- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Sarin'ny Filoha Dilma Rousseff Tamin'izy 22Taona

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Mpanao gazety breziliana Marco Antônio Araújo nitsikera [1] ny adihevitra politika maivana, nitohy tamin'ny famoahana ny sarin'ny Filoha Dilma Rousseff tamin'ny fahatanorany izany ny ampitson'iny. Mampiseho ny sarin'i Dilma Rousseff nandritra ny fitondrana jadona izany sary izany, 22 taona izy tamin'izay, nandritra ny fanadihadiana nataon'ny miaramila izay mikasa hanafina ny endriny. “Mahamenatra?”, hoy i Araujo.