianarana any Filipina, ary afaka manangona tetikasan-dakilasy isan-karazany mikasika ny fiainan'i Rizal ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.