Filipina: Ny Rivomahery Sendong Sy Ny Media Sosialy

Ireo niharam-boina tamin'ny ny rivomahery Sendong (anarana iraisam-pirenena : Washi), ny fianakavian'izy ireo, sy ireo namana, any Filipina dia mampiasa media sosialy mba hitadiavana ireo niharam-boina tsy hita popoka, handaminana sy hanangonana ireo ezaka famonjena, hitahirizana sary sy ny mahakasika ny fahasimbana.

Niteraka fahafatesan'olona 1.257 ireo tondra-drano tampoka naterak'ilay rivomahery tany amin'ireo tanànan'i Cagayan de Oro sy Iligan any amin'i Mindanao Avaratra sy Negros Tatsinanana, araka ireo angon'ny governemanta. Mihoatra ny 45.000 ireo trano nahitàna fahasimbana, namela tsy manan-kialofana an'arivony.

Nampiasa ny Facebook ireo tra-boina tamin'ilay tondra-drano mba hanampy amin'ny fitadiavana ireo olon-tiany tsy hita. Mitohy ny famoahana ny sary sy ny mombamomba ireo havana sy namana tsy hita ao amin'ireo pejy Facebook Sendong Missing Persons (Olona tsy hita ao Sendong)sy Missing Persons of CDO and Iligan (Olona tsy hita any CDO sy Iligan)

Hatramin'izao dia nahazo “tiako”  1.787 sy resaka 5.341 ilay pejy Sendong Missing Persons. Na eo aza anefa izany, ireo mpandrindradia nandrisika ireo mpampiasa ilay pejy mba hifandamina amin'ireo manampahefana  fa tsy hiankina amin'ny Facebook irery mba hikarohana ireo olon-tiana.

Tahaka ny voamarika teo alohaloha kely teo tao amin'ny Global Voices Online, nampiasaina ihany koa ireo bilaogy sy tambajotran'ny media sosialy mba hanetsehana ny fanampiana amin'ireo hetsika famonjena ireo tra-boinan'ny Rivomahery Sendong. Manomboka avoaka ao anaty aterineto ny mahakasika ireo ezaka ireo :

@mindanaoan @IamPinkEm nitantara zavatra tamiko ny vadiko raha nizara sakafo tany canitoan androany vao maraina, rehefa nahazo sakafo ireo nafindra-monina dia niteny “salamat au sir ha [misaotra betsaka, andriamatoa], mirary krismasy sambatra” niteny ny vadiko fa mampafana ny fon'izy ireo ny fiarahabana azy ireo krismasy sambatra avy amin'olona izay vao namoy zavatra maro

Nahita ny  làlany ao any aterineto hatrany ireo sary samy hafa sy ny mahakasika ny fahasimbàna. Any an-tanànan'i Dumaguete, Negros atsinanana, afaka naka an-dahatsary ilay faharavàna nateraky ny tondra-drano nisafotofoto i Mark Anthony Besario, mpiandraikitra ny lahatsarin'ny Fikambanan'ny Anjerimanontolo ary namoaka izany ao amin'ny Youtube.

Mizara tantara momba ny fomba namonjen'ireo alika olona nandritra ny loza i Pinoy Dog-Lover. Misy iray avy any amin'ny Tanànan'i Iligan:

Alohan'ny namafan'ny tondra-drano mahery ny tanànan'izy ireo, tonga dia namoha ireo olony [ireo alika] Aspins Loloy sy Jackie  — nikikikiky ny varavarana sady nivovo mafy be. Noho ny fanairan'ireo alika, afaka nahazo toerana ieren-doza i Marrietta sy ny fianakaviany. Very ny fonenany, nefa mbola tafaray avokoa ny fianakaviany, tsy tahaka ny ankamaroan'ireo fianakaviana niharan'ity tondra-drano ity.

Nampiakatra sary iray mikasika ity faharavàna tany Brgy ity i Ryan Chua. (Vohitra) Macasandig, Cagayan de Oro:

Mitsikera sary iray ao anatin'ity fianakaviambe ity ihany i LiaAndanarYu : “Nisy trano teto indray andro. I Kennedy Pacana avy ao amin'ny Tibasak, CDO no tompon'izany trano izany. Avy eo dia tonga i Sendong”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.