Okraina: Mampiasa Lahatsary Hisoloana Vava

Arak'izay nosoratanay teo aloha, ny olana goavana atrehan'ireo Okrainiana marary manaraka ny fitsaboana ORT na ny “opiate replacement therapy (ORT)” dia ny tsy fisian'ny fitohizan'ny fitsaboana any amin'ireo toeram-pitsaboana sy ireo masoivoho manokan'ny ORT izay tokony hankanesan'ireo marary isan'andro mba hangalàny ny fanafody. Marina ity raharaha ity ho an'ny ankamaroan'ireo mpikambana ao Okraina afats'ireo vitsivitsy miavaka. Mba hialàna amin'ny “syndrome d'abstinence” dia nandà ny fitsaboana mila fidirana hopitaly ireo marary. Mialoha ny nanarahan'ireo marary ny fitsaboana fanolo dia mpitsindrona zava-mahadomelina nandritry ny taona maro ny ankamaroan'ireo marary, maro tamin'izy ireo ihany koa no voan'ny VIH sy ny Hepatite C, voan'ny TB sy areti-mifindra hafa, noho izany dia tena zava-dehibe ho azy ireo ny fotoana hahazoany manaraka fitsaboana.

Koa satria ny ampahany amin'ny ezak'ireo mpiaro dia nikendry ny hamaha ny olana amin'ny fitohizana ny fitsaboana ORT, ireo Okrainiana mafàna fo miady ho fampihenàna ny fiantraikany ratsy dia namokatra lahatsary izay mampiseho amin'ny antsipirihany ny raharaha manodidina ity olana ity, milaza ny tantaran'ireo olona mijaly noho ny tsy fihetsehan'ireo manam-pahefàna amin'ny fitsaboana sy mitatitra mikasika ireo fahombiazana kely tamin'ity fandraisany anjara ity.

Mafana fo iray atao hoe Igor Kuzmenko avy ao amin'ny “Association of Substitution Treatment Advocates of Ukraine” no namokatra ilay lahatsary izay tsy mampahafantatra ny tantaranà marary manokana, mijaly noho ny olana fotsiny ihany fa misy ihany koa fitanisàna ny tenin'ny mpitsabo iray avy amin'ny tranokalan'ny Donetsk Methadone milaza ny maha zava-dehibe ny fitohizan'ny fitsaboana ORT ho an'ireo marary ao aminy. Ny solotenam-paritry ny “Association Natalia Zlenina” dia miresaka mikasika ireo dingana ataon'ny Fikambanana hanovàna ny toe-draharaha ho amin'ny tsaratsara kokoa. Mifarana amin'ny antso ho an'ny fiaraha-monina mba hanampiana amin'ny famahàna ny olana ny lahatsary miaraka amin'ny teny hoe “Don’t let us die” na ” Aza avela ho faty izahay”.

Ny lahatsary misy ny tantaran'i Elena marary ao amin'ny ORT dia nalain'i Eugene Selin mahery fo iray avy tao amin'ny lahatsoratra teo aloha. Ilay tantara mampalahelo dia mifono ny ady mafin'ny ONG ‘Our Victory’ – na “Ny Fandresenay” miady ho an'ny fampihenana ny fiantraikany mafy ao Donetsk  mandritry ny taona miaraka amin'ny mpitsabo ao an-toerana mba hanampiana an'i Elena hahazoany Methadone any amin'ny hopitaly izay tokony hijanonany noho ny fandidiana izay nangatahany. Indrisy anefa, fa mbola tsy nahitam-bokany izany ady izany hatreto.

Mety hahitam-pahombiazana ihany ilay lahatsary nalefan'ny mafana fo avy ao amin'ny ONG ‘Chance’ avy any Sumy. Mpitsindrona zava-mahadomelina iray nikoizana no mahery fon'ilay lahatsary ary nanomboka nanaraka fitsaboana ORT araka ny toro-mariky ny mpitsabo azy tao aminà Klinia TB (Tiberkilaozy) iray. Ankehitriny, dia mijanona ao amin'ny hopitaly TB izy ka sady afaka mahazo ny fitsaboana TB no mahazo ny fitsaboana ORT ao amin'io toerana io ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.