Amazonia Peroviana: Ny Fanambin'ny Zava-Mahatalanjon'ny Natiora

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fibanjinana ny Ala: Amazonia.

Ny 11 Novambra 2011, nambara fa ny Ala matevin'i Amazona dia napetraky ny “New 7 Wonders foundation” vonjimaika ho iray amin'ireo zava-mahatalanjon'ny Natiora erantany. Ireo mponina ao [es] amin'ny faritr'i Loreto Peroviana, indrindra fa ireo avy ao Iquitos, dia nankalaza [es] ilay fanambaràna. Na ny Filohan'ny Faritra, i Yvan Vásquez aza dia jmba nitsoraka tany anaty [es] ranon'ny Renirano Nanay hankalaza. Na izany aza, ny fananafisana na ny fanomezana sertifika dia tsy hisy hatramin'ny 2012 [es]

Milaza ny maro fa hitondra tombontsoa ho an'ny faritra Loreto ity fanendrena ity ary ho an'ny tananan'i Iquitos amin'ny fampiakarana ny fizahantany [es], hiteraka fihatsarana ara-tsosialy sy ara-toekarena, saingy mba efa nivonona ho amin'izay ve ny faritra? Ireo manampahefana ao an-toerana sy ao amin'ny faritra dia miteny [es]  fa miasa ho amin'izany ry zareo.

Iquitos manokana dia azo amidy ho toy ny fiantsonana ara-pizahantany, saingy ny tanàna, raha n y marina, dia tsy mihetsika ho tonga amin'izany. Ireo faritra an-tanàn-dehibe mahasarika sy miavaka ao aminy dia toa tsy voakarakara raha ny fijerin'ny vahiny azy, manana tahan-kerisetra ambony be mitaha amin'nireo tanàna sisa, ary tsy ampy ireo singa ho entina mandresy lahatra ny mpitsidika mba hijanona ao. Maro koa no velom-panahiana mikasika ny toerana misy azy amin'ny resaka fizahantany mamoa-fady

Fanampin'izany, ny tanànan'i Iquitos dia misedra olan'ny fifamoivoizana sy làlana tapaka noho ny asa fanavaozana tsy vita hatramin'ny farany. Misy ihany koa tatitra [es] matetika momba ny fanafihana ireo sambokely eny amin'ny reniranon'i Amazona, tsy lazaina intsony ny fanafihana [es] mpizaha tany amin'ny ankapobeny. Sady koa, i Amazonia amin'ny maha-“ecosystem” azy dia miantrika loza mitatao mandrakariva, toy ny fiparitahanà solika [es], fahasimban'ny ala [es], fahalotoan'ny renirano [es], ary ambonin'ny zavatra rehetra, ny tsy firaharahan'ireo manampahefana [es] an'ireny resaka ireny.

Jorge Agurto, ao Servindi, dia misaina [es] an'io :

La red se inunda de comentarios elogiosos al Perú e insufla alientos a favor del turismo a fin de aprovechar la designación. Pocos se refieren a los pueblos indígenas que la protegen, menos a los graves problemas que atraviesan los bosques amazónicos por falta de un plan de desarrollo amazónico solvente, integral y responsable.

Quienes hoy celebran la distinción amazónica ¿acaso se indignaron cuando el 28 de abril de 2010 un decreto supremo del gobierno de Alan García -aún no derogado- declaró de “interés nacional y social” (1) la construcción de 20 centrales hidroeléctricas en la cuenca del río Marañón, en la amazonía norte del Perú, en los próximos 40 años?.

No es mi intención ser aguafiesta de la celebración por la amazonía pero considero que su valoración será más auténtica, completa y real si consideramos también la necesidad de enfrentar los riesgos reales y actuales que la degradan y amenazan. Y esto requiere construir un Plan de Desarrollo de la Amazonía Peruana con la participación de los pueblos indígenas, dueños ancestrales de los bosques amazónicos.

Tondraky ny fanamarihana mahafinaritra momba an'i Peru sy fanohanana ny mba hampiroboroboany ny fizahantany avy amin'izao fanendrena azy izao ao amin'ny aterineto. Vitsy no mba miresaka momba ireo vazimba teratany izay miaro ny ala mikitroka, na ireo olana izay atrehan'ny ala mikitrok'i Amazonia noho ny tsy fisian'ny drafitra hitondràna vahaolana sy fandraisana andraikitra feno.

Moa va re ireo izay mankalaza amin'izao fotoana mba tohina tamin'ny 28 Aprily 2010 rehefa nisy didy faratampony navoakan'ny governemantan'i Alan Garcia – izay tsy mbola nisy nanafoana azy – nanambàra ny “maha-raharaham-pirenena sy ho an'ny soa ara-tsosialy” ny fananganana tohodrano 20, ato anatin'ny 40 taona ho avy,  ho famokarana herinaratra ao amin'ny lemaka manakaiky ny reniranon'i Marañón, any amin'ny faritra avaratry ny Amazonia Peroviana?

