Mozambika : Ilay Bilaogera Tsy Voafehy Ao Amin'ny Facebook

[Ny rohy rehetra dia mitondra mankany aminà pejy amin'ny teny Portigey raha tsy misy fanamarihana manokana.]

Mozambika dia firenena vitsy bilaogera ngezalahy ary ankoatra izay dia kely amin'ny fitantaràna ny resaka fanehoan-kevitra mazava ao anaty aterineto malalaka. Miaraka amin'ny firoboroboan'ny Facebook (amin'ny alalan'ny finday), olona iray be  herim- po no nivoaka avy tao amin'ity tontolo fotsy voahodidina manga ity.

Edgar Barroso dia lehilahy 28 taona mpiasam-panjakana eo amin'ny fiainany, manana namana maherin'ny 1800 ao amin'ny Facebook toa an'i “Apóstolo da Desgraça” ( heviny ara-bakiteny: Apostolin'ny henatra, anaram-petaka fananihany omena ireo tsy leo milaza  ny zava-misy ary ilazàna ny literatiora Mozambikana amin'izao vanim-potoana izao). Izy no lasa iray amin'ireo olona be mpanaraka indrindra anaty aterineto ao Mozambika, mampiasa ilay sehatra ho toy ny bilaogy.

Profile of Apóstolo da Desgraça on Facebook

Sarin'i Apóstolo da Desgraça ao amin'ny Facebook

Ny_Apóstolo dia manana namana isaky ny farintany ao amin'ilay  firenena – izay afaka mahazo Facebook ny finday any, azony antoka tsara  fa ho voavaky ireo fanavaozana akariny. Ny lahatsorany dia ahitana fitsikerana mihoatra ny 40 matetika, indraindray aza maherin'ny 150. Navelany hisokatra ny kaontiny amin'izay dia mitohy ho seha-pifanakalozan-dresaka ho an'ny daholobe.

Ilay “Apostoly” dia lasa namana mpanampy ary lasa naman'ireo mpanao gazety – angamba noho ny fomba fitsikerany mahatsikaiky sy mamelively ny lafiny politika sy ny ireo manam-pahefana eo amin'ny fitondrana.

Ilay Apostoly dia nampitombo ny fahasorenan'ny Frelimo, antokon'ny mpitondra (teo amin'ny fitondrana nanomboka ny taona 1975 nahazoana ny fahaleovantena ), indrindra nandritra ny fifidianana famenoan-toerana tany aminà tanàna telo tany Avaratra. Nanampy ny mponina izy nampiakatra ny feony izay naneho hevitra mikasika ny fampielezan-kevitra , tamin'ny alalan'ny fizaràna sy famerenana mampakatra ny sarin'izy ireo ary ireo fanehoan-kevitra mivantana avy eny ifotony.

Telo andro talohan'ny fifidianana natao ny 7 Desambra, fony nafotaka  ny fifandirana be teo amin'ny mpanohitra hakàna ny tanànan'i Quelimane – jereo ny lahatsoratray [en]) Apóstolo dia nizara taratasy/lahatsoratra tao amin'ny Facebook izay nomeny ny lohateny hoe “CARTA ABERTA AOS MEUS IRMÃOS DE QUELIMANE (por favor, imprimam e espalhem este texto ao maior número possível de eleitores)” na “Taratasy misokatra ho an'ireo rahalahiko rehetra ao Quelimane (Azafady, ataovy printy ary amparitaho amin'ireo mpifidy maro be ity lahatsoratra ity)”

Tao amin'ilay taratasy izy dia nanoratra hoe :

É impossível olhar para a cidade e fingir que está tudo bem. Não é o secretário do partido, o ministro tal ou o deputado fulano, que nunca residiram nesta cidade, que saberão mais do que nós mesmos o que é melhor para a nossa terra. Estranhemos a razão de hoje eles estarem todos em Quelimane e de terem largado as suas extra-terrestres mordomias, protocolos e regalias, apenas para pisarem o mercado sujo e mal cheiroso onde vendemos e passamos grande parte da nossa vida, implorando-nos o voto e nos prometendo um futuro paradisíaco que nunca nos foram capazes de proporcionar nestes anos todos que estiveram à frente do município. Onde estavam eles até há um mês atrás?

Tsy vita ny hijery ny tanàna ka mody hilaza hoe mandeha tsara ny zava-drehetra. Tsy ny sekreteran'ny antoko, Minisitra izatsy na Mambran'ny Parlemanta, izay tsy mipetraka ao an-tanàna mihitsy, no hahafantatra mihoatra noho isika ny zavatra mety sy tsara indrindra ho an'ny tananàntsika. Hafahafa ny fahitàntsika hoe any Quelimane daholo izy ireo amin'izao fotoana ary nanary ny tombontsoa miavoasany, ny lalàna mifehy, mba fotsiny handeha ho any amin'ny tsena maloto sy maimbo izay ivarotanay sy andanianay ny ampahany betsaka amin'ny fiainanay, hiangavy anay mba handatsaka ny vatonay sady manome toky anay fa hanome hoavy mahafinaritra izay tsy vitan'izy ireo velively ny nanome izany tao anatin'ireo taona maro nitondrany ny tanàna. Taiza izy ireo iray volana lasa izay ?

