Pakistana: Ny fahafatesan'i Nusrat Bhutto

Ny fahafatesan'i Nusrat Bhutto vao tsy ela, ramatoa vadin'ny filoha Zulfiqar Ali Bhutto teo aloha dia nanaovana fisaonana nanerana ny firenena. Tany Dubai, maty tao amin'ny tranon'i Benazir Bhutto zanany vavy efa nodimandry i Nusrat Bhutto, rehefa niady nandritra ny fotoana maharitra tamin'ny aretina Alzheimer.

Ny fahatsiarovana mampihetsi-po avy amin'i Cafe Pyala dia manome fijery ara-tantara ny lova navelan'i Nusrat Bhutto ho an'ny tanora izay tsy nanatri-maso ny fotoan'androny:

Fa te hanoratra kosa aho andalana roa ho an'ireo izay tsy niaina nandritra ny fotoana izay tena nanamarika azy (ary ny ankamaroan'ny Pakistane amin'izao fotoana, izay tokony hampatsiahivina, dia teraka taorian'ny 1993) ary ho an'ireo izay manontany tena hoe inona koa ny dikan'ireo alahelo be mavesatra mitosatosaka ireo noho ny fahafatesan'ity anti-bavy 82 taona ity izay efa tsy niseho vahoaka efa ho am-polo taona mahery.

Mba hahazoana bebe kokoa ny fifandraisan'ny olona an-tapitrisany amin'i Nursat Bhutto – fa tsy ireo mpanohana ny Antokon'ny Vahoakan'i Pakistan ihany – dia tokony hahalala ny tsirairay hoe toy ny ahoana ny herimpon-dramatoa iny na dia niharan'ny tsindry tanteraka sy niatrika zava-mahatsiravina aza izy  – dia vady sady reny izay niaina sy nahita ny olona akaiky azy indrindra amin'ny fianakaviany nindaosin'ny fahafatesana izy – noho ny zotom-pony dia nitondra fampaharezana ho an'ireo hafa tsy nanana niankinana. Ny tantarany no tantaran'ny olombelona izay mihoatra ny saranga na laharam-boninahitra misy azy teo amin'ny tontolo politika.

Nusrat Bhutto (first from left) at Japan Consulate dinner. Image from Flickr by Altaf Shaikh CC BY-NC-ND

Nusrat Bhutto (voalohany avy any an-kavia) tamin'ny fisakafoanana hariva any amin'ny Masoivohon'i Japana. Sary avy amin'i Flickr nalain'i Altaf Shaikh CC BY-NC-ND

Nolazaina tamin'ny fomba ofisialy ny fisaonam-pirenena, milaza fa andro tsy iasana ny Alatsinainy 24 Oktobra 2011; nikatona ny banky, ny trano fampianarana eny fa na dia ny tokotany mifefy aza. Niteraka resaka manontany ny tena hevitry ny governemanta marina ao ambadiky ny fanambarana azy ity ho andro tsy iasana, izay tena hisy fiantraikany indray any amin'ny toe-karen'ny firenena izay efa ratsy.

@Reallyvirtual: Nilaza ny tany amin'ny fianaran-janako lahy fa andro tsy iasana rahampitso… Velona ry zareo laniany ny androm-piainantsika, maty ry zareo laniany ny androm-piainantsika.

@lablinks: Rehefa lasa raharaham-pianakaviana ny firenena, dia efa ampoizina ny fanakatonana ny tsena rehefa misy maty ao amin'ny fianakaviana.

@ReallyVirtual: ary dia potehin'izy ireo ihany koa ny toe-karem-pirenena, andro telo misesy tsy iasana be izao. Mahamenatra.

@jehan_ara: Ka tsy hisy izany ny Filan-kevitry ny governemanta amin'ny Alarobia. Misy afaka manazava ve hoe ahoana ny ho fanomezam-boninahitra an'i Begum Nusrat Bhutto? Misaonà fa maninona no mijanona miasa?

@bhopalhouse: Aleoko mipetraka any Pakistan, fa midika fikarohana bebe kokoa momba ny Alzaimera ny fahafatesan'i Nusrat Bhutto fa tsy andro tsy iasana amin'ny tsy misy dikany.

