26 Desambra 2011

Tantara tamin'ny 26 Desambra 2011

Shina: Voadaroka Ilay Mpilalao sarimihetsika Christian Bale Raha Nikasa Hamangy An'i Chen Guangcheng

  26 Desambra 2011

Taorian'ny 48 ora nitondrana fiara avy any Beijing, toerana nanaovany fanentanana ilay horonan-tsarimihetsika The Flowers of War notontosainy, voadaroka ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika Britanika Christian Bale  tamin'ny 15 Desambra 2011, raha nikasa hamangy ilay mpiaro ny zon'olombelona nogadraina Chen Guangcheng. Niaraka tamin'i Bale ireo mpanao gazetin'ny CNN raha nikasa hiditra ao anatin'ilay tanàna...

Tohano Ny Global Voices

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro. Mba hanamarihana ity taona nampientanentana...

Bolivia: Andro 1-n'ny Fiaraha-mientan'ny “Conectándonos”

Rising Voices  26 Desambra 2011

Ny fiaraha-mientan'ny "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao ny 12-14 Desambra dia nitondra mpitarika vaovao liana tamin'ny fikarohan-dàlana amin"izay fomba hahafahan'ny fampiasàna ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra mandray anjara amin'ny fiovàna ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ity no famintinana fohy ny Andro 1.

Iran: Mpiasa Tsy Nahazo Karama Nitoraka Kiraro Ny Filoha Ahmadinejad

Mpamaha bolongana marobe no naneso ilay vaovao mikasika ny Filohan'i Iran Mahmoud Ahamadinejad,  kinendrin'ilay mpitoraka kiraro tezitra mafy, nandritra ny kabary nataony tao avaratr'i Sari, tamin'ny 12 desambra 2011. Tsy nahavoa ilay toraka kiraron'ilay mpiasa mpanenon-damba teo aloha, antsoina hoe Rashid S., nitangorona teo aminy ireo mpanatrika tao ary nively azy mandrapaha-tongan'ny mpitandro...

Mba Hahazoana Habaka Niomerika Ahitàna Fandraisana Anjara Betsaka

Rising Voices  26 Desambra 2011

Ny Rising Voices dia mikarakara fiaraha-mientana in-telo miantoana ao Cochabamba, Bolivia ny 12-14 Desambra miaraka amin'ireo feo izay vao nisondrotra sy ireo mpamorona ny media niomerika hafa. Ny tanjon'ny fivondronan'ny "Conectándonos" (Connecting) dia mba hitondra fanohanana sy fampiofanana mpandray anjara miisa 35 avy amin'ireny vondrom-piaraha-monina zara raha voasolo tena ireny ary ireo mpiara-miasa akaiky amin'ireo vondrona ireo mba hahafantarana ny fomba azony irotsahana hiantohana fa ho toerana hiaraha-mifanotrona ny haba dizitaly Boliviana miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ny seha-piaraha-monina rehetra

Ejipta : Vehivavy # SCAF – Iza No Handresy ??

Androany izao tontolo izao dia nifoha niaraka tamin'ny fahitana fa nameno ny lohatenim-baovao indray i Ejipta miaraka aminà sarinà miaramila midaroka vehivavy misarom-boaly ary manao izay hanalàna ny akanjony. Nermeen Edrees dia namoaka ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto mikasika ny fomba nanaovan'ny Filan-kevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana ireo vehivavy ao Ejipta.

Bahrain : Mitohy ny #OccupyBudaiyaSt

Ireo mpanao hetsi-panoherana avy ao Bahrein dia manohy ny fikomiany andavan'andro na dia eo aza ny famoretana ataon'ny governemanta, governemanta izay milaza amin'izao tontolo izao fa manomana fanovàna ary tsy tafiditra amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny. Io fifanandrinana tsy dia nahery setra loatra tamin'ny mpanao hetsi-panoherana io dia namoizana ain'olona roa ary tsy tambo isaina ireo olona naratra nanomboka ny Alakamisy. Ireo mponina dia naneho hevitra tamin'ny fandrosoan'ilay vaovao tao amin'ny firenena, izay tsy dia hita avoakan'ny vaovao loatra ny revolisiona ao aminy.