Azia Atsimo: Ny Voay Eny Anivon'ny Fampahalalam-baovao

Mamba goavambe iray tany atsimon'i Philippines sy voay maro tany amin'ny rano tondraka tao Thailand sy Kambodza no isan'ny teny anivon'ny lohatenim-baovao nibahan-toerana tany Azia Atsimo tamin'ny tapany fahaefatr'ity taona ity.

Nomena anarana hoe Lolong, ilay mamba goavambe voasambotra tao amin'ny faritanin'i  Agusan del Sur any atsimon'i Philippines ary nafindra any amin'ny Valanjava-boary sady Foibe Fikarohana ao Bunawan (Eco-Park and Research Center) ary tsidihan'olona maherin'ny 500 isan'andro. Ny fitsidihan'ny tarika iray avy amin'ny National Geographic dia nanamafy ny satan'i Lolong ho ny mamba goavana indrindra eto an-tany amin'ireo miaina anaty rano masira, tazonina anaty vala, na dia mbola miandry tapa-taona aza ny Guinness World Records (Boky Firaketana Ny Zava-mahagaga Erantany) vao afaka hilaza izany amin'ny fomba ofisialy. Ny fisamborana an'i Lolong no Top 9 ao anatin'ny lisitr'ireo tantara zaraina be indrindra ao amin'ny Facebook tamin'ity taona ity

Ry zareo Filipinos koa dia nanaraka ny tantaran'i Lolong ary ny fifanakalozan-dresak'izy ireo taty anaty aterineto dia nahatonga ilay mamba goavambe ho lohahevitra noresahana be teto amin'ny aterineto. Ry zareo  Filipinos dia nampitaha ihany koa an'i Lolong tamin'ireo mpanao politika be kolikoly izay omen'izy ireo anaram-petaka hoe  ‘voay be’ ao anivon'ny governemanta.

Sarin'i Lolong, ilay mamba lava indrindra erantany miaina anaty vala

Ilay tondradrano faran'izay ratsy indrindra tao Thailand tato anatin'ny dimampolo taona dia nahafatesana olona maherin'ny 600 ary voatery namindràna mponina sy mpiasa an'arivony maro hiala ny tranon-dry zareo sy ny toeram-pamokarany. Ilay loza voajanahary noho ny tondradrano koa dia nandifotra ny toerana tombanana ho 3.000, fiompiana voay tao amin'ny firenena. Noho izany etsy andanin'ireo fampitandremana noho ny fisian'ny tondradrano, ireo manampahefana sy  ny tambajotra fampahalalam-baovao dia namoaka ihany koa fampitandremana momba ny voay mba hampahatsiahivana ny mponina hitandrina noho ireo voay tafaporitsaka tany amin'ireo vala sy toeram-piompiana tondraky ny rano.

Eto ny fahitàna ny sasany tamin'ireo voay sy ny tatitry ny fampahalalam-baovao: Tao Chonburi, tafaporitsaka ireo voay avy ao amin'ny Million Years Stone Park & Pattaya Crocodile Farm. Afaka efatra andro taty aoriana, ny lehiben'ilay vala dia niteny fa 29 ireo voay efa voasambotr'izy ireo indray saingy mbola misy sasany tsy hita. Nanambara ny tao amin'ny vala fa omena valisoa 5000 baht izay rehetra afaka manome vaovao mikasika ireny biby tafaporitsaka ireny.

Ao amin'ilay tanana fahinin'i Ayutthaya, manodidina ny voay 100 no tafaporitsaka tamin'ireo toeram-piompiana nandritra ny tondradrano  ary efa namoaka tamby 1.000 baht isaky ny voay voasambotra velona ireo manampahefana.

Tondraka ihany koa ny toerana fiompiana voay tao akaikin'i Bangkok ary vetivety ny tahotra dia niely teny anivon'ireo mponina izay nandre mikasika ireo voay tsy mbola hita. Ary satria efa nisintona ny rano tondraka, dia hita teny amin'ny tany maina ireo voay mitady sakafo. Tany amin'ny distrikan'i Bang Bua Thong, voay iray no tratra tao aminà Soi iray izay 50 sentimetatra monja no haavon'ny rano nanondraka azy.

voay nandositra tao Siem Reap. Sary avy amin'i triple j Mornings

i Kambodza ihany koa dia nitondra faisana tamin'ilay tondradrano izay nambara fa ny ratsy indrindra tato anatin'ny ampolon-taonany. triple j Mornings dia nitatitra tao amin'ny Facebook ny fisianà voay eny amin'ireo arabe sasany tondraky ny rano.

O ry akama isany! Niverina avy any Kambodza izay tany mahafinaritra, toerana kanto sy nahitako sakafo ampy ho tohan'aina nandritra ny herinandro. Sy tondradrano. Siem Reap dia nizaka ny mafy tokoa tamin'ny vanim-potoan'ny orana teo amin'ny tantarany, niteraka vokatra tahaka izao… voay roa avy ao aminà toerana fiompiana tsy lavitra teo no tafaporitsaka ary nampisavoritaka teny an'arabe nanerana ny tanàna. Minoa ahy. Mandra-pihaona ho rahampitso indray miaraka aminà tantara tsy dia mamatotra loatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.