Tsy ao anaty eritreritro miohitsy ny hanelongelina ilay fankalazàna, saingy heveriko fa mendrika kokoa ity fanomezan-kasina, feno ary tena izy an'i Amazonia ity raha toa isika ka nijery koa ny filàna ny fiatrehana ireo loza mivaingana sy misy amin'izao fotoana izay mampikororosy sy mananontanona azy. Io dia mila ny fametrahana Drafitra Fampandrosoana an'i Amazonia, miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ireo vazimba teratany, izay tompon'ny tany nolovainy tamin'ny razany tao amin'ny ala mikitrok'i Amazonia.

Lahatsoratra iray ao amin'ny  Faunatura tamin'ny  Novambra 2008, no nanipika [es] ireo olana fototra ho an'i Amazonia:

- La falta de recursos de los gobiernos de los países que comparten la selva.
– Los saqueadores que son los que se encargan de la deforestación y extracción de recursos vegetales y especies animales, contaminación del agua – y medio ambiente porque además provocan incendios.
– Las Multinacionales que por explorar riquezas minerales (Petróleo, metales, minerales, gas natural…), desequilibran la ecología.
– La invasión masiva de inmigrantes que llegan diariamente a colaborar con el ya existente saqueo .
– La ausencia de leyes protectoras de la selva, y si existen esas leyes, no se cumplen.

- Ny tsy fahampian'ny ho enti-manana eo amin'ny governemantan'ireo firenena mifampizara an'io ala mikitroka io.
– Ireo mpandroba tsy valahara izay tompon'antoka amin'ny fanimbàna ny ala sy ny fakàna ireo otrikarena ara-javamaniry sy ireo karazam-biby, ny fandotoana rano – ary ny tontolo iainana satria koa ry zareo ireo dia manao doroala.
– Ireo orinasa maro sampana, noho ny fitrandrahana ny harena ambanin'ny tany (solika, vy, vatosoa, entona voajanahary…) dia manakorontana ny firindran'ny tontolon'ny zava-miaina.
– Ny firohotan'ireo mpifindra monina izay tonga isanandro mampitombo ny asa fandrobàna.
– Ny tsy fahampian'ny lalàna miaro ny ala mikitroka, izay raha misy dia tsy ampiharina akory.

Any San Martín, faritra iray hafa ao Amazonia, velom-panahiana[es] ihany koa ireo mponina momba izay hataon'ny governemantan-dry zareo eo an-toerana mba hiarovana ilay ala mikitroka, araka ny fanazavan'ny Diario Voces :

Si es que fijamos nuestra atención en el Gobierno Regional de San Martín encontramos contradicciones increíbles. Mientras que algunas instituciones se encargan de cuidar las áreas naturales protegidas, también existen otras que invierten grandes sumas de dinero en la construcción de carreteras y puentes que ayudan a que la migración de agricultores avance y con ella el tráfico de tierras y la agresión contra el bosque.

Raha afantotsika amin'ny Governemantam-Paritra ao San Martin ny saintsika dia hahita fifanoheran-javatra. Raha ny sasany amin'ireo andrim-panjakana mikarakara ny natiora sy ireo faritra arovana, misy koa ny andrim-panjakana hafa mampiasa vola tsy hita noanoa amin'ny fanorenan-dàlana sty tetezana izay manosika ny fifindra-monin'ireo tantsaha sy miaraka aminy koa, ny fanodinkodinana ny fananan-tany ary ny herisetra atao an'ilay ala mikitroka.

Ao amin'ny aterineto ny tsirairay dia mahita lahatsary maro momba ny fizahantany any Amazonia, toy ity iray [es] ity avy amin'i PromPerú [es] momba an'i Loreto. Lahatsary iray fampahafantarana [es], mbola avy amin'i PromPerú ihany koa, no miompana amin'ny  Selva Central (Fon'ny Ala mikitroka) ao Peru, faritra iray tena mahafinaritra sy miavaka manokana. Mikasika an'i Iquitos koa,  fanadihadiana iray tamin'ny fahitalavitra [es] no maneho ireo toerana iraisana sy ireo hevitra atentina amin'ny fiainan'ny tanàna rehefa andro alina.

Ity lahatsary ity, ahitàna ny sarin'i Madre de Dios avy amin'ny faritra Amazonia Peroviana, novokarin'ny Generación Verde MDD [es], no manome tsara ny sarin'ny loza izay mananontanona ilay ala mikitroka ao amin'ity faritra ity :

Farany, ity lahatsary avy amin'i  Alerta Perú [es] ity no miampanga ny fandotoana ao Andoas, Loreto, faritra avaratr'ilay ala mikitroka :

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fibanjinana ny Ala: Amazonia.

Ny hajiantsary sy sary nasongadina momba ny Renirano Amazonia, Iquitos, Peru, dia avy amin'i Jake G. Nampiasaina teo ambanin'ny lisansa Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0). 

Lahatsoratra navoaka voalohany tamin'ny 17 Novambra 2011 to amin'ny  bilaogy manokan'i [es] Juan Arellano .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.