Tanzania: Manentana An-tserasera Mba Hanampiana Ny Tra-boina Ny Tanora ao Dar

Nanentana ireo tsara sitrapo Ao Dar es Salaam ny vondrona tanora mpiserasera mba hanatevin-daharana amin'ny famonjena ireo olona niharam-boina taorian'ilay tondra-drano nahazo ny faritra midadasika ao Dar es Salaam, izay niteraka fahafatesana olona maro sy fahasimban'ny foto-drafitrasa. Mampiasa ny tenifotra #Darfloods ireo mpisera Twitter amin'ny fampitana vaovao amin'ny olona  ary manentana hatrany amin'ny fandraisana anjara famonjena.

Ny orambe nivatravatra tsy ankiato nandritra ny roa andro no nitarika ny tondra-drano ka niteraka fahafatesan'olona 13 farafahakeliny ary fahasimbana goavana teo amin'ny foto-drafitra. Dibo-drano ny tranobe fiasana sy ny faritra onenana, vokatr'izany, olona an-jatony no tsy manan-kialofana. Araka ny vaovao notaterin'ny Daily News, nilaza ny Sampan-draharaha Mpamantatra ny Toetr'andro (TMA) fa ity no orambe goavana indrindra tao Tanzania nandritra izay 57 taona izay.

Dar es Salaam youths rescuing children. Photo courtesy of http://issamichuzi.blogspot.com/.

Tanora ao Dar es Salaam mamonjy ireo ankizy. Sary: http://issamichuzi.blogspot.com/.

Telo andro lasa izay, nampiasa valantserasera ireo mpamaham-bolongana sy mpiserasera  mba handefa ny teny fampaherezana sy ny vaovao farany miseho.

Altaz Premji nanoratra hoe:

@altazpremji: mizora mahitsy RT @ihelptz:  afa-miantso ny laharana +255 222181117 avokoa izay rehetra te-hanome tanana noho ny tondra-drano

Amor Mtage nandefa laharana an-tariby ho an'ireo izay vonona hanampy amin'ny famonjena ireo tra-boina:

@AmorMtage: Azo antsoina amin'ny laharana 0718104565 ny filohan'ny fikambanan'ny tanora ONU ho an'ireo izay mikasa hanampy na tsara sitrapo #darfloods

Vondrona haino aman-jery Bongo 5 nandefa ny toerana misy ny fitsaboana vonjy taitra:

@bongofive: Vituo vya waathirika wa #DarFloods ni Sekondari za Azania, Msimbazi, Mchikichini, Kibasila, Mzambaraoni. Sh. msingi Mchikichini, Muhimbili

@bongofive: Ireto avy ny toeram-pitsaboana vonjy taitra #Darfloods: Azania, Msimbazi, Mchikichini, Kibasila, ny fianarana ambaratonga faharoa Mzambaraoni. Mchikichini sy Muhimbili, sekoly fanabeazana fototra

Noho ny ezaka avy amin'ireo olo-tsotra, dia tra-boina an-jatony no efa nahazo ny famonjena sahaza azy hatramin'izao. Luca ao Dar Es Salaam nanoratra hoe:

@simplyluca: Teo amin'ny 3000 mahery teo ireo tra-boina hitanay #DarFloods, mitohy hatrany ny ezaka atao ao kesho (rahampitso) sy aorian'izany. Marina io.. fa tsy saingisangy! Mila famonjena izy ireo ankehitriny,  acheni majungu (ajanony ny fihazana mpamosavy)

Lusajo L.M mahafantatra tsara fa  maro ny zavatra tokony atao ao amin'ny toeram-pitsaboana vonjy taitra ka ni-tweet hoe:

@sajjo: @DarFloods andao hifantoka am-pahendrena handrindra ny famonjena sy ny fandefasana vaovao momba ny #DarFloods, avelao ho an'ny mpanao politika ny resaka politika.

Kaonty Twitter an'ny filoha Jakaya Kikwete (@jmkikwete) nandefa ity lahatsoratra manaraka ity:

@jmkikwete: @DJ_KIMZ manefa ny anjarany ny governemanta. Nanao asa vonjy voina nandritra ny roa andro farany ny Mpitandro ny Filaminam-bahoaka Tanzaniana, miara-mientana amin'ny mpandray anjara hafa.

Ao Singida, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Mohammed Dewji nandefa ny fanambarana nataon'ny filoha tao amin'ny bilaoginy:

Nimepokea kwa masikitiko habari za vifo vya wenzetu 13 vilivyotokana na mafuriko yaliyosababishwa na mvua kubwa ambayo sote tumeishuhudia katika mkoa wa Dar Es Salaam tokea jana.

Tohina ny foko raha nandre ny fahatesan'ireo olona 13 noho ny tondra-drano mahery vaika tao Dar Es Salaam nanomboka omaly.

Raha mbola mitohy ny famonjena ataon'ireo olona marobe, mpamaha bolongana marobe ao Dar Es Salaam, toa an'i Issa Michuzi sy Bongo5 kosa namoaka sary mampiseho ny haavon’ ilay todran-drano.

Mpisera Twitter ao Dar Es Salaam,  Rakesh Rajani sy Mikie Mckee, mampiseho ny fahatongavan'ny tondra-drano any amin'ny toeram-piasana lehibe sasantsany:

@rakeshrajani: #Twaweza Dar nikatona mandra-pivoaka ny filazana vaovao noho ny tondra-drano mahery vaika (hatreo amin'ny tratra ny rano ao anatin'ny birao!). Fahasimban-javatra goavana, mila andro maromaro ny fananerana izany

@MikieMckee: Birao Diplaomatika sy Biraon'ny fikambanana iraisam-pirenena, ka tafiditra amin'izany ny an'ny ONU ao Tanzania, Ambasady Soisa, Twaweza, Ambasady India zimejaa majii #DarFloods

Mpisera Twitter hafa nandefa vaovao mikasika ny toetry ny lalana amin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #Darfloods.  Kaonty twitter EATV 5  @Number1youthchannel ni-tweet hoe:

@Number1youthchannel: Tapaka ny tetezan'i Lugalo /Tangi Bovu. TSY misy fiara mahazo MIVEZIVEZY amin'izany. Sary avy amin'i Jimmy Blanks.

Filoha Tanzaniana Jakaya Kikwete nitsidika ny faritra voakasiky ny tondra-drano, mampiseho ny fandraisan'anjaran'ny governemantany toy ny mpitari-dalana amin'ny famonjena atao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.