Ejipta: Fahatsiarovana An'i Khaled Said Hisiana Izao Tontolo Izao Tsy Misy Herisetra

Namoaka sarimihetsika maharitra fahefakadiny mitondra ny lohateny hoe World Without Torture [Izao Tontolo Izao tsy misy herisetra] ny Vaomiera Iraisampirenena ho Famerenankasina ny Niharan'ny Fampijaliana (IRCT), sarimihetsika mifantoka amin'ny fisorohana ny fampijaliana, ary mampiseho ihany koa ny maha-zavadehibe ny fanangonana tahirin-kevitra momba azy ity ahafahana mamerina  ny hajan'ireo niangana tamin'ny herisetra.

The film features the case of Khaled Said. His death at the hands of state police – and the attempt to cover it up through the official autopsy report – sparked massive protests in Egypt in the run-up to the  revolution that led to the toppling of Hosni Mubarak’s oppressive regime.

Manasongadina ny nahazo an'i Khaled Said ilay sarimihetsika. Ny fahafatesany teo ampelatanan'ny polisy – sy ny fikasana hanafina izany amin'ny alalan'ny fanaovana tatitra taorian'ny fandidiampaty – no niteraka ny fihetsiketseham-panoherana tany Ejipta izay mbola mitohy hatramin'izao ary nitarika ny fionganan'ny fitondrana mpangejan'i Hosni Mubarak.

Ilay sarimihetsika dia notontosaina tamin'ny teny anglisy saingy misy resaka voadika an-tsoratra amin'ny teny Arabo, Espaniola ary Frantsay.

Credits: Joel Sames / courtesy of From Here to Fame

Fahana: Joel Sames / Nahazoana alalana From Here to Fame

Efa nanaraka ny fihetsika nataon'ny Ejipsiana momba ny raharaha Khaled Said ny Global Voices sy ny fitakiana fahamarinana, niainga tamin'ny eritreritra momba ny famonoan'olona sy ny domberina avy amin'ny tombatombana voalohany izay namely an'i Said ka hatramin'ny fahaterahan'ny vohikala ho fahatsiarovana sy ho fanajana azy.

Herintaona taty aorian'ny fahafatesan'i Khaled Said, mahatsiaro azy ho tahaka ny iray nahatonga ny revolisiona ny bilaogera. Nihoatra ny herintaona ny raharaham-pitsarana momba azy vao tonga eny amin'ny efitrano fitsarana izany. Taorian'ny fanemorana, dia nahazo fanamelohana higadra fito taona ireo polisin'ny fitsikilovana mirahalahy namono nahafaty azy, ary dia naneho ny tsy fankasitrahany momba ny didim-pitsarana ny mpiserasera.

Izay nateraky ny fahafatesan'ity zatovolahy ity ho an'i Ejipta dia mihoatra lavitra noho ny fanairana momba ny herisetra sy izay iharan'izany: izy no lasa endriky ny revolisiona, endrika azon'ny ejipsiana atao fitaratra. Ny vohikala We Are All Khaled Said dia efa nanambara rahateo ho “Manohitra ny Fampijaliana ao Ejipta sy ny fanosihosena ny Ejipsiana ao amin'ny tanindrazany” ary dia hita ao ny trangana fampijaliana hafa ataon'ny mpitandro ny filaminana ejipsiana.

Ity lahatsary manaraka ity dia hira mitondra ny lohateny hoe Too Scared to say it Loudly, [matahotra loatra ny hiteny azy mafy], nahitsy, navoaka ary nasian'i We are All Khaled Said dikany an-tsoratra amin'ny teny anglisy ary nampifantoka ny lanjan'ny fanoana ny fiarahamonina amin'ny alalan'ny fampitsaharana ny fampijaliana:

Nahazo ny lokan'ny Zon'Olombelona 2011 taorian'ny fahafatesany tao Berlin tamin'ny 19 septambra 2011 i Khaled Said ka ny anabaviny Zahraa Said Kassem no nandray izany nisolo tena azy. Hita manerana ny rindrina any Ejipta ho mariky ny revolisiona efa tsy voaisa intsony ny sarin-tavany, ka ho ho fanomezam-boninahitra azy ao Berlin, ny mpanoratra Don Kar miara-misalahy amin'ny The Dudes Factory (Freedom Park) & Friedrich-Ebert-Foundation dia nanapa-kevitra ny handoko ny sarin'ny endriny amin'ny rindrin'i Berlin:

“They broke down the Berlin Wall for freedom and unity. Kahled Said got killed for the same reason, for freedom and democracy. Khaled would be very happy if he was with us today. We will not forget you Khaled and we will bring your rights back. And we will bring every Egyptian's right back. We are all Khaled Said!” Zahraa Said Kassem

“Novakiany ny rindrin'i Berlin mba hisian'ny fahafahana sy ny firaisana. Maty noho izany antony izany koa i Khaled Said, maty noho ny fahafahana sy ny demokrasia. Tena faly tokoa i Khaled raha mbola niara-dia tamintsika amin'izao fotoana izao. Tsy hanadino anao izahay ry Khaled ary hamerina ny zonao. Hamerina ny zon'ny ejipsiana tsirairay izahay. Khaled Said avokoa isika rehetra!” hoy i Zahraa Said Kassem

 

Manaraka izany ny lahatsary mampiseho ny fandokoana ny rindrina, ka ny hira mandeha mandritra izany dia hira rap an'i Khaled Said tenany mihitsy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.