Ejipta: Vehivavy Manao Diabe Mitaky Ny Maha-Olona Azy

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

Nidina an-dalambe tao Kairo ireo vehivavy Ejiptiana androany (20/12/2011) mba hanohitra ny fanosihosena ny zon'ny  vehivavy nataon'ireo manamboninahitra miaramila nandritra ny ady #occupycabinet izay nitarika fahafatesan'olona tsy latsaky ny 13 avy amin'ny mpanao hetsi-panoherana tao anatin'ny dimy andro voalohany.

Ilay hetsika dia nanaraka indrindra ny fanairana nentin'ny lahatsary iray izay nampiseho lehilahy iray mitafy fanamiana miaramila, misintontsintona vehivavy iray mpanao hetsi-panoherana, tonga hatramin'ny fahitàna ny atin'akanjony, sady nidaroka azy mafy teo amin'ny tratrany.

Nandritra ny roatokom-bolana nialoha ireo fifandonana teo amin'ny miaramila sy ny mpanao fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Kairo, nanao fitorevahana teo ivelan'ny foiben'ny kabinetra, nanohitra ny fanendrena an'i Kamal El Ganzouri ho Praiminisitra vaovao tany ampiandohan'ity volana (Desambra) ity. Ny ady misy amin'izao hatreto dia namoizana ain'olona 13 farafahakeliny, naharatràna olona an-jatony maro noho ireo miaramila nidaroka ny mpanao fihetsiketsehana avy ao anatiny sy teny ivelan'ny Kianja Tahrir hatramin'ny 16 Desambra.

Ankoatra an'io, ireo habibiana nataon'ny miaramila tamin'ireo vehivavy dia nanafintohina an'izao tontolo izao, nandrisika an'ireo vehivavy Ejiptiana hirotsaka an-dalambe ary nangataka ny fanajàna ny maha-olona androany (20/12).

Female protesters gather at #Tahrir Square, photo shared by Yasmine El Rashidi

Vehivavy mpanao hetsi-panoherana nifamory tao an-kianja #Tahrir, sary nozarain'i Yasmine El Rashidi

Ayman Mohyeldin, iraky ny NBC News any ivelany, dia mibitsika hoe:

@AymanM: Ao#tahrir, fihaonambe iray ataon'ireo vehivavy miray hina amin'ireo vehivavy notafihan'ny miaramila #dec17 #egypt

Araka ny lazain'i Abdeltwab Hassan, manodidina ny  7.000 ireo vehivavy nanatevin-daharana ireo hetsi-panoherana [ar]:

#womenmarch #Tharir عند نقابة الصحفيين والهتاف الشعب يريد اسقاط المشير. والعدد كبير فشخ عدى 7000
@AbdeltwabH: eo akaikin'ny foiben-toeran'ireo mpanao gazety ; ny teny faneva dia ny ”mila manongana ny Maréchal ny vahoaka.” Mafonja ny isa, maherin'ny 7.000.

Ny Maréchal dia i maréchal Mohamed Hussein Tantawi, ilay mpitondra tsy voafidim-bahoaka mifehy an'i Ejipta nanomboka tamin'ny nionganan'ny filoha teo aloha Hosni Mubarak tamin'ny 11 Febroary 2011.

Mirotsaka manohana ny adin'ireo vehivavy koa ny lehilahy

Nanatevin-daharana koa ireo lehilahy sady namorona rindrin-dehilahy hiarovana ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana.

Photo by Abdeltwab Hassan featuring young men surrounding the female protesters shared on Twitpic

Sary avy amin'i Abdeltwab Hassan manasongadina ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana, nifapizaràna tao amin'ny Twitpic

Yasmin Galal manamarika hoe:

@YasminGalal: mirehareha ny amin'ireo lehilahy manatevin-daharana ny #WomenMarch , ny maha-olona ara-batana dia zon'ny Ejiptiana rehetra

Ary i  Randa Ali manampy hoe:

@randamali: Lehilahy sy vehivavy avy amin'ny saranga , firehan-kevitra sy sokajin-taona rehetra no eto! #womenMarch.

Teny faneva amin'ilay diabe

Ireo mpanao fihetsiketsehana dia tsy hoe fotsiny miventy ny teny faneva ho firaisana hina amin'ireo vehivavy mpiray tanindrazana, izay nodarohan'ny miaramila tsy nisy indrafo, fa koa nangataka ny fialàn'ny fitondrà-miaramila ao Ejipta. Ireto ny sasany amin'ireo teny faneva noventesina, sy nifampizaràna tamin'ny alalan'ny tenifototra #womenmarch tao amin'ny Twitter.

@Occupy_Tahrir: Ireo mpihetsiketsika dia miventy ny “asandrato avo ny lohanao, madio lavitra ny faritra tsirairay amin'ny tenanao miohatra amin'ireo nanafika anao” #WomenMarch #OccupyCabinet

@MinaNaguib90: Hiaka: Mivoaha ny tranonareo, nendahan'i Tantawy ny fitafian-janakareo vavy

@WessamAbdrabo:ثورة ثورة حتي النصر … الستات هتحرر مصر
@WessamAbdrabo Revolisiona, revolisiona mandra-pandresy… hanafaka an'i Ejipta ny vehivavy

@loolyez: Banat masr khat 2a7mar banat masr khat 2a7mar #womenmarch

@loolyez: Tsipika mena iray ny vehivavy Ejiptiana, Tsipika mena iray ny vehivavy Ejiptiana

@farida904: Tsy mihiaka fotsiny ho an'ny tenanay izahay. Mihiaka ho an'ny fahalalahana, ny rariny ara-tsosialy ary ny fanajàna ny maha-olombelona #womenmarch #egypt

Ny lahatsary manaraka etoana, nakarin'i  sawrageya tao amin'ny  YouTube, dia manasongadina ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fialàn'ny  Marshal Tantawi.

Araka ny lazain'ilay Ejiptiana @Egyptocracy, izay nandray anjara tamin'ilay hetsika, tokony ho tamin'ny 5:15 hariva, ora ao Kairo, tonga teo amin'ny fitorevahana   #occupycabinet ilay diabe, ary avy eo nizotra ho any amin'ny kianja Thriri, izay ivon'ny revolisiona Ejiptiana, ary toerana nitrangan'ireo fifandonana teo amin'ny mpanao hetsi-panoherana sy ny miaramila tao anatin'ireo andro dimy farany. Mibitsika izy :

@Egyptocracy: 5.55 hariva: #womenmarch manakaiky an'i #tahrir.

Ary manampy hoe:

@Egyptocracy: 6.14 hariva: Mizotra ao anatin'ny haizina izahay. Hazavana avy ery #tahrir. #OccupyCabinet #Egypt

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.