Izy dia nampakatra lahatsary maro avy amin'ilay hetsi-panoheran'ny artista Azagaia mpanao “hip hop”  tao anaty fanentanana ho amin'ny fifidianana, nanentana ireo namany mba hivoaka ary hifidy, ao anatin'izany ireo “Combatentes de Fortuna” (Miaramila Notsimpontsimponinia) sy “Povo no Poder” ( olona eo amin'ny fitondrana).

Sarin'ny tenany ihany natolotr'ilay "Apostoly" Edgar Barroso

Feno fahasahiana ilay Apostoly  tamin'ny fifanandrinany tamin'ilay mpitondra tenin'ny antokon'ny fitondrana tanaty aterineto, matetika tamin'ny fanononana azy ireo tamin'ny anarany. Ao anatinà firenena iray izay ny fanehoan-kevitra ara-politika toy izany dia voafetra ho ao anaty pejy kelin'ireo gazety tsy miankina fotsiny, io fihetsika io dia tena mivantana ary mety hitera-doza ho azy tenany mihitsy.

Ilay fandrahonana ho faty

Ny andro manaraka ny faharesen'ny antokon'ny mpitondra tamin'ny fifidianana ben'ny tanànan'i Quelimane, Barroso dia naharay fampitahorana lava be tamin'ny alalan'ny HAFATRA tao anaty findainy. Nampiakatra ilay nomerao izay nandefa ilay hafatra, ary  nolazainy ambongadiny tamin'izany hoan'ireo mpamaky izany mba hahafahan'izy ireo maneho ny heviny.

“EDGAR BARROSO, ED MALUCO OU APOSTOLO DA DESGRACA…. Esperamos que no ano que se aproxima , CONTROLES tudo o que vais escrever… Cuida da tua vida, da tua familia, teu empreguinho, trata de construir uma familia e NAO TE ENGANES COM AS AMIZADES porque gracas a elas sabemos teus passos todos. […]

EDGAR BARROSO, ED ADALA NA APOSTOLIN'NY HENATRA … manantena  izahay fa amin'ny herintaona, dia HITANDRINA ny zavatra rehetra soratanao ianao…Tandremo ny ainao, sy ny an'ny fianakavianao, ary ny asa kelinao, miezaha manangana fianakaviana ary AZA METY HO FITAHIN'NY FINAMANANA satria amin'ny alalan'izy ireny no ahafantaranay ny dingana rehetra izoranao. […]

Tao anatin'ny ora vitsivitsy, dia nisy fanehoan-kevitra teo amin'ny 200 teo momba io fampitahorana io, ny ampahany betsaka dia nankahery tokoa. Olona iray avy amin'ny antokon'ny mpitondra no namely azy ary dia tsy nisalasala niaro azy ireo namany.

Ilay Apostoly dia namaly tamim-pihantsiana ilay fampitahorana, tamin'ny filazany fa vao maika aza izy hiteny bebe kokoa, ary tsy matahotra ny ho faty na ho very asa, ary koa nilaza fa fantany ilay tomponandraikitra tamin'ilay fampitahorana. Nanoratra izy hoe

Você (ou vocês) meteram-se com o gajo errado. Eu sou o Edgar, não sou nenhum parvo. Da mesma forma que coloquei a OJM ou o CNJ em coma é do mesmo modo que colocarei, eu e os demais servos do povo que comungam dos mesmos princípios e valores comigo, o vosso sistema de mentiras, trafulhices, podridão, hipocrisia, crime e derivados em MORTE NATURAL (OU INDUZIDA).

Burro(s).

Manakorontana olona tsy izy ianareo. Edgar aho, tsy ireny anti-dahy tsy misy saina ireny aho. Toy ny nametrahako ny OJM (Organization of Mozambican Youth) sy ny CNJ (National Youth Council) [elatra ho an'ny tanora Frelimo] ho anaty fahangolena sy tsy fahatsiarovan-tena, dia ho entiko miaraka amin'ireo izay mpiasam-panjakana hafa sy olona mizara ny foto-kevitra sy lanja mitovy tahaka izany, ireo rafitry ny lainganareo, ny halatra, ny fahalovana, fihatsaram-belatsihy, ny vono olona ary ny fanodinkodinana mba ho any amin'ny FAHAFATESANA VOAJANAHARY (NA ATOSIKA HO ANY ) .
Tsy misy saina (ireo).

Taorian'ilay fandrahonana, dia nanambara izy fa sambany vao natao fanadihadiana tao amin'ny Mozambican TV na televiziona Mozambikana, porofo izany fa tsy miomana ny hiala vetivety sy moramora ilay Apostoly.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.