@umairjav : Feno hatezeran'ny “tanora” manompa ny Antokon'ny Vahoaka Pakistaney eo amin'ny fitondrana ao amin'ny riakan-kevitra ato amin'ny facebook-ko noho ny nanomezany mari-boninahitra an'i Nurshat Bhutto taorian'ny nahafatesany. Eny, voaozona isika

@sarahnaq : Rehefa faly isika, milaza andro tsy iasana, rehefa ory isika, milaza andro tsy iasana. Tsy miasa isika ny Zoma, mazava ho azy tsy miasa isika ny Alahady.#pakistan

@akchisti: Nahafinaritra i Nusrat Bhutto & misaona ny nahafatesany aho nefa “tsy mety” ny nametrahana andro tsy iasana sady mifanohitra amin'ny fomba fijeriny aza angamba. #PPP #Pakistan

@shakirhusain: Mandria am-piadanana Nusrat Bhutto. Tiako kokoa raha fomba hafa no nankalazan'ny fanjakana azy fa tsy hoe andro tsy fiasana. #Pakistan

@thekarachikid: Tokony hisy rafitra fanairana SMS manerana ny firenena apetraka hamahana an'ity resaka fanambarana ny andro tsy iasana ity. #pakistan

Na dia maro aza ny mampiasa ny Twitter amin'ireo manam-pahefana eo amin'ny governemanta, tsy nisy na dia iray amin'izy ireo niresaka azy ity. Na izany aza, fantatra ary hajaina noho ny tolona nataony tamin'iray amin'ireo tena mpanao didy jadona henjana indrindra teo amin'ny tantaram-pirenena i Nusrat Bhuttor. Na dia ireo tsy nanaiky ny politikany aza dia manome voninahitra ny lova navelany.

Nanoratra filazana manjò i Ghazala Akber ao amin'ny Fianakaviana Paktea  :

Tiavo ry zareo, ankahalao ry zareo, hobio ry zareo, araraoty ry zareo – lasa tokoa ny sainay ary misarasara-kevitra rehefa ny fianakaviana Bhutto no resahina. Fa na aiza na aiza no misy antsika eo amin'ny sehatra ara-politika – na mifanipaka tahaka ny inona aza ny fijerintsika — ary – na inona na inona ny fihetseham-pontsika mikasika ny governemanta amin'izao fotoana izao – dia miara-manaiky daholo isika rehetra amin'ny ankapobeny: fa eo amin'ny bokiben'ny tantaran'ny loza ara-politika nisy teto amintsika, teo amin'ny tolona mafy niadian'ny Demokrasia tamin'ny Didy Jadona – nosandain'ny Fianakaviana Bhutto lafo be tamin'ny rà, ny hatsembohana sy ny ranomaso izany.  [..}

Tena  manana fo vato ny olona iray tsy misy sombin'alahelo sy nenina noho ny fandaozan'ity zokibe vavy ity tamin'ny 23 Oktobra, Rtoa. Nusrat Bhutto — Vadin'ny Filohan'i Pakistan teo aloha, vadina Praiministra, renina praiminisitra sy rafozam-bavina Filoham-pirenena.

Nahantona i Zulfiqar Ali Bhutto, vadin'i Nusrat Bhutto, Praiministr'i Pakistana teo aloha nandritra ny fitondrana jadona nataon'ny Jeneraly Zia-ul-Haq. Mampahatsiahy an'i Zia-ul-haq tsy ho mpanao didiy jadona fotsiny ny tantara fa nandritra ny vanim-potoana nitondrany ihany koa no nahitana ny fanafihan'ny Sovietika, ny fiarahan'ny ISI sy ny CIA izay niteraka ny fiforonan'ny Taliban.

Mahatsiahy izany vanim-potoana izany i Cafe Pyala:

Etsy andanin'izany, tokony hanaiky ny marika napetrany ihany koa ny tsirairay, ho an'ireo izay misaona amin'izao fotoana izao, ny dikan'ny vanim-potoana lasa, talohan'ny namariparitan'ny fivavahana tery saina mitam-piadiana sy ny kolikoly tsy laitra ny politikan'ny firenentsika. Raha nijoro izy, ny ràny  mikoriana amin'ny tavany avy amin'ireo ratra izay nataon'ny mpiasan'ny Jeneraly Zia, dia mitsangana miaraka amina tanjaka ara-tsaina feno fahasahiana izay tsy mila fanamarinana avy amin'ny haino aman-jery na mpiambina mitam-piadiana.

Nusrat Bhutto, mandria am-piadanana.

Raha manao veloma farany an'i Begum Nusrat Bhutto ireo Pakistaney dia fanekena fa mety hanome tanjaka ho ana firenena ireo feno holatry ny politikan-kerisetra ny marika navelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.