Liberia : An'Iza Ny Hadisoana Tamin'ny Fifandonana Tao Monrovia ?

Ny renivohitra Liberiana Monrovia dia niaina fikorontanana sy herisetra teo an-tànan'ireo mpianatra feno hatezerana. Ilay nanomboka, iray volana latsaka izay, ho toy ny drafitr'asa an-tselika mandritry ny fialantsasatra nomen'ny fiadidiana ny fitondram-panjakana ho an'ireo mpianatra dia nitondra an'i Monrovia eo amin'ny sehatry ny herisetra. nosimbain'ireo mpianatra feno hatezerana ireo foto-drafitrasan’ ny governemanta, ny sekolim-panjakana  ary fiara.

Ny Filoha Ellen Johnson-Sirleaf, talohan'izay dia nanome fahefana ny “Monrovia City Corporation” mba hamolavola drafitra iray mba hahazoana mpianatra eo amin'ny 3.000 eo ho eo hiasa eo ambany fiahian'ny rafitra iray momba ny asan-tselika mandritra ‘ny fialantsasatra.  Fandaharanasa iray natao ho an'ny mpianatra 3.000 no nivadika ho fandaharanasa an-tselika ambony ambany ho anà mpianatra 20 000  izay nampihenjana ny fifandraisana eo amin'ny mpianatra sy ny governemanta Liberiana.

Voalaza fa nipoaka ny korontana taorian'ny niasan'ireo mpianatra nandritry ny herinandro teo ho eo izay nanao ny asa fanadiovana  tao Monrovia ka 35 $ no karama nifanarahana kanefa tsy nahazo izany ara-potoana izy ireo ary avy eo tsy nanàna faharetana.

Liberian police battling to curb the students' riot.Pic courtest facebook.

Polisy Liberiana midaroka ireo mpianatra mpanakorontana mba hamoretana azy ireo. Sary natolotry ny pejy Facebook-n'ny Earnest Garbleejay Smith.

Ilay herisetra dia namela ny maro tao anaty fanontaniana an-jatony tsy misy valiny mikasika ny làlan-kizoran'ny fivoaram-pirenena. Moa ve ireo hitondra an'i Liberia any aoriana mba hitondra tena toy ny olona misaina manana fifehezan-tena ? Nathan Patio Charles dia nitaraina hoe :

@NathanPatio :  Fanindroany izao ireo mpianatra mpanao asa an-tselika ao # Liberia ireo no nanao fihetsika miaro herisetra tao Monrovia, nandoro ny fiaran'ny governemanta sy ny an'olon-tsotra #cars,

Svaye dia nijery ilay olana tamin'ny lafiny ara-panahy :

@beSassic :  Mandefa vavaka ho an'ny #Liberia malalako

Samuel Herring dia nivesatra ny lafiny ilàny tamin'ilay raharaha  :

@theboyfromlib :  Re fa tsy tena ireo mpianatra niasa ireo. Ireo tryna voakarama ireo ary tsy afaka ny nanaporofo ny mombamomba azy. #Liberia

Le Patron Vonk dia haingana tamin'ny fijerena akaiky ilay olana ary nanolotra vahaolana :

Ny olona noana dia olona tezitra… Omeo ny karaman'ireo mpianatra tamin'ny asa nataony … Tsy mamahana ny olana ny fandraràna fivezivezena amin'ny alina… Omeo an'i Mary Broh ny tsiny.

Naneho hevitra tamin'ilay fandinihan'i Le Patron Vonk,  i Massa Johnson nilaza hoe :

Fantatrao fa isika Liberiana dia feno kolikoly. Misy olona voaray izay tsy manana karatra mazava, izaho manokana raha tany Libia dia nijoro nilahatra niaraka tamin'ny fianakaviako.

Clarence Pratt dia nanontany tena ny amin'ny antony mety hamotehan'ireo mpianatra nahazo karama ny fireneny :

@Arsenalistical : Ho azon'ireo ny karamany, koa maninona no manao fihesika tafahoatra sy mamotika trano, fandraharahàna ary fiara. Aoka re # Liberia

John Kantan, niharan'ny herisetran'ny polisy. Sary natolotry ny Liberian Observer Online.

Moses Carter dia nanasongadina ny loharanon'ilay olana :

Mihevitra aho fa ny olana eto dia nisy hadisoana tamin'ny fomba nandraisana ireo mpiasa.. Hitako fa natao tamin'ny fomba tsy mendrika izany .. tanora maro no nahavita nanatsofoka ny anarany tao amin'ilay lisitra tamin'ny alalan'ny fanontàna printy ny taratasy fisoratany anarana ihany.. Ny governemanta dia nanao fahadisoana ihany koa tamin'ny fiantsoana tanora mihoatra ny 10.000 ho aminà ivon-terana iray handoavana ny karaman'izy ireo .. zavatra izay tena tsy afaka tanterahana  ny ahavitàna azy ara-potoana, noho ilay fomba fandraisana mpiasa feno hosoka ka nahatonga azy ireo hanamarina anarana mialohan'ny hanomezan'izy ireo ny karama, izay nandany fotoana be … Ireo tanora koa dia tsy nahavita nitàna ny faharetany ..ny toky nomen'ny governemanta ny hanome karama azy ireo alohan'ny fety, nila nampihatra ny ‘miandry dia mahita’ ry zareo mba hijerena izay ho vokatry ny dingana.. saingy izy ireo dia nihazakazaka haingana loatra tsy nanana faharetana…Manantena fa nisy lesona noraisina ho amin'ny hoavy izao…

Ny governemantan'i Liberia dia nanao fanambaràna ny zoma lasa teo fa haatony ny fanomezana ny karama ho an'ireo tompon'ny vola tamin'ny asa an-tselika Krismasy satria misy olona tsy misy saina nitsofoka tamin'ilay izy ary nahatonga loza teo amin'ny fananam-panjakana sy olon-tsotra. An'iza ny hadisoana ? Mbola hitohy ny adihevitra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.